Acts 12
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary tamin’ izany andro izany Heroda mpanjaka naninjitra ny tànany hampahory ny sasany tamin’ ny fiangonana.Select Acts 12:1
2Ary izy namono an’ i Jakoba, rahalahin’ i Jaona, tamin’ ny sabatra.Select Acts 12:2
3Ary rehefa hitany fa sitraky ny Jiosy izany, dia nandroso nisambotra an’ i Petera koa izy. (Efa mby tamin’ ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira tamin’ izany.)Select Acts 12:3
4Ary rehefa nosamboriny izy, dia nataony tao an-tranomaizina ka natolony tamin’ ny miaramila enina ambin’ ny folo hambenany; dia nikasa hamoaka azy ho eo amin’ ny vahoaka izy, rehefa afaka ny Paska.Select Acts 12:4
5Ary Petera nambenana tao an-tranomaizina; ary ny fiangonana nahery nangataka tamin’ Andriamanitra ho azy.Select Acts 12:5
6Ary nony efa hamoaka azy Heroda, dia natory teo anelanelan’ ny miaramila roa lahy Petera tamin’ iny alina iny, sady voafatotra tamin’ ny gadra roa izy; ary nisy mpiambina niambina ny tranomaizina teo am-baravarana.Select Acts 12:6
7Ary, indro, nisy anjelin’ ny Tompo tonga teo, sady nisy mazava namirapiratra tao an-trano; ary izy nanohina ny tehezan’ i Petera, dia namoha azy ka nanao hoe: Mitsangàna faingana. Dia niala tamin’ ny tànany ny gadra.Select Acts 12:7
8Ary hoy ilay anjely taminy: Misikìna, ary fehezo ny kapanao. Dia nataony izany. Ary hoy koa izy taminy: Tafio ny lambanao, ka manaraha ahy.Select Acts 12:8
9Dia nivoaka izy ka nanaraka ary; ary tsy fantany ho marina izay nataon’ ny anjely, fa nataony ho nahita fahitana ihany izy.Select Acts 12:9
10Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany sy faharoa izy, dia tonga teo amin’ ny vavahady vy izay mahazo ny lalana ho any an-tanàna; ary nivoha ho azy io mba halehany; ary nony nivoaka izy, dia nandroso tamin’ ny lalana iray; ary niaraka tamin’ izay dia nandao azy izay anjely.Select Acts 12:10
11Ary rehefa nahatsiaro fanahy Petera, dia nanao hoe: Ankehitriny fantatro marina tokoa fa ny Tompo efa naniraka ny anjeliny ka namonjy ahy tamin’ ny tànan’ i Heroda sy ny fanantenan’ ny Jiosy rehetra.Select Acts 12:11
12Ary rehefa fantany tsara izany, dia nankany an-tranon’ i Maria, renin’ i Jaona, izay atao hoe koa Marka, izy; ary nisy olona maro niangona nivavaka tao.Select Acts 12:12
13Ary raha nandondona ny vavahady Petera, dia nisy ankizivavy atao hoe Roda nankeo hihaino.Select Acts 12:13
14Ary rehefa nahalala ny feon’ i Petera izy, dia tsy namoha ny vavahady noho ny hafaliany, fa lasa nihazakazaka ary niditra ka nilaza fa Petera no mijanona eo am-bavahady.Select Acts 12:14
15Fa hoy ny olona taminy: Very saina ianao. Fa izy nitompo rariny fa izany tokoa. Dia hoy indray ny olona: Anjeliny izany.Select Acts 12:15
16Fa Petera naharitra nandòndòna ihany, ary rehefa novohany, dia nahita azy ireo ka talanjona.Select Acts 12:16
17Fa izy nanofa tanana azy mba hangina, dia nanambara taminy izay namoahan’ ny Tompo azy avy tao an-tranomaizina. Ary dia hoy izy: Ambarao amin’ i Jakoba sy ny rahalahy izany zavatra izany. Dia niala izy ka lasa nankany amin’ ny fitoerana hafa.Select Acts 12:17
18Ary rehefa nazava ny andro, dia nifanaritaka be ihany ny miaramila ka nanao hoe: Nankaiza Petera?Select Acts 12:18
19Ary rehefa nitady azy fatratra Heroda, fa tsy nahita, dia nadininy ny mpiambina ka nasainy novonoina. Ary Heroda nidina niala tany Jodia hankany Kaisaria, dia nitoetra tany.Select Acts 12:19
20Ary Heroda tezitra loatra tamin’ ny Tyriana sy ny Sidoniana; fa niray saina kosa ireo ka nankany aminy, ary rehefa nahazo an’ i Blasto, mpitandrina ny trano fandrian’ ny mpanjaka, ho sakaizany, dia nangataka fihavanana, satria ny taniny nivelona tamin’ ny tanin’ i Heroda.Select Acts 12:20
21Ary tamin’ ny andro voatendry dia niakanjo akanjom-panjakana Heroda ka nipetraka teo ambonin’ ny seza fiandrianany, dia nikabary tamin’ ny vahoaka.Select Acts 12:21
22Ary ny vahoaka niantso hoe: Feon’ Andriamanitra izany, fa tsy an’ olona!Select Acts 12:22
23Ary niaraka tamin’ izay dia nisy anjelin’ ny Tompo namely azy, satria tsy nanome voninahitra an’ Andriamanitra izy; ka dia nohanin’ ny kankana izy ka maty.Select Acts 12:23
24Ary nandroso sy niely ny tenin’ Andriamanitra.Select Acts 12:24
25Ary Barnabasy sy Saoly niverina avy tany Jerosalema, rehefa vita ny fanompoany, dia nitondra an’ i Jaona, izay atao hoe Marka, hiaraka aminy.Select Acts 12:25
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation