Acts 13
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary teo amin’ ny fiangonana tany Antiokia nisy mpaminany sy mpampianatra: Barnabasy sy Simeona, izay atao hoe Nigera, sy Losio Kyreniana sy Menahema (izay niolonono tamin’ i Heroda mpanapaka) ary Saoly.Select Acts 13:1
2Ary raha nanao fanompoam-pivavahana ho an’ ny Tompo sy nifady hanina ireo, dia hoy ny Fanahy Masìna: Atokàny ho Ahy Barnabasy sy Saoly hanao ny asa izay efa niantsoako azy.Select Acts 13:2
3Ary rehefa nifady hanina sy nivavaka ary nametra-tanana taminy izy, dia nandefa azy.Select Acts 13:3
4Ary rehefa nirahin’ ny Fanahy Masìna izy roa lahy, dia nidina nankany Seleokia izy ka niondrana an-tsambo teo hankany Kyprosy.Select Acts 13:4
5Ary nony tonga tany Salamisy izy, dia nitory ny tenin’ Andriamanitra teny amin’ ny synagogan’ ny Jiosy; ary nitondra an’ i Jaona koa ho mpanampy azy izy.Select Acts 13:5
6Ary rehefa namaky ny nosy ka tonga tany Pafo izy, dia nahita Jiosy anankiray atao hoe Barjesosy, mpanao ody sady mpaminany sandoka,Select Acts 13:6
7izay nitoetra tao amin’ i Serygio Paolo, governoran’ ny tany sady lehilahy hendry; ary izy nampaka an’ i Barnabasy sy Saoly hankao aminy ka naniry mba hahare ny tenin’ Andriamanitra.Select Acts 13:7
8Fa Elyma, mpanao ody (fa izany no anarany, raha adika), nanohitra azy roa lahy sady nitady hampivily ny governora tsy hanaiky ny finoana.Select Acts 13:8
9Fa Saoly kosa, izay atao hoe koa Paoly, feno ny Fanahy Masìna, dia nibanjina azySelect Acts 13:9
10ka nanao hoe: Ialahy feno ny fitaka rehetra sy ny fahafetsena rehetra, ialahy zanaky ny devoly sady fahavalon’ ny fahamarinana rehetra, tsy hitsahatra tsy hamily ny lala-mahitsin’ ny Tompo va ialahy?Select Acts 13:10
11Ary, indro, ankehitriny ny tanan’ ny Tompo hamely an’ ialahy, dia ho jamba ialahy ka tsy hahita masoandro aloha. Dia latsaka tao aminy niaraka tamin’ izay ny mampanjambena sy ny aizina, ary niraparapa nitady olona hitantana azy izy.Select Acts 13:11
12Ary ny governora, nony nahita izay efa natao, dia nino sady talanjona tamin’ ny fampianaran’ ny Tompo.Select Acts 13:12
13Ary Paoly sy ny namany, rehefa niondrana an-tsambo niala avy tany Pafo, dia tonga tany Peryga any Pamfyha; fa Jaona nandao azy ka niverina nankany Jerosalema.Select Acts 13:13
14Ary rehefa niala tany Peryga izy ireo, dia nandroso nankany Antiokia any Pisidia, dia niditra tao amin’ ny synagoga tamin’ ny andro Sabata ka nipetraka teo.Select Acts 13:14
15Ary rehefa vita ny famakiana ny lalàna sy ny mpaminany, ny mpanapaka ny synagoga dia nampilaza taminy ka nanao hoe: Ry rahalahy, raha misy fananarana hataonareo amin’ ny olona, dia ataovy.Select Acts 13:15
16Ary Paoly nitsangana, dia nanofa tanana azy ka nanao hoe: Ry lehilahy Isiraely sy ianareo izay matahotra an’ Andriamanitra, mihainoa;Select Acts 13:16
17Andriamanitr’ izao olona Isiraely izao efa nifidy ny razantsika ka nanandratra ny olona, raha nivahiny tany amin’ ny tany Egypta izy, ary sandry avo no nitondrany azy nivoaka avy tany.Select Acts 13:17
18Ary Izy nandefitra tamin’ ny nataony tany an-efitra tokony ho efa-polo taona.Select Acts 13:18
19Ary rehefa nandrava firenena fito tany amin’ ny tany Kanana Izy, dia nampandovainy ny tanin’ ireny izySelect Acts 13:19
20tokony ho dimam-polo amby efa-jato taona; ary rehefa afaka izany, dia nomeny mpitsara izy hatramin’ i Samoela mpaminany.Select Acts 13:20
21Ary rehefa afaka indray izany, dia nangataka mpanjaka izy; ka dia nomen’ Andriamanitra azy efa-polo taona Saoly, zanak’ i Kisy, lehilahy avy tamin’ ny firenen’ i Benjamina.Select Acts 13:21
22Ary rehefa nanaisotra an’ i Saoly Izy, dia nanandratra an’ i Davida ho mpanjakany sady nanambara azy hoe: Izaho nahita an’ i Davida, zanak’ i Jese, lehilahy araka ny foko, izay hanao ny sitrapoko rehetra.Select Acts 13:22
23Avy tamin’ ny taranak’ izany lehilahy izany no nitondran’ Andriamanitra an’ i Jesosy araka ny teny fikasana ho Mpamonjy ny Isiraely,Select Acts 13:23
24rehefa notorin’ i Jaona tamin’ ny olona Isiraely rehetra aloha ny batisan’ ny fibebahana, fony tsy mbola tonga Izy.Select Acts 13:24
25Ary Jaona, rehefa nadiva no nahatanteraka ny nalehany, dia nanao hoe: Ataonareo ho iza moa aho? Tsy Izy aho; fa, indro, misy Anankiray avy ao aoriako, ka izaho tsy miendrika hamaha ny kapa eo an-tongony akory.Select Acts 13:25
26Ry rahalahy, taranak’ i Abrahama, sy izay rehetra eo aminareo matahotra an’ Andriamanitra, dia ho amintsika no nampitondrana ny tenin’ izao famonjena izao.Select Acts 13:26
27Fa izay monina any Jerosalema sy ny loholony, satria tsy mba nahafantatra Azy, na ny feon’ ny mpaminany izay vakina isan-tSabata, dia nahatanteraka izany tamin’ ny nanamelohany Azy.Select Acts 13:27
28Ary na dia tsy hitany aza izay tokony hanamelohana Azy ho faty, dia nangataka tamin’ i Pilato ihany izy hamonoana Ary.Select Acts 13:28
29Ary rehefa nahatanteraka izay rehetra voasoratra ny amin’ i Jesosy izy, dia nanaisotra Azy tamin’ ny hazo ka nandevina Azy tao am-pasana.Select Acts 13:29
30Fa Andriamanitra kosa nanangana Azy tamin’ ny maty.Select Acts 13:30
31Ary Izy niseho andro maro tamin’ izay niara-niakatra taminy avy tany Galilia ho any Jerosalema, ka dia ireo no vavolombelony amin’ ny olona ankehitriny.Select Acts 13:31
32Ary izahay mitory ny filazantsara aminareo, dia ilay teny fikasana nolazaina tamin’ ny razana,Select Acts 13:32
33dia ny nahatanterahan’ Andriamanitra izany tamin’ ny zanatsika, raha nanangana an’ i Jesosy Izy, araka ny voasoratra eo amin’ ny Salamo faharoa hoe: Zanako Hianao, Izaho niteraka Anao androany.Select Acts 13:33
34Ary ny amin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty, ka tsy hiverina ho amin’ ny lò intsony Izy, dia izao no voalazany: Homeko anareo ny famindram-po mahatoky nampanantenaina an’ i Davida.Select Acts 13:34
35Fa hoy Izy ao amin’ ny Salamo hafa koa: Tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao.Select Acts 13:35
36Fa Davida, rehefa nahatanteraka ny sitrapon’ Andriamanitra hahasoa ny olona niara-belona taminy, dia nodi-mandry ka nangonina ho any amin’ ny razany izy ary tratry ny lò;Select Acts 13:36
37fa Izay natsangan’ Andriamanitra no tsy mba tratry ny lò.Select Acts 13:37
38Ary aoka ho fantatrareo, ry rahalahy, fa izany Lehilahy izany no itoriana famelan-keloka aminareo;Select Acts 13:38
39ary ao aminy no anamarinana izay rehetra mino ho afaka amin’ ny heloka rehetra izay tsy azo nanamarinana anareo tamin’ ny lalàn’ i Mosesy.Select Acts 13:39
40Koa tandremo fandrao hihatra izay voalaza eo amin’ ny mpaminany hoe:Select Acts 13:40
41Izahaonareo mpamotsifotsy, dia gagà, ka levona; Fa Izaho manao asa amin’ ny andronareo, Dia asa izay tsy hinoanareo akory, na dia hisy hilaza aminareo azaSelect Acts 13:41
42Ary rehefa nivoaka izy, dia nangatahiny holazaina aminy indray izany teny izany amin’ ny Sabata manaraka.Select Acts 13:42
43Ary rehefa nirava ny fiangonana, dia maro tamin’ ny Jiosy sy ny proselyta izay nanompo an’ Andriamanitra no nanaraka an’ i Paoly sy Barnabasy, izay niteny taminy ka namporisika azy haharitra amin’ ny fahasoavan’ Andriamanitra.Select Acts 13:43
44Ary nony tamin’ ny Sabata manaraka, dia saiky tafangona avokoa ny tao an-tanàna hihaino ny tenin’ Andriamanitra.Select Acts 13:44
45Nefa ny Jiosy kosa, raha nahita ny vahoaka betsaka, dia feno fialonana ka nanohitra ny teny nolazain’ i Paoly, sady niteny ratsy.Select Acts 13:45
46Ary Paoly sy Barnabasy dia niteny tamin’ ny fahasahiana ka nanao hoe: Hianareo no tsy maintsy nitoriana ny tenin’ Andriamanitra aloha; fa rehefa mandà izany ianareo ka manao ny tenanareo ho tsy miendrika hahazo fiainana mandrakizay, dia indro, mitodika mankany amin’ ny jentilisa izahay;Select Acts 13:46
47fa izao no nandidian’ ny Tompo anay: Efa nanendry Anao ho fahazavan’ ny jentilisa Aho, Mba ho famonjena hatrany amin’ ny faran’ ny tany Hianao.Select Acts 13:47
48Ary rehefa nandre izany ny jentilisa, dia faly izy ka nankalaza ny tenin’ Andriamanitra; ary izay voalahatra ho amin’ ny fiainana mandrakizay dia nino.Select Acts 13:48
49Ary ny tenin’ ny Tompo dia naely eran’ izany tany rehetra izany.Select Acts 13:49
50Fa ny Jiosy nampitaitra ny vehivavy manan-kaja izay nivavaka sy ny lehibe tao an-tanàna, dia nahatonga fanenjehana tamin’ i Paoly sy Barnabasy ireny ka nandroaka azy niala tamin’ ny taniny.Select Acts 13:50
51Fa izy roa lahy kosa nanintsana ny vovoka tamin’ ny tongony hiampanga ireo, dia nankany Ikonioma.Select Acts 13:51
52Ary dia feno fifaliana sy ny Fanahy Masìna ny mpianatra.Select Acts 13:52
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation