Skip to content
Church.wiki
Acts

Acts 17

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary rehefa nandeha namaky an’ i Amfipolia sy Apolonia izy, dia tonga tao Tesalonika, ary nisy synagogan’ ny Jiosy tao.Select Acts 17:1

2Ary Paoly dia niditra tao araka ny fanaony; ary Sabata telo no niadiany hevitra avy amin’ ny Soratra Masìna tamin’ ny olona tao.Select Acts 17:2

3Dia nanambara izy ka naneho marimarina fa tsy maintsy nijaly sy nitsangana tamin’ ny maty Kristy; ary Jesosy, Izay toriko aminareo, hoy izy, no Kristy.Select Acts 17:3

4Ary ny sasany tamin’ ireo dia nino ka nanampy ho isan’ ny mpianatr’ i Paoly sy Silasy, ary maro be koa tamin’ ny jentilisa izay mpivavaka, ary tsy vitsy tamin’ ny vehivavy nanan-kaja.Select Acts 17:4

5Fa nialona ny Jiosy ka naka olona ratsy fanahy teny an-tsena ary nahavory vahoaka betsaka, dia nampitabataba ny tanàna ka namely ny tranon’ i Jasona ary nitady hamoaka azy roa lahy ho ao amin’ ny olona.Select Acts 17:5

6Ary raha tsy nahita azy roa lahy izy, dia nisarika an’ i Jasona sy ny rahalahy sasany ho ao amin’ ny lehiben’ ny tanàna ka niantso mafy hoe: Tongay koa ireo lehilahy namadika izao tontolo izao ireo;Select Acts 17:6

7ary efa nampandrosoin’ i Jasona izy, ka izy rehetra ireo manohitra ny tenin’ i Kaisara, satria izy milaza fa misy mpanjaka hafa, dia Jesosy.Select Acts 17:7

8Dia taitra ny vahoaka sy ny lehiben’ ny tanàna, raha nahare izany.Select Acts 17:8

9Ary rehefa nasainy nametraka antoka Jasona sy ny sasany teo aminy, dia navelany handeha izy.Select Acts 17:9

10Ary Paoly sy Silasy dia nampandehanin’ ny rahalahy niaraka tamin’ izay nony alina hankany Beria; koa raha tonga tany izy, dia niditra tao amin’ ny synagogan’ ny Jiosy.Select Acts 17:10

11Ary ny toe-panahin’ ireo dia tsara noho ny tao Tesalonika; satria nandray ny teny tamin’ ny zotom-po indrindra ireo ka nandinika ny Soratra Masìna isan’ andro, na marina izany, na tsia.Select Acts 17:11

12Koa maro tamin’ ireo no nino, ary tsy vitsy tamin’ ny vehivavy jentilisa nanan-kaja sy ny lehilahy.Select Acts 17:12

13Fa raha ren’ ny Jiosy tany Tesalonika fa Paoly nitory ny tenin’ Andriamanitra tany Beria, dia nankany izy ka nampikotrana sy nampitabataba ny vahoaka.Select Acts 17:13

14Ary niaraka tamin’ izay dia nasain’ ny rahalahy nandeha hatrany amoron-dranomasina Paoly; fa Silasy sy Timoty kosa dia mbola nijanona teo ihany.Select Acts 17:14

15Ary izay nanatitra an’ i Paoly dia nitondra azy nankany Atena; ary rehefa nahazo teny holazainy amin’ i Silasy sy Timoty izy mba hankanesan’ izy roa lahy any aminy faingana, dia lasa nandeha ireo.Select Acts 17:15

16Ary raha niandry azy tany Atena Paoly, dia taitra tao anatiny ny fanahiny, raha nahita ny tanàna feno sampy izy.Select Acts 17:16

17Ary izy niady hevitra tamin’ ny Jiosy sy ny proselyta tao amin’ ny synagoga sy tamin’ izay tafavory tany an-tsena isan’ andro.Select Acts 17:17

18Ary ny olon-kendry sasany tamin’ ny Epikoreana sy ny Stoika nanohitra azy koa, ka hoy ny sasany: Inona no tian’ io mpibedibedy io holazaina? Ary hoy kosa ny sasany: Toa mitory andriamani-baovao izy, satria Jesosy sy ny fitsanganan’ ny maty no notoriny.Select Acts 17:18

19Ary ireo naka azy, dia nitondra azy ho any Areopago ka nanao hoe: Moa mba mahazo mahafantatra izany fampianarana vaovao lazainao izany izahay?Select Acts 17:19

20Fa mampandre ny sofinay zavatra hafahafa izay tsy fantatray ianao; koa tianay ho fantatra izay hevitr’ izany zavatra izany.Select Acts 17:20

21(Fa ny Ateniana rehetra sy ny vahiny izay nitoetra teo tsy nandany ny androny tamin’ ny zavatra hafa, afa-tsy ny hilaza na hihaino zava-baovao.)Select Acts 17:21

22Ary Paoly nitsangana teo afovoan’ i Areopago ka nanao hoe: Ry lehilahy Ateniana, hitako fa amin’ ny zavatra rehetra dia fatra-pivavaka amin’ ny andriamanitrareo indrindra ianareo.Select Acts 17:22

23Fa raha nandeha aho ka nandinika izay zavatra ivavahanareo, dia nahita alitara anankiray misy izao soratra izao: HO AN’ IZAY ANDRIAMANITRA TSY FANTATRA. Koa izay ivavahanareo, kanefa tsy fantatrareo, dia izany no toriko aminareo,Select Acts 17:23

24dia Andriamanitra Izay nanao izao tontolo izao sy ny ao aminy rehetra, Izy no Tompon’ ny lanitra sy ny tany ka tsy mba mitoetra ao anaty tempoly nataon-tanana,Select Acts 17:24

25sady tsy mba tompoin’ ny tànan’ olona toa mila zavatra, fa Izy ihany no manome izao rehetra izao aina sy fofon’ aina ary ny zavatra rehetra;Select Acts 17:25

26ary ny firenena rehetra avy amin’ ny iray ihany dia namponeniny ambonin’ ny tany rehetra, ary efa notendreny ny fotoan’ andro sy ny faritry ny fonenany,Select Acts 17:26

27mba hitady an’ Andriamanitra izy, raha tàhiny hahatsapa ka hahita Azy, kanefa tsy mba lavitra antsika rehetra Izy;Select Acts 17:27

28fa Izy no ivelomantsika sy ihetsehantsika ary iainantsika; araka ny nataon’ ny mpanao tonon-kira sasany teo aminareo hoe: Fa terany koa isika.Select Acts 17:28

29Ary satria terak’ Andriamanitra isika, dia tsy mety raha ny fomban’ Andriamanitra no ataontsika ho tahaka ny volamena, na volafotsy, na vato voasoratry ny fahaizana aman-tsain’ olombelona.Select Acts 17:29

30Ary Andriamanitra ninia tsy nijery ny andron’ ny tsi-fahalalana; fa ankehitriny Izy mandidy ny olona rehetra amin’ izao tontolo izao hibebaka,Select Acts 17:30

31satria Izy efa nanendry andro iray, izay hitsarany izao tontolo izao amin’ ny fahamarinana amin’ ny alalan’ ny Lehilahy iray voatendriny, koa efa nanome vavolombelona hampino ny olona rehetra izany Izy tamin’ ny nananganany Azy tamin’ ny maty.Select Acts 17:31

32Ary raha nahare ny amin’ ny fitsanganan’ ny maty izy, dia nihomehy ny sasany; ary ny sasany kosa nanao hoe: Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’ izany zavatra izany.Select Acts 17:32

33Ary Paoly dia niala teo aminy.Select Acts 17:33

34Anefa ny olona sasany niray taminy ka nino; mba naman’ izany Dionysio Areopagita sy ny vehivavy anankiray atao hoe Damary ary ny sasany koa.Select Acts 17:34

Next: Acts 18Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Acts

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.