Skip to content
Church.wiki
Acts

Acts 2

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary nony tonga ny Andro Pentekosta, dia teo amin’ ny fitoerana iray izy rehetra.Select Acts 2:1

2Ary nisy feo tonga tampoka avy tany an-danitra, toy ny rivotra mahery mifofofofo, ka nanenika ilay trano niangonany.Select Acts 2:2

3Ary nisy lela maro mitarehin’ afo niseho taminy, izay nizarazara; ary nipetraka tamin’ izy rehetra isan-olona izany.Select Acts 2:3

4Ary samy feno ny Fanahy Masìna izy rehetra, ka dia niteny tamin’ ny fiteny maro samy hafa, araka ny nampitenenan’ ny Fanahy Masìna azy.Select Acts 2:4

5Ary nisy Jiosy, mpivavaka tsara, nitoetra tany Jerosalema, avy tany amin’ ny firenena samy hafa rehetra ambanin’ ny lanitra.Select Acts 2:5

6Ary nony re izany feo izany, dia niangona ny olona maro ka very hevitra, fa samy nahare azy ireo niteny tamin’ ny fiteniny avy izy rehetra.Select Acts 2:6

7Dia talanjona sady gaga izy rehetra ka nanao hoe: Indreo, tsy Galiliana va ireo rehetra miteny ireo?Select Acts 2:7

8Koa ahoana no andrenesantsika amin’ ny fitenintsika avy izay nahabe antsikaSelect Acts 2:8

9― dia Partiana sy Mediana sy Elamita, ary mponina any Mesopotamia, sy Jodia sy Kapadokia sy Ponto sy AsiaSelect Acts 2:9

10sy Frygia sy Pamfylia, sy Egypta sy ny tany Libya izay manodidina an’ i Kyrena, ary vahiny avy any Roma, na Jiosy na proselyta,Select Acts 2:10

11Kretana sy Arabo ― koa ahoana no andrenesantsika ireo miteny amin’ ny fitenintsika avy ny asa lehibe ataon’ Andriamanitra?Select Acts 2:11

12Dia talanjona izy rehetra ka niahanahana sady niresaka hoe: Ahoana no tokony ho hevitr’ izany?Select Acts 2:12

13Fa ny sasany nihomehy ka nanao hoe: Leon-divay mamy ireo.Select Acts 2:13

14Fa nitsangana Petera sy ny iraika ambin’ ny folo lahy, dia nanandra-peo izy ka nanao taminy hoe: Ry lehilahy Jiosy sy izay rehetra monina eto Jerosalema, aoka ho fantatrareo izao, ka henoy ny teniko:Select Acts 2:14

15Tsy mamo araka ny hevitrareo tsy akory ireo, fa vao ora fahatelo ihany izao ny andro.Select Acts 2:15

16Fa izao ilay nampilazaina an’ i Joela mpaminany hoe:Select Acts 2:16

17Ary amin’ ny andro farany, hoy Andriamanitra, No handatsahako ny Fanahiko amin’ ny nofo rehetra; Ary ny zanakalahinareo sy ny zanakavavinareo haminany, Ary ny zatovonareo hahita fahitana, Ary ny lahiantitrareo hanonofy;Select Acts 2:17

18Ary ny mpanompoko, na lahy na vavy, Dia handatsahako ny Fanahiko amin’ izany andro izany, Ka dia haminany izy;Select Acts 2:18

19Ary hanisy fahagagana eny amin’ ny lanitra ambony Aho sy famantarana amin’ ny tany ambany, Dia rà sy afo ary zavon’ ny setroka;Select Acts 2:19

20Ny masoandro hampodina ho aizina, Ary ny volana ho rà, Alohan’ ny hahatongavan’ ny andron’ i Jehovah, Dia ilay sady lehibe no malaza;Select Acts 2:20

21Ary na zovy na zovy no hiantso ny anaran’ i Jehovah dia hovonjena.Select Acts 2:21

22Ry lehilahy Isiraely, mihainoa izao teny izao: Jesosy avy any Nazareta, lehilahy nasehon’ Andriamanitra teo aminareo tamin’ ny asa lehibe sy ny fahagagana ary ny famantarana izay nampanaovin’ Andriamanitra Azy teo aminareo, tahaka ny fantatrareo ihany,Select Acts 2:22

23Izy efa natolotra araka ny saina niniana sy ny fahalalan’ Andriamanitra rahateo, dia nohomboanareo sy novonoinareo tamin’ ny tanan’ ny olona tsy tan-dalàna;Select Acts 2:23

24fa Andriamanitra nanangana Azy, rehefa nahafaka ny fanaintainan’ ny fahafatesana, satria tsy laitr’ izany hohazonina Izy.Select Acts 2:24

25Fa Davida milaza Azy hoe: Nijery an’ i Jehovah teo anatrehako mandrakariva aho; Satria eo ankavanako Izy, mba tsy hangozohozo aho,Select Acts 2:25

26Dia izany no nifalian’ ny foko sy niravoravoan’ ny lelako; Ny nofoko koa hitoetra amin’ ny fanantenana;Select Acts 2:26

27Fa tsy ho foinao ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita ny aiko; Ary tsy hamela ny Iray Masinao ho tratry ny lò Hianao;Select Acts 2:27

28Nampahafantatra ahy ny lalan’ aina Hianao; Hampifaly ahy indrindra amin’ ny tavanao.Select Acts 2:28

29Ry rahalahy, aoka aho mba hilaza aminareo marimarina ny amin’ i Davida patriarka, fa efa maty izy ka nalevina koa, ary ny fasany eto amintsika mandraka androany.Select Acts 2:29

30Ary satria mpaminany izy ka nahalala fa Andriamanitra efa nanao fianianana taminy fa izay hateraky ny kibony no hipetraka eo ambonin’ ny seza fiandrianany,Select Acts 2:30

31koa raha nahita rahateo izy, dia nilaza ny fitsanganan’ i Kristy, fa tsy nafoy ho any amin’ ny fiainan-tsi-hita Izy, ary ny nofony tsy tratry ny lò.Select Acts 2:31

32Izany Jesosy izany dia efa natsangan’ Andriamanitra, ary vavolombelon’ izany izahay rehetra.Select Acts 2:32

33Ary rehefa nasandratry ny tanana ankavanan’ Andriamanitra Izy, ary nandray tamin’ ny Ray ny Fanahy Masìna Izay nokasainy, dia efa nampilatsaka izao hitanareo sy renareo izao Izy.Select Acts 2:33

34Fa tsy Davida no niakatra tany an-danitra; fa hoy izy: Jehovah nilaza tamin’ ny Tompoko hoe: Mipetraha eo an-tanako ankavananaSelect Acts 2:34

35Ambara-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao.Select Acts 2:35

36Koa aoka ho fantatry ny taranak’ isiraely rehetra marimarina fa iny Jesosy nohomboanareo tamin’ ny hazo fijaliana iny dia efa nataon’ Andriamanitra ho Tompo sy Kristy.Select Acts 2:36

37Ary raha nandre izany ny olona, dia voatsindrona tam-pony ka nanao tamin’ i Petera sy ny Apostoly namany hoe: Ry rahalahy, inona no hataonay?Select Acts 2:37

38Ary hoy Petera taminy: Mibebaha, ary aoka samy hatao batisa amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy ianareo rehetra mba hahazo famelana ny helokareo; ary ianareo handray ny fanomezana, dia ny Fanahy Masìna;Select Acts 2:38

39fa ny teny fikasana dia ho anareo sy ny zanakareo ary ho an’ izay rehetra lavitra, na iza na iza hantsoin’ i Jehovah Andriamanitsika hanatona Azy.Select Acts 2:39

40Ary nanambara sy nananatra azy tamin’ ny teny maro hafa koa izy ka nanao hoe: Aoka hovonjena ho afaka amin’ ity taranaka maditra ity ianareo.Select Acts 2:40

41Ary izay nandray tsara ny teniny dia natao batisa; ary tokony ho telo arivo no olona nanampy ho isany tamin’ izany andro izany.Select Acts 2:41

42Ary izy ireo naharitra tamin’ ny fampianaran’ ny Apostoly sy ny fiombonana sy ny famakiana ny mofo ary ny fivavahana.Select Acts 2:42

43Dia raiki-tahotra ny olona rehetra teo, ary fahagagana sy famantarana maro no nataon’ ny Apostoly.Select Acts 2:43

44Ary izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra,Select Acts 2:44

45ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin’ izy rehetra araka izay nilainy avy.Select Acts 2:45

46Ary dia niray saina isan’ andro izy ka nazoto nankeo an-kianjan’ ny tempoly ary namaky mofo tao an-trano ka nihinan-kanina tamin’ ny fifaliana sy ny fahatsaram-po,Select Acts 2:46

47nidera an’ Andriamanitra sady nahita fitia tamin’ ny vahoaka rehetra. Ary ny olom-bonjena dia nanampin’ ny Tompo isan’ andro ho isan’ ireo.Select Acts 2:47

Next: Acts 3Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Acts

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.