Acts 20
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary rehefa nitsahatra ny tabataba, dia nampaka ny mpianatra Paoly ka nananatra azy sy nanao veloma azy, dia lasa nankany Makedonia izy.Select Acts 20:1
2Ary rehefa nitety izany tany izany sy nananatra ny olona tamin’ ny teny maro izy, dia tonga tany Grisia.Select Acts 20:2
3Ary nony efa nitoetra telo volana teo izy ka efa hiondrana an-tsambo hankany Syria, ary nisy Jiosy nanotrika azy, dia niova hevitra izy ka lasa niverina namaky an’ i Makedonia.Select Acts 20:3
4Ary niaraka taminy hatrany Asia Sopatera, zanak’ i Pyro, avy any Beria, ary Aristarko sy Sekondo avy any Tesalonika, ary Gaio avy any Derbe, ary Timoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia.Select Acts 20:4
5Ireo dia efa nialoha ka niandry anay tany Troasy.Select Acts 20:5
6Dia niondrana an-tsambo niala tany Filipy izahay, rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nankany aminy tany Troasy izahay nony afaka hadimiana; ary tany no nitoeranay hafitoana.Select Acts 20:6
7Ary tamin’ ny andro voalohany amin’ ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitori-teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-paha-mamatonalina izy.Select Acts 20:7
8Ary nisy jiro maro teo an-trano ambony izay niangonanay.Select Acts 20:8
9Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin’ i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin’ ny tany avy eny amin’ ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty.Select Acts 20:9
10Ary Paoly nidina, dia niankohoka taminy sy nanohona azy ka nanao hoe: Aza mihorikorika ianareo, fa mbola misy aina ihany izy.Select Acts 20:10
11Ary niakatra Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarain’ ny andro izy, dia lasa nandeha.Select Acts 20:11
12Ary nitondra ilay zatovo efa velona izy ireo ka faly dia faly.Select Acts 20:12
13Ary izahay nialoha ho any an-tsambo, dia niondrana nankany Aso, fa eo no handraisana an’ i Paoly, satria eo no fotoana nataony, fa nikasa handeha an-tanety izy.Select Acts 20:13
14Ary rehefa nihaona taminay tany Aso izy, dia noraisinay, ary dia lasa nankany Mitylena izahay.Select Acts 20:14
15Ary rehefa niondrana an-tsambo niala teo izahay, dia tonga tandrifin’ i Kio nony ampitso; ary nony ampitso indray dia niantsona tao Samo; ka tonga tany Mileto izahay nony ampitson’ iny.Select Acts 20:15
16Fa Paoly efa nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hitoerany ela any Asia; fa maika izy, raha azony hatao, hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema.Select Acts 20:16
17Ary raha tany Mileto Paoly, dia naniraka hankany Efesosy izy ka nampaka ny loholon’ ny fiangonana hankeo aminy.Select Acts 20:17
18Ary nony tonga teo aminy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin’ ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo tamin’ izany andro rehetra izany,Select Acts 20:18
19dia ny nanompoako ny Tompo tamin’ ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin’ ny fanotrehan’ ny Jiosy,Select Acts 20:19
20ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason’ ny olona ary tao amin’ ny isan-trano;Select Acts 20:20
21ary nambarako tamin’ ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin’ Andriamanitra sy ny finoana an’ i Jesosy Kristy Tompontsika.Select Acts 20:21
22Ary ankehitriny, indro, terỳ am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any,Select Acts 20:22
23afa-tsy izay ambaran’ ny Fanahy Masìna amiko amin’ ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy.Select Acts 20:23
24Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin’ i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran’ ny fahasoavan’ Andriamanitra.Select Acts 20:24
25Ary, indro, ankehitriny fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay nalehako nitoriako ny fanjakana.Select Acts 20:25
26Koa manambara aminareo aho anio fa afaka amin’ ny ranareo rehetra aho.Select Acts 20:26
27Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr’ Andriamanitra.Select Acts 20:27
28Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan’ ny Fanahy Masìna anareo ho mpitandrina’, hiandrasanareo ny fiangonan Andriamanitra, izay novidiny tamin’ ny ràny.Select Acts 20:28
29Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry.Select Acts 20:29
30Ary avy aminareo no hiposahan’ ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy.Select Acts 20:30
31Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman’ alina tamin’ ny ranomaso.Select Acts 20:31
32Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin’ Andriamanitra sy ho amin’ ny tenin’ ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin’ izay rehetra nohamasinina.Select Acts 20:32
33Tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban’ olona aho.Select Acts 20:33
34Fa fantatrareo ihany fa ireto tanako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay.Select Acts 20:34
35Efa nasehoko anareo tamin’ ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin’ i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.Select Acts 20:35
36Ary rehefa niteny izany izy, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin’ izy rehetra.Select Acts 20:36
37Ary nitomany mafy izy rehetra, dia namihina ny vozon’ i Paoly ka nanoroka azy,Select Acts 20:37
38sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy teny an-tsambo izy.Select Acts 20:38
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation