Skip to content
Church.wiki
Acts

Acts 27

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary rehefa voadidy hiondrana an-tsambo hiala hankany Italia izahay, Paoly sy ny mpifatotra sasany dia natolotra tamin’ ny kapiteny atao hoe Jolio, tamin’ ny antokon’ i Aogosto.Select Acts 27:1

2Ary rehefa nirotsaka an-tsambo avy any Adramytena izay efa handeha hitety ny sisin-tanin’ i Asia izahay, dia lasa nandeha; ary niaraka taminay Aristarko Makedoniana avy any Tesalonika.Select Acts 27:2

3Ary nony ampitso dia tonga tany Sidona izahay. Ary tsara ny nitondran’ i Jolio an’ i Paoly, fa navelany hankany amin’ ny sakaizany izay hiahy azy izy.Select Acts 27:3

4Ary nony niala teo izahay, dia nanara-morona an’ i Kyprosy nihazo ny ilany takon-drivotra, satria nanohitra ny rivotra.Select Acts 27:4

5Ary rehefa namaky ny ranomasina tany Kilikia sy Pamfilia izahay, dia tonga tany Myra any Lykia.Select Acts 27:5

6Ary tao no nahitan’ ny kapiteny sambon’ Aleksandria hankany Italia, dia nasainy niondrana teo aminy izahay.Select Acts 27:6

7Ary rehefa nandeha niadana andro maromaro izahay ka saiky tsy tonga tandrifin’ i Kinido, satria nisakana anay ny rivotra, dia takon-drivotra tandrifin’ i Salmona izahay;Select Acts 27:7

8ary nony sahirana nanara-morona izahay, dia tonga teo amin’ ny tany anankiray atao hoe Tsara-fitodian-tsambo; akaikin’ izany ny tanàna Lasea.Select Acts 27:8

9Ary rehefa lany ny andro maro, sady sarotra ny fandehanan-tsambo tamin’ izany, satria efa afaka ny Andro Fifadiana, dia nananatra azy PaolySelect Acts 27:9

10ka nanao taminy hoe: Ry tompokolahy ô, hitako fa izao fandehanana izao dia hisy fahasimbana sy fatiantoka be ihany, ka tsy amin’ ny entana sy ny sambo ihany, fa ny aintsika koa aza.Select Acts 27:10

11Kanefa ny kapiteny nino ny mpitondra sy ny tompon-tsambo, fa tsy ny teny nolazain’ i Paoly.Select Acts 27:11

12Ary satria ny fitodian-tsambo teo dia tsy tsara hitoerana amin’ ny ririnina, dia nataon’ ny maro fa tsara raha miala, fandrao mba ho tonga any Foiniksa ahay handany ny ririnina any; fitodian-tsambo any Kreta izany ka manatrika mianatsimo-andrefana sy mianavaratra-andrefana.Select Acts 27:12

13Ary raha nitsoka malemy ny rivotra avy any atsimo, ka nataony fa efa nahazo izay niriny izy, dia niala teo izy ka nandalo akaikikaikin’ i Kreta.Select Acts 27:13

14Ary tsy ela rehefa afaka izany, dia nifofofofo nidina avy teo ny tafio-drivotra mahery atao hoe Eorakylona.Select Acts 27:14

15Ary raha nopaohin’ ny rivotra ny sambo ka tsy nahatoha azy, dia navelanay haveziveziny izy.Select Acts 27:15

16Ary raha nandeha faingana nanara-morona ny nosy atao hoe Kaoda nihazo ny ilany takon-drivotra izahay, dia saiky tsy nahazo ny salopy;Select Acts 27:16

17ary rehefa nakarina izany, dia novahorany manodidina ny sambo; ary natahotra izy, fandrao hihatra any amin’ ilay fasika mandrevo, dia nampidina ny lay, ka navelany handeha ho azy ny sambo.Select Acts 27:17

18Ary raha nasian’ ny rivotra mafy izahay, dia nanariany ny entana nony ampitso;Select Acts 27:18

19ary nony ampitso’ io indray dia narian’ ny tànany ihany ny fanaka teo amin’ ny sambo;Select Acts 27:19

20fa rehefa tsy hita ny masoandro na ny kintana hatramin’ ny andro maro, ary tsy kely ny rivotra izay namely, dia tsy nanantena ho voavonjy intsony izahay.Select Acts 27:20

21Ary rehefa tsy nihinan-kanina ela izy ireo, Paoly dia nitsangana teo afovoany ka nanao hoe: Ry tompokolahy ô, tsara raha ho nihaino ahy ianareo ka tsy niala tany Kreta, mba tsy ho nahitana izao fahasimbana sy fatiantoka izao.Select Acts 27:21

22Ary ankehitriny mananatra anareo aho mba hatoky; fa tsy hisy ho faty ianareo, fa ny sambo ihany no ho very.Select Acts 27:22

23Fa nisy anjelin’ Andriamanitra, Izay Tompoko sady tompoiko, nitsangana teo anilako halinaSelect Acts 27:23

24ka nanao hoe: Aza matahotra, ry Paoly; fa tsy maintsy hitsangana eo anatrehan’ i Kaisara ianao; ary, indro, efa nomen’ Andriamanitra anao ny olona rehetra izay miaraka aminao.Select Acts 27:24

25Koa matokia, ry tompokolahy ô, fa mino an’ Andriamanitra aho fa ho tonga araka ny voalazany tamiko izany.Select Acts 27:25

26Nefa tsy maintsy fefika ihany eo amin’ ny nosy anankiray isika.Select Acts 27:26

27Ary tamin’ ny alina fahefatra ambin’ ny folo, raha navezimbezina tany Adria izahay, nony namatonalina dia nataon’ ny matilo fa efa manakaiky tany izy;Select Acts 27:27

28dia nanaka-drano izy ka hitany fa faharoa-polo refy; ary nony nandrosoroso kokoa izy, dia nanaka-drano indray ka hitany fa fahadimy ambin’ ny folo refy.Select Acts 27:28

29Dia natahotra izahay, fandrao hidona amin’ ny harambato, ka dia nandatsaka vatofantsika efatra teo am-bodisambo ary naniry ny andro ho maraina.Select Acts 27:29

30Fa raha nitady handositra hiala tamin’ ny sambo ny matilo ka efa nampidina ny salopy teo amin’ ny ranomasina izy, nody handatsaka vatofantsika eo an-doha-sambo,Select Acts 27:30

31dia hoy Paoly tamin’ ny kapiteny sy ny miaramila: Raha tsy mitoetra eto an-tsambo ireo, dia tsy azo vonjena ianareo.Select Acts 27:31

32Dia notapahin’ ny miaramila ny mahazaka rehetra tamin’ ny salopy, ka navelany ho latsaka.Select Acts 27:32

33Ary raha mbola tsy nazava ny andro, dia niangavy tamin’ ny olona rehetra Paoly mba hihinan-kanina ka nanao hoe: Anio no fahefatra ambin’ ny folo andro niandrasanareo, sady nahari-noana ianareo ka tsy nihinana.Select Acts 27:33

34Koa mananatra anareo aho hihinan-kanina, fa izany no isan’ ny hamonjena anareo; ary tsy hisy ho very aminareo rehetra na dia singam-bolo iray akory aza.Select Acts 27:34

35Ary rehefa nilaza izany izy sady nandray mofo, dia nisaotra an’ Andriamanitra teo anatrehan’ ny olona rehetra; ary rehefa novakiny, dia nihinana izy.Select Acts 27:35

36Dia nahazo toky izy rehetra ka nihinana koa.Select Acts 27:36

37Ary izahay rehetra teo anaty sambo dia olona enina amby fito-polo amby roan-jato.Select Acts 27:37

38Ary rehefa voky izy, dia nanariany ho any anaty ranomasina ny hanina mba hanamaivana ny sambo.Select Acts 27:38

39Ary rehefa nazava ny andro, dia tsy nahalala ny tany izy, fa nahita helodrano anankiray tsara morona, ka teo no nokasainy hampidonana ny sambo, raha azony atao.Select Acts 27:39

40Ary rehefa nesoriny avokoa ny vatofantsika, dia navelany ho any an-dranomasina, ary novahany koa ny kofehin’ ny familian-tsambo dia namelatra ny lay anoloana izy ho azon’ ny rivotra ka nanatona ny tany.Select Acts 27:40

41Ary raha tonga tamin’ izay nisy fihaonan-dranomasina izy, dia navelany hidona tamin’ ny tany ny sambo; ary ny loha-sambo nihizina ka nitoetra tsy nihetsika, fa ny vodi-sambo kosa dia vakivaky azon’ ny herin’ ny onja.Select Acts 27:41

42Ary ny miaramila nanao tetika hamono ny mpifatotra, fandrao hisy hilomano ireo ka ho afaka.Select Acts 27:42

43Fa ny kapiteny ta-hamonjy an’ i Paoly, dia nisakana azy tsy hanao izay nokasainy; fa izay nahay nilomano no nasainy hirotsaka aloha ka hilomano ho any amin’ ny tany,Select Acts 27:43

44ary ny sisa dia samy hanao izay hahafaka azy, na amin’ ny hazo fisaka, na amin’ ny zavatra avy amin’ ny sambo. Dia tonga soa aman-tsara teny an-tanety avokoa izy rehetra.Select Acts 27:44

Next: Acts 28Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Acts

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.