Skip to content
Church.wiki
Acts

Acts 28

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary rehefa voavonjy izahay, vao fantatray fa Melita no anaran’ ilay nosy.Select Acts 28:1

2Ary tsy kely ny soa nasehon’ ny tompon-tany taminay; fa namelona afo izy ka nandray tsara anay rehetra, satria nilatsaka tamin’ izay ny ranonorana, sady nangatsiaka ny andro.Select Acts 28:2

3Dia namory kitay hazo iray trotroana Paoly ka nanohoka izany teo amin’ ny afo; ary nisy menarana nivoaka avy tamin’ ny afo ka niraikitra tamin’ ny tànany.Select Acts 28:3

4Ary raha hitan’ ny tompon-tany ny biby niraikitra tamin’ ny tànany, dia niresaka hoe izy: Mpamono olona tokoa io lehilahy io, ka na dia voavonjy tamin’ ny ranomasina aza izy, tsy avelan’ ny todin’ aina ho velona.Select Acts 28:4

5Fa nakifiny ho eo amin’ ny afo ilay biby, ka tsy nisy naninona izy na dia kely akory aza.Select Acts 28:5

6Ary ny olona kosa nanampo azy hivonto, na hikarapoka ho faty tampoka; fa rehefa niandry ela izy ka nahita fa tsy nisy na inona na inona nanjo an’ i Paoly, dia niova saina izy ka nanao hoe: andriamanitra io.Select Acts 28:6

7Ary teo akaikin’ io dia nisy sahan’ i Popilo, mpanapaka ny nosy, izay nandray anay ka nampiantrano anay tsara hateloana.Select Acts 28:7

8Ary nararin’ ny tazo sady nivalan-drà ny rain’ i Popilo; ary Paoly niditra teo aminy ka nivavaka sady nametra-tanana taminy, dia nahasitrana azy.Select Acts 28:8

9Ary rehefa vita izany, dia tonga koa ny sasany izay narary teo amin’ ny nosy, ka dia sitrana.Select Acts 28:9

10Ary voninahitra be no nomen’ ny olona anay; ary rehefa handeha izahay, dia novatsiany tsara.Select Acts 28:10

11Ary rehefa afaka telo volana, dia niondrana izahay tamin’ ny sambon’ Aleksandria, izay efa nandany ny ririnina teo amin’ izany nosy izany sady nisy sarin’ ny Zaza Kambana.Select Acts 28:11

12Ary rehefa nitody tany Syrakosa izahay, dia nitoetra teo hateloana.Select Acts 28:12

13Ary nony niala teo izahay, dia nisompirana nankany Regioma; ary rehefa afaka indray andro, dia nifofofofo avy any atsimo ny rivotra, koa nony ampitso dia tonga tao Potioly izahay;Select Acts 28:13

14tao no nahitanay ny rahalahy sasany, ary izy niangavy anay hitoetra tao aminy hafitoana. Ary toy izany no nandrosoanay nankany Roma.Select Acts 28:14

15Ary nony nahare ny dianay ny rahalahy tany, dia tonga izy nitsena anay hatrany amin’ ny Tsenan’ Apio sy ny Tranombahiny Telo; raha nahita azy Paoly, dia nisaotra an’ Andriamanitra izy ka nahazo toky.Select Acts 28:15

16Ary rehefa tonga tany Roma izahay, Paoly dia navelany hitoetra mitokana teo amin’ ny miaramila anankiray izay niambina azy.Select Acts 28:16

17Ary rehefa afaka hateloana, dia nampanalain’ i Paoly hiangona izay lohandohany tamin’ ny Jiosy; ary rehefa niangona ireo, dia hoy izy taminy: Ry rahalahy, izaho dia mpifatotra avy tany Jerosalema natolotra teo an-tànan’ ny Romana, na dia tsy diso tamin’ ny firenentsika aza, na tamin’ ny fanaon-drazana;Select Acts 28:17

18ary rehefa nanadina ahy mafy ireo, dia saiky nandefa ahy ihany, satria tsy nisy nataoko izay tokony hahafaty ahy.Select Acts 28:18

19Fa raha notoherin’ ny Jiosy izany, dia terỳ aho ka nilaza fa handahatra amin’ i Kaisara, nefa tsy mba toy ny manana teny hiampangako ny fireneko tsy akory.Select Acts 28:19

20Ary izany zavatra izany no nampanalako anareo, hahitako anareo sy hiresahako aminareo; fa noho ny fanantenan’ ny Isiraely no ifatorako amin’ ity gadra ity.Select Acts 28:20

21Ary hoy izy ireo taminy; Izahay tsy mbola nahazo taratasy avy tany Jodia milaza anao, ary tsy mbola nisy rahalahy izay nankaty nanambara na nilaza ratsy anao;Select Acts 28:21

22fa tianay ho re aminao izay hevitrao; fa ny amin’ izany antoko izany dia fantatray fa efa ratsy laza eny tontolo eny izy.Select Acts 28:22

23Ary rehefa nanao fotoana taminy ireo, dia maro no nankeo aminy tao an-trano nitoerany; ary izy nilaza sy nanambara taminy ny fanjakan’ Andriamanitra hatramin’ ny maraina ka hatramin’ ny hariva, ary ny teny eo amin’ ny lalàn’ i Mosesy sy ny mpaminany no nitaomany azy hino an’ i Jesosy.Select Acts 28:23

24Ary ny sasany nino izay nolazainy, fa ny sasany kosa tsy mba nino.Select Acts 28:24

25Ary raha tsy niray saina ireo dia niala, rehefa nanao teny indraim-bava Paoly hoe: Marina izay nampilazain’ ny Fanahy Masìna an’ Isaia mpaminany tamin’ ny razanareoSelect Acts 28:25

26manao hoe: Mandehana any amin’ ity firenena ity ianao, ka lazao hoe: Mba hahare mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahalala; Ary mba hijery mandrakariva ihany ianareo, fa tsy hahita;Select Acts 28:26

27Fa efa adala ny fon’ ireo olona ireo, ary efa lalodalovana ny sofiny, ary efa nakimpiny ny masony, Fandrao hahita ny masony, sy handre ny sofiny, ary hahalala ny fony, dia hibebaka izy, ka hahasitrana azy Aho..Select Acts 28:27

28Koa aoka ho fantatrareo fa izao famonjen’ Andriamanitra izao dia nampitondraina ho any amin’ ny jentilisa, ary izy hihaino azy.Select Acts 28:28

29​Select Acts 28:29

30Ary Paoly nitoetra roa taona ngarangidina tao an-trano nohofany ka nandray tsara izay rehetra nankeo aminy,Select Acts 28:30

31dia nitory ny fanjakan’ Andriamanitra ka nampianatra ny amin’ i Jesosy Kristy Tompo tamin’ ny fahasahiana be, ary tsy nisy fisakanana.Select Acts 28:31

Next: Romans 1Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Acts

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.