Skip to content
Church.wiki
Amos

Amos 1

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ny tenin’ i Amosa, izay isan’ ny mpiandry ondry tao Tekoa, dia izay hitany ny amin’ ny Isiraely tamin’ ny andro nanjakan’ i Ozia, mpanjakan’ ny Joda, sy tamin’ ny andro nanjakan’ i Jeroboama, zanak’ i Joasy, mpanjakan’ ny Isiraely, roa taona talohan’ ny horohorontany.Select Amos 1:1

2Ary hoy izy: Jehovah mierona ao Ziona ary mampikotroka any Jerosalema; Ny saha fiandrasana ondry dia mitomany ary maina ny tampon’ i Karmela.Select Amos 1:2

3Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Damaskosy, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria kodia vy no nivelezany an’ i Gileada;Select Amos 1:3

4Fa haterako afo ny tranon’ i Hazaela, ka handevona ny tranoben’ i Beni-hadada izany.Select Amos 1:4

5Hotorotoroiko koa ny hidin’ i Damaskosy, ary hofoanako tsy hisy mponina ny lohasahan’ i Avena, ary Bet-edena tsy hisy hitana tehina fanapahana; Ary ny vahoakan’ i Syria dia ho lasan-ko babo any Kira, hoy Jehovah.Select Amos 1:5

6Izao no lazain’ i Jehovah: Noho ny fahotana telon’ i Gaza, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria lasany ho babo avika ny olona hatolony ho any Edoma;Select Amos 1:6

7Fa haterako afo ny mandan’ i Gaza, ka handevona ny tranobeny izany;Select Amos 1:7

8Ary hofoanako Asdoda tsy hisy mponina, ary Askelona tsy hisy hitana tehina fanapahana; Dia haveriko ny tanako hamely an’ i Ekrona, ka ho faty izay sisa amin’ ny Filistina, hoy Jehovah TompoSelect Amos 1:8

9Izao no lazain’ i Jehovah: noho ny fahotana telon’ i Tyro, eny efatra aza, dia tsy havelako izy, satria natolony ho any Edoma ny babo rehetra, ary tsy notsarovany ny fanekem-pirahalahiana;Select Amos 1:9

10Fa haterako afo ny mandan’ i Tyro, ka handevona ny tranobeny izanySelect Amos 1:10

11Izao no lazain’ i Jehovah: noho ny fahotana telon’ i Edoma, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria nanenjika ny rahalahiny tamin’ ny sabatra izy, ka nofoanany ny fiantrany, ny fahatezerany dia namiravira mandrakariva, ary ny fahavinirany notehiriziny lalandava;Select Amos 1:11

12Fa haterako afo ao Temana, ka handevona ny tranoben’ i Bozra izanySelect Amos 1:12

13Izao no lazain’ i Jehovah: noho ny fahotana telon’ ny taranak’ i Amona, eny, efatra aza, dia tsy havelako izy, satria notatahany izay bevohoka tao Gileada, hanitarany ny fari-taniny;Select Amos 1:13

14Fa hampirehitra afo ao amin’ ny mandan’ i Raba Aho, ka handevona ny tranobeny izany, sady hisy akora amin’ ny andro iadiana sy rivo-mahery amin’ ny andron’ ny tadio;Select Amos 1:14

15Dia ho lasan-ko babo ny mpanjakany mbamin’ ireo mpanapaka rehetra ao aminy, hoy Jehovah.Select Amos 1:15

Next: Amos 2Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Amos

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.