Amos 3
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Henoy izao teny izao, izay lazain’ i Jehovah ny aminareo, ry Zanak’ Isiraely, dia ny amin’ io taranaka rehetra nentiko niakatra avy tany amin’ ny tany Egypta io:Select Amos 3:1
2Hianareo ihany no fantatro tamin’ ny firenena rehetra ambonin’ ny tany, koa noho izany dia hovaliako ianareo noho ny helokareo rehetra.Select Amos 3:2
3Ho tafara-dalana va ny roa, raha tsy efa nifanaiky?Select Amos 3:3
4Mierona any an’ ala va ny liona, raha tsy mahita toha? Manerona ao an-davany va ny liona tanora, raha tsy mahazo zavatra?Select Amos 3:4
5Voan’ ny fandrika etỳ an-tany va ny vorona, raha tsy nisy tadivavarana? Mikatona va ny fandrika, raha tsy mahavoa zavatra?Select Amos 3:5
6Tsofina va ao an-tanàna ny anjomara, ka tsy hatahotra ny vahoaka? Misy loza ao an-tanàna va, raha tsy Jehovah no nahatonga izany?Select Amos 3:6
7Tsy manao na inona na inona tokoa Jehovah Tompo, raha tsy milaza ny heviny amin’ ny mpaminany mpanompony.Select Amos 3:7
8Ny liona no mierona, ka iza no tsy hatahotra? Jehovah Tompo no miteny, ka iza no tsy haminany?Select Amos 3:8
9Ambarao ao an-tranoben’ i Asdoda sy ao an-tranobe any amin’ ny tany Egypta, ka ataovy hoe: Miangona any an-tendrombohitr’ i Samaria ianareo, ary jereo ny tabataba be ao aminy sy ny fampahoriana ao anatiny.Select Amos 3:9
10Fa tsy mahalala hanao ny marina izy ireo, hoy Jehovah, dia ireo izay mitahiry fandozana sy roba ao an-tranobeny.Select Amos 3:10
11Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: He, misy fahavalo manodidina ny tany! Hazerany ho afaka aminao ny herinao, ary hobaboina ny tranobenao.Select Amos 3:11
12Izao no lazain’ i Jehovah: Toy ny famonjin’ ny mpiandry ondry ny tongotr’ ondry roa na ny sombin-tsofina eny am-bavan’ ny liona, dia toy izany no ho famonjy ny Zanak’ Isiraely, izay mipetraka ao Samaria, eo an-jorom-parafara sy eo amin’ ny lamba fandriandriana avy any Damaskosy.Select Amos 3:12
13Henoinareo, ka ambarao hamelezana ny taranak’ i Jakoba, hoy ny Tompo, Jehovah, Andriamanitry ny maro:Select Amos 3:13
14Amin’ ny andro hamaliako ny Isiraely noho ny fahotana ao aminy no hamaliako ny alitara ao Betela dia hokapaina ny tandroky ny alitara ka hianjera amin’ ny tany.Select Amos 3:14
15Hamely ny trano ririnina sy ny trano fahavaratra Aho; Ary ho rava ny trano ivory, sady ho fongana ny trano maro, hoy Jehovah.Select Amos 3:15
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain