Amos 5
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Henoinareo izao teny izao, izay entiko milaza anareo, dia hira fahalahelovana, ry taranak’ Isiraely;Select Amos 5:1
2Lavo Isiraely virijina ka tsy hahatsangana intsony; Nazera tamin’ ny taniny izy, ka tsy misy mangana azy.Select Amos 5:2
3Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Izay tanàna namoaka arivo, dia, indreo, zato monja no sisa: ary izay namoaka zato, dia, indreo, folo monja no sisa ho an’ ny taranak’ Isiraely.Select Amos 5:3
4Fa izao no lazain’ i Jehovah amin’ ny taranak’ Isiraely; Tadiavo Aho, dia ho velona ianareo;Select Amos 5:4
5Fa aza mitady an’ i Betela, na mankany Gilgala, ary aza mandroso ho any Beri-sheba; Fa ho babo tokoa Gilgala, ary Betela dia ho tonga tsinontsinona.Select Amos 5:5
6Mitadiava an’ i Jehovah, dia ho velona ianareo; Fandrao hilatsaka toy ny afo mandevona amin’ ny taranak’ i Josefa Izy, ary Betela tsy hanana izay hahafaty ny afo,Select Amos 5:6
7Dia ianareo izay mamadika ny rariny ho zava-mahafaty ary mampiongana ny fahamarinana ho eo amin’ ny tany.Select Amos 5:7
8Ilay nanao an’ Ikotokelimiadilaona sy ny Telonohorefy, ary mampody ny aloky ny fahafatesana ho maraina sy manamaizina ny andro ho alina, dia ilay miantso ny rano ao an-dranomasina ka mandatsaka azy amin’ ny tany: Jehovah no anarany,Select Amos 5:8
9Dia Ilay mampitselatra fandravana hamely ny mahery, ka dia mihatra amin’ ny tanàna mimanda ny fandravana.Select Amos 5:9
10Halany eo am-bavahady izay mananatra, ary ataony ho fahavetavetana izay miteny ny marina.Select Amos 5:10
11Koa noho ny fanitsakitsahanareo ny mahantra sy ny nampandoavanareo vary azy, dia mba nanao trano vato voapaika ihany ianareo, nefa tsy hitoetra ao aminy; Namboly tanim-boaloboka mahafinaritra ihany ianareo, nefa tsy hisotro ny divay avy aminy.Select Amos 5:11
12Fa fantatro fa be ny helokareo, ary fatratra ny fahotanareo: Mampahory ny marina sy mandray kolikoly ianareo ary mamadika ny malahelo eo am-bavahady.Select Amos 5:12
13Koa izay manan-tsaina dia hangina amin’ izao andro izao, fa andro mampahory izao.Select Amos 5:13
14Ny tsara no tadiavo, fa aza ny ratsy, mba ho velona ianareo; Ka dia homba anareo Jehovah, Andriamanitry ny maro, araka izay efa nolazainareo.Select Amos 5:14
15Ankahalao ny ratsy, ka tiavo ny tsara, ary aoreno eo am-pitsarana ny rariny; Angamba Jehovah, Andriamanitry ny maro, hamindra fo amin’ izay sisa amin’ i Josefa.Select Amos 5:15
16Koa izao no lazain’ i Jehovah Tompo, Andriamanitry ny maro: Eny an-kalalahana rehetra dia hisy fisaonana, ary eny an-dalambe rehetra dia hisy hanao hoe: Indrisy! Indrisy! Ary hiantso ny mpiasa tany hitomany izy, ary izay mahay hira fisaonana dia hantsoiny hanao.Select Amos 5:16
17Ary any amin’ ny tanim-boaloboka rehetra dia hisy fisaonana; Fa handeha hamaky eo aminao Aho, hoy Jehovah.Select Amos 5:17
18Lozan’ izay maniry ny andron’ i Jehovah! Hataonareo inona moa ny andron’ i Jehovah? Dia aizina, fa tsy fahazavana,Select Amos 5:18
19Tahaka ny olona mandositra ny liona ka sendra ny bera, ary rehefa tafiditra ao an-trano ka mitehin-tanana amin’ ny rindrina, dia kekerin’ ny menarana.Select Amos 5:19
20Moa tsy aizina va ny andron’ i Jehovah, fa tsy fahazavana? Tsy aizim-pito tsy misy mangirana akory va izany?Select Amos 5:20
21Halako, eny, laviko ny andro firavoravoanareo, ary tsy ho hanitra ankasitrahana amiko ny fivorianareo masìna.Select Amos 5:21
22Na dia ateranareo fanatitra dorana sy fanatitra hohanina aza Aho, dia tsy sitrako izany; Ny zanak’ omby mifahy aterinareo ho fanati-pihavanana dia tsy hojereko akory.Select Amos 5:22
23Atsaharo ny finaonaonan’ ny hiranareo, fa maharenina Ahy; Fa tsy hihaino ny fanenon’ ny lokanganareo Aho.Select Amos 5:23
24Ary aoka ny fitsarana hanalonalona toy ny rano, ary ny fahamarinana toy ny renirano tsy mety ritra.Select Amos 5:24
25Moa efa nanatitra fanatitra hohanina sy fanatitra alatsa-drà ho Ahy tany an-efitra efa-polo taona va ianareo, ry taranak’ i Isiraely?Select Amos 5:25
26Tsia, fa ny nitondra ny tabernakelin’ ny mpanjakanareo sy ny fipetrahan’ ny sampinareo ihany no nataonareo, dia ny kintan’ ny andriamanitrareo, izay nataonareo ho anareoSelect Amos 5:26
27Ka dia ho entiko ho babo any ankoatr’ i Damaskosy ianareo, hoy Jehovah, Andriamanitry ny maro no anarany.Select Amos 5:27
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain