Skip to content
Church.wiki
Colossians

Colossians 1

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Paoly, Apostolin’ i Kristy Jesosy noho ny sitrapon’ Andriamanitra, ary Timoty rahalahy,Select Colossians 1:1

2mamangy ny olona masìna any Kolosia, dia ny rahalahy mahatoky ao amin’ i Kristy: ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’ Andriamanitra Raintsika.Select Colossians 1:2

3Misaotra an’ Andriamanitra, Rain’ i Jesosy Kristy Tompontsika, izahay amin’ ny fangatahanay mandrakariva ho anareo,Select Colossians 1:3

4rehefa renay ny finoanareo an’ i Kristy Jesosy sy ny fitiavanareo ny olona masìna rehetra,Select Colossians 1:4

5noho ny fanantenana izay tehirizina any an-danitra ho anareo, dia ilay efa renareo fahiny tamin’ ny tenin’ ny fahamarinan’ ny filazantsara,Select Colossians 1:5

6izay efa mby eo aminareo, tahaka ny eny amin’ izao tontolo izao koa, sady vokatra sy mitombo tahaka ny eo aminareo koa hatramin’ ny andro nandraisanareo sy nahalalanareo tsara ny fahasoavan’ Andriamanitra araka ny marina;Select Colossians 1:6

7tahaka ny efa renareo tamin’ i Epafra, mpanompo namanay sady malala, izay mpanompon’ i Kristy mahatoky ho anay,Select Colossians 1:7

8sady efa nanambara taminay koa ny fitiavanareo ao amin’ ny Fanahy.Select Colossians 1:8

9Ary noho izany izahay koa hatramin’ ny andro nandrenesanay dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo, mba hofenoina fahalalana tsara ny sitrapony ianareo amin’ ny fahendrena sy ny fahazavan-tsaina rehetra avy amin’ ny Fanahy,Select Colossians 1:9

10mba handehananareo miendrika ny Tompo, hanaovana ny sitrapony amin’ ny zavatra rehetra, dia mahavokatra amin’ ny asa tsara rehetra sady mitombo amin’ ny fahalalana tsara an’ Andriamanitra,Select Colossians 1:10

11ary ampahatanjahina amin’ ny hery rehetra araka ny herin’ ny voninahiny ho amin’ ny faharetana rehetra sy ny fandeferana amin’ ny hafaliana,Select Colossians 1:11

12ka misaotra ny Ray, Izay nampahamendrika antsika hanana anjara amin’ ny lovan’ ny olona masìna eo amin’ ny mazava,Select Colossians 1:12

13sady nahafaka antsika tamin’ ny fahefan’ ny maizina ka namindra antsika ho amin’ ny fanjakan’ ny Zanany malalany,Select Colossians 1:13

14Izay ananantsika fanavotana, dia ny famelana ny helotsika.Select Colossians 1:14

15Izy no endrik’ Andriamanitra tsy hita, ny Lahimatoa talohan’ izao zavatra ary rehetra izao;Select Colossians 1:15

16fa tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy etỳ ambonin’ ny tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana, na fanapahana, na fahefana, Izy no nahariana ny zavatra rehetra, sady ho Azy izany;Select Colossians 1:16

17ary Izy no talohan’ ny zavatra rehetra, sady ao aminy no aharetan’ ny zavatra rehetra.Select Colossians 1:17

18Ary Izy no Lohan’ ny tena, dia ny fiangonana; Izy no voalohany, dia ny Lahimatoa tamin’ ny maty, mba ho Lohany amin’ ny zavatra rehetra Izy.Select Colossians 1:18

19Fa sitraky ny Ray ho ao aminy no hitoeran’ ny fahafenoana rehetra,Select Colossians 1:19

20sady Izy no hampihavanany ny zavatra rehetra aminy, ka dia ny ràny teo amin’ ny hazo fijaliana no nanaovany fampihavanana ― eny, Izy, hoy izaho, no fampihavanana izany, na ny etỳ ambonin’ ny tany, na ny any an-danitra.Select Colossians 1:20

21Ary ianareo, izay olon-ko azy fahiny sy fahavalo tamin’ ny sainareo noho ny fanaovan-dratsy, no efa nampihavaniny ankehitrinySelect Colossians 1:21

22tao amin’ ny tenan’ ny nofony, tamin’ ny fahafatesana, mba hatolony ho masìna sady tsy hanan-tsiny amam-pondro eo anatrehany,Select Colossians 1:22

23raha maharitra amin’ ny finoana ianareo ka mafy orina sady tafatoetra ary tsy mety hafindra hiala amin’ ny fanantenana avy amin’ ny filazantsara, izay efa renareo sady notorina eny ambanin’ ny lanitra rehetra eny; ary izany no nanaovana ahy Paoly ho mpanompo.Select Colossians 1:23

24Ankehitriny dia mifaly amin’ ny fiaretako ho anareo aho, ary mahatanteraka ao amin’ ny nofoko izay tsy vita tamin’ ny fahorian’ i Kristy ho an’ ny tenany, dia ny fiangonana,Select Colossians 1:24

25izay nanaovana ahy ho mpanompo araka ny fitondran’ Andriamanitra nomena ahy ho anareo, hahatanteraka ny fitoriana ny tenin’ Andriamanitra,Select Colossians 1:25

26dia ny zava-miafina, ilay voàfina hatramin’ ny fahagola sy ny taranaka maro, fa voaseho ankehitriny amin’ ny olony masìna,Select Colossians 1:26

27izay efa tian’ Andriamanitra ho nampahafantarina ny haren’ ny voninahitr’ ity zava-niafina ity any amin’ ny jentilisa, dia Kristy ao anatinareo, Izay fanantenana ny voninahitra;Select Colossians 1:27

28Izy no torinay, ka samy anarinay sy ampianarinay amin’ ny fahendrena rehetra ny olona rehetra, mba samy hatolotray ho tanteraka ao amin’ i Kristy izy rehetra.Select Colossians 1:28

29Ary ny hahatanteraka izany no ikelezako aina koa sy iezahako fatratra araka ny fiàsan’ ny herin’ ilay miasa mahery ato anatiko.Select Colossians 1:29

Next: Colossians 2Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Colossians

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.