Colossians 3
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Koa raha niara-natsangana tamin’ i Kristy ianareo, dia katsaho ny zavatra any ambony, any amin’ ny itoeran’ i Kristy, Izay mipetraka eo an-tanana ankavanan’ Andriamanitra.Select Colossians 3:1
2Saino ny zavatra any ambony, fa tsy ny zavatra etỳ an-tany.Select Colossians 3:2
3Fa efa maty ianareo, ary ny fiainanareo miara-miafina amin’ i Kristy ao amin’ Andriamanitra.Select Colossians 3:3
4Raha hiseho Kristy fiainantsika, dia hiara-miseho aminy koa amin’ ny voninahitra ianareo.Select Colossians 3:4
5Koa vonoy ny momba ny tenanareo izay etỳ an-tany, dia fijangajangana, fahalotoana, firehetam-po, fanirian-dratsy ary fieremana, dia fanompoan-tsampy izany;Select Colossians 3:5
6fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ ny zanaky ny tsi-fanarahana;Select Colossians 3:6
7izany koa no nalehanareo fahiny, fony mbola velona taminy ianareo.Select Colossians 3:7
8Fa ankehitriny, esory koa izao rehetra izao, dia fahatezerana, fiafonafonana, lolompo, fitenenan-dratsy, teny mahamenatra avy amin’ ny vavanareo.Select Colossians 3:8
9Aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny toetra taloha mbamin’ ny asany;Select Colossians 3:9
10ary efa notafinareo ny toetra vaovao, izay havaozina ho amin’ ny fahalalana tsara araka ny endrik’ izay nahary azy.Select Colossians 3:10
11Fa amin’ izany dia tsy misy jentilisa sy Jiosy, na voafora sy tsy voafora, na barbariana sy Skytiana, na andevo sy tsy andevo, fa Kristy no zavatra rehetra sady amin’ ny rehetra.Select Colossians 3:11
12Koa mitafia famindram-po sy fiantrana, fahamoram-panahy, fanetren-tena, fahalemem-panahy, fandeferana, araka ny olom-boafidin’ Andriamanitra sady masìna no malala.Select Colossians 3:12
13Mifandefera, ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin’ ny sasany; tahaka ny namelan’ ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa.Select Colossians 3:13
14Ary aoka ho ambonin’ izany rehetra izany ny fitiavana, fa fehin’ ny fahatanterahana izany.Select Colossians 3:14
15Ary aoka hanapaka ao am-ponareo ny fiadanan’ i Kristy, fa ho amin’ izany no niantsoana anareo ho tena iray; ary aoka ho feno fisaorana ianareo.Select Colossians 3:15
16Aoka ny tenin’ i Kristy hitoetra betsaka ao aminareo amin’ ny fahendrena rehetra, dia mifampianara ka mifananara amin’ ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, mihira amin’ ny fahasoavana ao am-ponareo ho an’ Andriamanitra.Select Colossians 3:16
17Ary na inona na inona no ataonareo, na amin’ ny teny, na amin’ ny asa, dia ataovy amin’ ny anaran’ i Jesosy Tompo izany, ka misaora Andriamanitra Ray amin’ ny alalany.Select Colossians 3:17
18Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo araka izay mety hatao ao amin’ ny Tompo.Select Colossians 3:18
19Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, ary aza sosotra aminy.Select Colossians 3:19
20Hianareo zanaka, maneke ny ray aman-dreninareo amin’ ny zavatra rehetra; fa ankasitrahana ao amin’ ny Tompo izany.Select Colossians 3:20
21Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy.Select Colossians 3:21
22Hianareo mpanompo, maneke ny tomponareo araka ny nofo amin’ ny zavatra rehetra, tsy amin’ ny fanompoana eo imaso, tahaka ny mpila sitraka amin’ olona, fa amin’ ny fahatsoram-po, matahotra ny Tompo;Select Colossians 3:22
23ary na inona na inona no ataonareo, dia ataovy amin’ ny fo, tahaka ny ho an’ ny Tompo, fa tsy ho an’ olona,Select Colossians 3:23
24satria fantatrareo fa ny Tompo no handraisanareo ny lova ho valiny; fa manompo an’ i Kristy Tompo ianareo.Select Colossians 3:24
25Fa izay manao ny tsy marina dia handray araka ny tsy marina nataony; fa tsy misy fizahan-tavan’ olona,Select Colossians 3:25
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation