Skip to content
Church.wiki
Deuteronomy

Deuteronomy 15

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary isam-pito taona dia manaova fanafahana ianao.Select Deuteronomy 15:1

2Ary izao no ho fomban’ ny fanafahana: Ny tompon-trosa rehetra izay nampanàna vola tamin’ ny namany dia hamoy izany; tsy hanery ny namany izay rahalahiny handoa izy, satria efa voantso ny fanafahan’ i Jehovah.Select Deuteronomy 15:2

3Ny olona hafa firenena ihany no azonao terena handoa; fa izay anao amin’ ny rahalahinao kosa dia hafoinao;Select Deuteronomy 15:3

4kanefa tsy dia hisy olo-malahelo eo aminao, fa hitahy anao tokoa Jehovah eo amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao,Select Deuteronomy 15:4

5raha mihaino tsara ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka mitandrina hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio.Select Deuteronomy 15:5

6Fa Jehovah Andriamanitrao hitahy anao araka izay nolazainy taminao; ary hampisambotra ny firenena maro ianao, fa ianao kosa tsy hisambotra; ary hanapaka firenena maro ianao, fa izy kosa tsy mba hanapaka anao.Select Deuteronomy 15:6

7Raha misy malahelo ny rahalahinao ao an-tanànanao anankiray amin’ ny taninao izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao, amin’ ny rahalahinao malahelo;Select Deuteronomy 15:7

8fa sokafy tsara aminy ny tananao, ka ampisambory izay ilainy, araka izay mahory azy.Select Deuteronomy 15:8

9Mitandrema fandrao hisy hevi-dratsy ao am-ponao manao hoe: Antomotra ny taona fahafito, dia ny taom-panafahana; ary ho ratsy fijery ny rahalahinao malahelo ianao, ka tsy hanome azy akory ianao; ary hitaraina amin’ i Jehovah hiampanga anao Izy, ka dia ho fahotanao izany.Select Deuteronomy 15:9

10Omeo tokoa izy, ary aoka tsy halahelo ny fonao raha manome azy, satria izany zavatra izany no hitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao amin’ ny asanao rehetra sy amin’ izay rehetra ataon’ ny tananao.Select Deuteronomy 15:10

11Fa ny tany tsy ilaozan’ olo-malahelo, koa izany no andidiako anao hoe: Sokafy tsara amin’ ny rahalahinao ny tananao, dia amin’ ny malahelo sy ny mahantra eo amin’ ny taninao.Select Deuteronomy 15:11

12Raha hamidy aminao ny namanao, na lehilahy Hebreo, na vehivavy Hebreo, ka efa nanompo anao enin-taona, dia hovotsoranao ho afaka izy amin’ ny taona fahafito.Select Deuteronomy 15:12

13Ary raha hovotsoranao ho afaka izy, dia tsy havelanao handeha fotsiny;Select Deuteronomy 15:13

14fa hisy hampitondrainao azy avy amin’ ny ondry aman’ osinao ary avy amin’ ny famoloanao sy ny famiazanao: araka izay efa nitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao no hanomezanao azy.Select Deuteronomy 15:14

15Ary tsarovy fa andevo tany amin’ ny tany Egypta ianao, nefa Jehovah Andriamanitrao efa nanavotra anao, koa izany no andidiako anao izao zavatra izao anio.Select Deuteronomy 15:15

16Kanefa raha hoy izy aminao: Tsy hiala aminao aho, satria tsy foiny ianao sy ny ankohonanao, ka finaritra aminao izy,Select Deuteronomy 15:16

17dia halainao ny haolo ka hotevehinao amin’ ny varavarana ny sofiny, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. Ary toy izany koa no hataonao amin’ ny ankizivavinao.Select Deuteronomy 15:17

18Aza ataonao ho sarotra ny hamotsotra azy ho afaka, fa indroa toraka ny karaman’ ny mpikarama no azonao tamin’ ny nanompoany anao enin-taona; dia hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin’ izay rehetra ataonao.Select Deuteronomy 15:18

19Ny lahy rehetra amin’ ny voalohan-teraky ny ombinao sy ny ondry aman’ osinao dia hohamasininao ho an’ i Jehovah Andriamanitrao; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny voalohan-teraky ny ondry aman’ osinao.Select Deuteronomy 15:19

20Eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao no hihinananao sy ny ankohonanao azy isan-taona isan-taona eo amin’ ny fitoerana izay hofidin’ i Jehovah.Select Deuteronomy 15:20

21Fa raha misy kilemany izy: na mandringa, na jamba, na izay kilema ratsy hafa akory, dia aza vonoinao hatao fanatitra ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ireny.Select Deuteronomy 15:21

22Ao an-tanànanao ihany no hihinananao ireny; na ny olona maloto na ny madio dia samy mahazo mihinana azy, tahaka ny ahazoany mihinana ny gazela sy ny diera.Select Deuteronomy 15:22

23Kanefa ny ràny no aza hanina, fa aidino amin’ ny tany toy ny rano.Select Deuteronomy 15:23

Next: Deuteronomy 16Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Deuteronomy

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.