Skip to content
Church.wiki
Deuteronomy

Deuteronomy 16

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Tandremo ny volana Abiba, ka ataovy ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrao fa tamin’ ny volana Abiba no nitondran’ i Jehovah Andriamanitrao anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny alina.Select Deuteronomy 16:1

2Ary vonoy ny Paskan’ i Jehovah Andriamanitrao, dia ondry aman’ osy sy omby, eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah hampitoerany ny anarany.Select Deuteronomy 16:2

3Aza ny mofo misy masirasira no haninao aminy; hafitoana no hihinananao mofo tsy misy masirasira, dia mofom-pahoriana, fa tampoka no nivoahanao avy tany amin’ ny tany Egypta, mba hotsarovanao amin’ ny andro rehetra hiainanao ny andro izay nivoahanao avy tany amin’ ny tany Egypta.Select Deuteronomy 16:3

4Ary aoka tsy hisy masirasira eo aminao ao anatin’ ny fari-taninao rehetra hafitoana; ary aoka tsy hisy hitoetra miloaka alina ny henan’ ny fanatitra izay novonoinao tamin’ ny harivan’ ny andro voalohany.Select Deuteronomy 16:4

5Tsy hisy azonao hamonoana ny Paska ny tanànanao rehetra izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao;Select Deuteronomy 16:5

6fa eo amin’ ny fitoerana izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany no hamonoanao azy rehefa hariva tokony ho maty masoandro, dia tahaka izay nivoahanao avy tany Egypta.Select Deuteronomy 16:6

7Ary atsatsiho amin’ ny afo izy, ka hano eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao; ary miverena nony maraina, ka modia any amin’ ny lainao.Select Deuteronomy 16:7

8Henemana no hihinananao mofo tsy misy masirasira; fa ny andro fahafito dia fara-fivoriana ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka tsy hanao raharaha ianao amin’ izany.Select Deuteronomy 16:8

9Herinandro fito no hisainao ho anao: hatramin’ ny andro iandohan’ ny fijinjam-bary no hanisanao azy.Select Deuteronomy 16:9

10Ary mitandrema andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ho an’ i Jehovah Andriamanitrao, ka manatera fanati-tsitrapo, izay homenao araka izay itahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao;Select Deuteronomy 16:10

11ary mifalia eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy ary ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita izay ao an-tanànanao mbamin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay eo aminao, dia eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany.Select Deuteronomy 16:11

12Ary tsarovy fa andevo tany Egypta ianao; koa tandremo sy araho ireo didy ireo.Select Deuteronomy 16:12

13Tandremo hafitoana ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo, rehefa nangoninao ny avy amin’ ny famoloanao sy ny famiazanao.Select Deuteronomy 16:13

14Ary mifalia amin’ ny andro firavoravoanao ianao sy ny zanakao-lahy sy ny zanakao-vavy sy ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao ary ny Levita mbamin’ ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izay ao an-tanànanao.Select Deuteronomy 16:14

15Hafitoana no itandremanao andro firavoravoana ho an’ i Jehovah Andriamanitrao eo amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah, satria hitahy anao Jehovah Andriamanitrao amin’ ny vokatrao rehetra sy ny asan-tananao rehetra, ka dia hifaly tokoa ianao.Select Deuteronomy 16:15

16Intelo isan-kerintaona ny lehilahy rehetra aminao no hiseho eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao, eo amin’ ny tany izay hofidiny, dia amin’ ny andro firavoravoana fihinanana mofo tsy misy masirasira sy ny andro firavoravoana manarakaraka ireo herinandro ary ny andro firavoravoana fitoerana amin’ ny trano rantsan-kazo. Ary aoka tsy hisy hiseho foana tsy mitondra fanatitra eo anatrehan’ i Jehovah;Select Deuteronomy 16:16

17fa aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny fitahian’ i Jehovah Andriamanitrao, izay omeny anao.Select Deuteronomy 16:17

18Mifidiana mpitsara sy mpifehy ho anao ao an-tanànanao rehetra, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, araka ny firenenao; dia hitsara ny olona amin’ ny fitsarana marina ireo.Select Deuteronomy 16:18

19Aza manao fitsarana miangatra, aza mizaha tavan’ olona, ary aza mandray kolikoly; fa ny kolikoly mahajamba ny mason’ ny hendry ary mamadika ny tenin’ ny marina.Select Deuteronomy 16:19

20Ny marina dia marina no harahinao, mba ho velona ianao ka handova ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao.Select Deuteronomy 16:20

21Aza manangana hazo ho Aseraha ho anao eo anilan’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao, izay ataonao ho anao.Select Deuteronomy 16:21

22Ary aza manao tsangam-baton-tsampy ho anao; fa halan’ i Jehovah Andriamanitrao izany.Select Deuteronomy 16:22

Next: Deuteronomy 17Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Deuteronomy

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.