Skip to content
Church.wiki
Deuteronomy

Deuteronomy 19

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Rehefa aringan’ i Jehovah Andriamanitrao ny firenen-tsamy hafa, izay tompon’ ny tany omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ary mandresy azy ianao ka monina ao an-tanànany sy ao an-tranony,Select Deuteronomy 19:1

2dia manokàna tanàna telo ho anao eo afovoan’ ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao holovana.Select Deuteronomy 19:2

3Amboary ny lalana, ka zarao ho telo toko ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao holovanao, mba handosiran’ ny mahafaty olona rehetra ao.Select Deuteronomy 19:3

4Ary ny mahafaty olona izay hovelomina, raha mandositra ao, dia ny mahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo alohaSelect Deuteronomy 19:4

5toy ny olona izay miaraka amin’ ny namany ho any an’ ala hikapa hazo, koa manainga ny famaky hikapa ny hazo ny tànany, dia mitsoaka amin’ ny zarany ny lela-famaky, ary mahavoa ny namany ka mahafaty azy, dia aoka handositra ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo izy ka hovelomina;Select Deuteronomy 19:5

6fandrao hanenjika ny nahafaty olona ny mpamaly rà, raha mbola mirehitra ny fony, ka hahatratra azy, noho ny halavitry ny alehany, dia hahafaty azy izy; nefa tsy tokony ho faty izy, satria tsy nankahala ny namany teo aloha.Select Deuteronomy 19:6

7Koa izany no andidiako anao hoe: Manokàna tanàna telo ho anao.Select Deuteronomy 19:7

8Ary raha hitarin’ i Jehovah Andriamanitrao ny fari-taninao, araka izay nianianany tamin’ ny razanao, ka homeny anao ny tany rehetra izay nolazainy homena ny razanaoSelect Deuteronomy 19:8

9(raha hitandrina ianao ka hanaraka izao lalàna rehetra izao, izay andidiako anao anio, ka ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrao, ary handeha mandrakariva amin’ ny lalany), dia hampianao tanàna telo koa ireny telo ireny;Select Deuteronomy 19:9

10mba tsy hisy rà marina alatsaka eo amin’ ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao ho lovanao, ka tsy ho meloka amin’ ny rà ianao.Select Deuteronomy 19:10

11Fa raha misy olona mankahala ny namany ka manotrika azy, ary mitsangana ka mamely mahafaty azy, ary mandositra ho ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo,Select Deuteronomy 19:11

12ny loholona amin’ ny tanànany dia haniraka haka azy ao, dia hanolotra azy eo an-tànan’ ny mpamaly rà, mba hovonoiny ho faty izy.Select Deuteronomy 19:12

13Tsy hiantra azy ny masonao; fa hesorinao tsy ho eo amin’ ny Isiraely ny heloka ny amin’ ny rà marina, mba hahita soa ianao.Select Deuteronomy 19:13

14Aza mamindra ny fari-tanin’ ny namanao, izay efa vitan’ ny razana teo amin’ ny zara-taninao, izay azonao eo amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao holovanao.Select Deuteronomy 19:14

15Raha vavolombelona iray monja, dia aoka tsy hitsangana hiampanga olona ny amin’ izay heloka na ota nataony na inona na inona; fa amin’ ny tenin’ ny vavolombelona roa na telo no hanorenana mafy ny teny.Select Deuteronomy 19:15

16Raha misy vavolombelona mampidi-doza mitsangana hiampanga olona ho nanao ratsy,Select Deuteronomy 19:16

17dia hitsangana eo anatrehan’ i Jehovah izy roa lahy izay miady, dia eo anatrehan’ ny mpisorona sy ny mpitsara amin’ izany andro izany;Select Deuteronomy 19:17

18ary raha hadinin’ ny mpitsara mafy izy ka hitany fa vavolombelona mandainga, fa miampanga lainga ny namany,Select Deuteronomy 19:18

19dia araka izay nokasainy hatao amin’ ny namany no hataonareo aminy; ka dia hofongoranao tsy ho eo aminao ny fanao ratsy.Select Deuteronomy 19:19

20Ary ny olona sisa dia handre izany ka hatahotra ary tsy hanao araka izany ratsy izany eo aminao intsony.Select Deuteronomy 19:20

21Dia tsy hiantra azy ny masonao; fa aina no hataonao solon’ ny aina, maso solon’ ny maso, nify solon’ ny nify, tanana solon’ ny tanana, tongotra solon’ ny tongotra.Select Deuteronomy 19:21

Next: Deuteronomy 20Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Deuteronomy

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.