Deuteronomy 23
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Tsy mahazo maka ny vadin-drainy ny olona, na maniry amin’ izay nandrian-drainy.Select Deuteronomy 23:1
2Tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah izay torotoro vihina, na izay voatapaka ny filahiany.Select Deuteronomy 23:2
3Ny zazasary tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah: na dia hatramin’ ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah.Select Deuteronomy 23:3
4Ny Amonita sy ny Moabita tsy mahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah: na dia hatramin’ ny taranany fahafolo mandimby aza dia tsy hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah hatramin’ ny mandrakizay ireny,Select Deuteronomy 23:4
5satria tsy nitsena hanina sy rano anareo teny an-dalana izy, raha nivoaka avy tany Egypta ianareo, ary satria nanamby an’ i Balama, zanak’ i Beora, avy any Petora any Mesopotamia, hanozona anao izy.Select Deuteronomy 23:5
6Kanefa Jehovah Andriamanitrao tsy nety nihaino an’ i Balama, fa nampody ny fanozonana ho fitahiana anao Izy noho ny fitiavany anao.Select Deuteronomy 23:6
7Aza mitady izay hiadanany na izay hahasoa azy amin’ ny andronao rehetra mandrakizay.Select Deuteronomy 23:7
8Aza atao ho fahavetavetana ny Edomita, fa rahalahinao izy, na ny Egyptiana, fa efa mba vahiny tany amin’ ny taniny ianao.Select Deuteronomy 23:8
9Ny zafiafin’ ireo dia hahazo miditra amin’ ny fiangonan’ i Jehovah.Select Deuteronomy 23:9
10Raha mivoaka hiady amin’ ny fahavalonao ny tafikao, dia mifadia ny ratsy rehetra.Select Deuteronomy 23:10
11Raha misy olona eo aminao, izay tsy madio noho izay nanjo azy tamin’ ny alina, dia hivoaka eny ivelan’ ny toby izy, fa tsy hiditra ao anatiny.Select Deuteronomy 23:11
12Fa rehefa hariva, dia aoka handro amin’ ny rano izy; ary nony tokony ho maty masoandro, dia mahazo miverina eo amin’ ny toby indray izy.Select Deuteronomy 23:12
13Ary aoka hisy tany voafaritrao any ivelan’ ny toby ho fivoahanao;Select Deuteronomy 23:13
14ary mitondrà fantaka miaraka amin’ ny fiadianao, ka raha hipetraka eny ivelany ianao, dia mihadia lavaka amin’ ny fantaka, ka totofy ny fivalananao.Select Deuteronomy 23:14
15Fa Jehovah Andriamanitrao mandeha eo afovoan’ ny tobinao hamonjy anao sy hanolotra ny fahavalonao eo anoloanao; ka dia ho masìna ny tobinao, mba tsy hahita zavatra maloto eo aminao izy ka tsy hiala aminao.Select Deuteronomy 23:15
16Aza atolotrao amin’ ny tompony intsony ny andevo izay mandositra mamonjy tena ho eo aminao.Select Deuteronomy 23:16
17Eo aminao no hitoerany, dia eo amin’ ny tanàna izay tiany sy izay sitraky ny fony; fa aza mampahory azy.Select Deuteronomy 23:17
18Aoka tsy hisy zanakavavy na zanakalahin’ ny Isiraely hanolo-tena hijangajanga ho fanompoan-tsampy.Select Deuteronomy 23:18
19Aza mitondra ny tangin’ ny vehivavy janga, na ny karaman’ alika, ho ao an-tranon’ i Jehovah Andriamanitra, hanefana voady; fa fahavetavetana eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ireo zavatra roa ireo.Select Deuteronomy 23:19
20Aza mampanàna zavatra amin’ ny rahalahinao, na vola, na hanina, na zavatra hafa mety hampananaina.Select Deuteronomy 23:20
21Ny olona hafa firenena ihany no hampanananao zavatra; fa ny rahalahinao kosa dia tsy hampanananao; mba hotahin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao amin’ izay rehetra ataon’ ny tananao eo amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana.Select Deuteronomy 23:21
22Raha mivoady amin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, dia aza ela fanefa; fa hadinin’ i Jehovah Andriamanitrao aminao tokoa izany ka ho fahotana aminao.Select Deuteronomy 23:22
23Fa raha tsy mivoady ianao, dia tsy fahotana aminao izany.Select Deuteronomy 23:23
24Izay aloaky ny vavanao dia tandremo hotanterahinao, araka ny sitraponao nivoadianao tamin’ i Jehovah ihany, dia izay nolazain’ ny vavanao.Select Deuteronomy 23:24
25Raha mankany amin’ ny tanim-boaloboky ny namanao ianao, dia mahazo manaram-po mihinam-boaloboka hahavoky anao; fa aza mitondra mody.Select Deuteronomy 23:25
26Raha mankany amin’ ny tanimbarin’ ny namanao ianao, dia mahazo mioty salohim-bary ny tananao; fa aza jinjanao antsy ny varin’ ny namanao.Select Deuteronomy 23:26
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation