Deuteronomy 26
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary rehefa tonga ao amin’ ny tany izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao ianao ka mandova azy ary monina ao,Select Deuteronomy 26:1
2dia analao ny voaloham-bokatra rehetra amin’ ny tany, izay alainao avy amin’ ny taninao, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ka ataovy an-karona; ary mankanesa ho any amin’ ny tany izay hofidin’ i Jehovah Andriamanitrao hampitoerany ny anarany;Select Deuteronomy 26:2
3dia mankanesa amin’ ny mpisorona amin izany andro izany, ka lazao aminy hoe: Manambara amin’ i Jehovah Andriamanitrao aho anio fa tonga eto amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ ny razantsika homeny antsika.Select Deuteronomy 26:3
4Dia horaisin’ ny mpisorona eny an-tananao ny harona ka hapetrany eo anoloan’ ny alitaran’ i Jehovah Andriamanitrao.Select Deuteronomy 26:4
5Dia hiteny eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Syriana mpanjenjena no raiko, ka nidina tany Egypta izy, dia nivahiny tany mbamin’ ny olom-bitsy; ary tany izy no tonga firenena lehibe sy mahery sady maro isa.Select Deuteronomy 26:5
6Ary nanao ratsy tamintsika ny Egyptiana ka nampahory antsika sy nampanao antsika fanompoana mafy.Select Deuteronomy 26:6
7Dia nitaraina tamin’ i Jehovah, Andriamanitry ny razantsika, isika, ka nihaino ny feontsika Izy ary nijery ny alahelontsika sy ny asantsika ary ny fahoriantsika;Select Deuteronomy 26:7
8ary tanana mahery sy sandry nahinjitra sy fampahatahorana lehibe sy famantarana ary fahagagana no nitondran’ i Jehovah antsika nivoaka avy tany Egypta,Select Deuteronomy 26:8
9dia nitondra antsika niditra teto amin’ ity tany ity Izy ka nanome antsika ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely.Select Deuteronomy 26:9
10Ary ankehitriny, Jehovah ô, indro, efa nentiko ny voaloham-bokatra amin’ ny tany izay nomenao ahy. Dia avelao eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao ny zavatra, ary mivavaha eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao.Select Deuteronomy 26:10
11Ary mifalia amin’ ny soa rehetra izay nomen’ i Jehovah Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao ianao sy ny Levita mbamin’ ny vahiny eo aminao.Select Deuteronomy 26:11
12Rehefa voangonao ny fahafolon-karena rehetra avy amin’ ny vokatrao amin’ ny taona fahatelo, izay taona fanangonana ny fahafolon-karena, dia omeo ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena izany, mba hohaniny ao an-tanànanao, ka ho voky izy,Select Deuteronomy 26:12
13ary dia lazao eo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao hoe: Efa navoakako avokoa ny zava-masìna tao an-tranoko ka nomeko ny Levita sy ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny lalànao rehetra izay nandidianao ahy; tsy nandika ny didinao aho na nanadino azy.Select Deuteronomy 26:13
14Tsy nisy nohaniko teo amin’ ny fisaonako, na nentiko nivoaka teo amin’ ny fahalotoako, na nataoko fahan-kanina noho ny maty; fa efa nihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitro aho ka nanao araka izay rehetra nandidianao ahy.Select Deuteronomy 26:14
15Tsinjovy ao amin’ ny fonenanao masìna any an-danitra, ka tahio ny Isiraely olonao sy ny tany izay nomenao anay araka izay nianiananao tamin’ ny razanay, dia tany tondra-dronono sy tantely.Select Deuteronomy 26:15
16Anio no andidian’ i Jehovah Andriamanitrao anao hanaraka ireo didy sy fitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo.Select Deuteronomy 26:16
17Efa nampiteny an’ i Jehovah ianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, ka handeha amin’ ny lalany sy hitandrina ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny ianao ary hihaino ny feony.Select Deuteronomy 26:17
18Ary Jehovah kosa efa nampiteny anao androany fa firenena rakitra soa ho Azy ianao, araka izay nolazainy taminao, mba hitandremanao ny didiny rehetra,Select Deuteronomy 26:18
19sy hanandratany anao ho ambonin’ ny firenena rehetra izay nataony, ho fiderana sy ho anarana ary ho voninahitra ary mba ho firenena masìna ho an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, araka izay nolazainy.Select Deuteronomy 26:19
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation