Skip to content
Church.wiki
Deuteronomy

Deuteronomy 30

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary rehefa tonga aminao izany zavatra rehetra izany, dia ny fitahiana sy ny fanozonana izay nataoko teo anoloanao, ary mahatsiaro izany ao am-ponao any amin’ ny firenena rehetra izay androahan’ i Jehovah Andriamanitrao anao ianao,Select Deuteronomy 30:1

2ka miverina amin’ i Jehovah Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, araka izay rehetra andidiako anao sy ny zanakao anio,Select Deuteronomy 30:2

3dia hampodin’ i Jehovah Andriamanitrao avy amin’ ny fahababoanao ianao, ary hamindra fo aminao Izy ka hanangona anao indray avy any amin’ ny firenena rehetra izay nampielezan’ i Jehovah Andriamanitrao anao.Select Deuteronomy 30:3

4Raha misy aminao voaroaka any amin’ ny faravodilanitra, dia avy any no hanangonan’ i Jehovah Andriamanitrao anao, ary avy any indray no hanalany anao.Select Deuteronomy 30:4

5Dia hampidirin’ i Jehovah Andriamanitrao ao amin’ ny tany izay nolovan’ ny razanao ianao, ka holovanao izany; ary hanisy soa anao Izy sy hahamaro anao mihoatra noho ny razanao.Select Deuteronomy 30:5

6Dia hoforan’ i Jehovah Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ ny taranakao hitiavanao an’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra, mba ho velona ianao.Select Deuteronomy 30:6

7Ary hataon’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fahavalonao sy ny mankahala anao izay nanenjika anao ireny fanozonana rehetra ireny.Select Deuteronomy 30:7

8Dia hihaino ny feon’ i Jehovah indray ianao ka hanaraka ny didiny rehetra, izay andidiako anao anio.Select Deuteronomy 30:8

9Ary hataon’ i Jehovah Andriamanitrao manana amby ampy ianao amin’ izay hahasoa anao, dia amin’ ny asan’ ny tananao sy ny ateraky ny kibonao sy ny ateraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao; fa ho faly aminao indray Jehovah ka hahasoa anao, araka izay nahafaliany tamin’ ny razanao,Select Deuteronomy 30:9

10raha mihaino ny feon’ i Jehovah Andriamanitrao ianao, hitandremanao ny didiny sy ny lalàny, izay voasoratra amin’ ity bokin’ ny lalàna ity, ka miverina amin’ i Jehovah Andriamanitrao amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.Select Deuteronomy 30:10

11Fa izao lalàna izao, izay andidiako anao anio, tsy dia saro-pantarina aminao, ary tsy lavitra.Select Deuteronomy 30:11

12Tsy any an-danitra izany ka hanaovanao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka azy ho antsika, mba hohenointsika ka harahintsika?Select Deuteronomy 30:12

13Ary tsy any an-dafin’ ny ranomasina izany ka hanaovanao hoe: Iza no hankany an-dafin’ ny ranomasina haka azy ho antsika mba hohenointsika ka harahintsika?Select Deuteronomy 30:13

14Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba harahinao.Select Deuteronomy 30:14

15Indro efa nataoko teo anoloanao androany ny fiainana sy ny soa ary ny fahafatesana sy ny loza,Select Deuteronomy 30:15

16tamin’ ny nandidiako anao androany ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrao ka handeha amin’ ny lalany ary hitandrina ny didiny sy ny lalàny ary ny fitsipiny, mba ho velona ianao ka hihamaro, ary mba hitahian’ i Jehovah Andriamanitrao anao any amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana.Select Deuteronomy 30:16

17Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao, fa voataona hiankokoha eo anatrehan’ izay andriamani-kafa sy hanompo azy,Select Deuteronomy 30:17

18dia lazaiko aminareo anio fa ho ringana tokoa ianareo, ary tsy ho maro andro eo amin’ ny tany izay efa hidiranao holovana, rehefa tafita an’ i Jordana ianareo.Select Deuteronomy 30:18

19Miantso ny lanitra sy ny tany aho anio ho vavolombelona aminareo fa efa nataoko teo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana ary ny fitahiana sy ny fanozonana; koa mifidiana ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,Select Deuteronomy 30:19

20dia ny ho tia an’ i Jehovah Andriamanitrao ianao ka hihaino ny feony sy hifikitra aminy; fa izany no fiainanao sy fahamaroan’ ny andronao, mba honenanao eo amin’ ny tany izay nianianan’ i Jehovah tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao, homena azy.Select Deuteronomy 30:20

Next: Deuteronomy 31Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Deuteronomy

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.