Skip to content
Church.wiki
Deuteronomy

Deuteronomy 32

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Mihainoa, ry lanitra, fa hiteny aho! Ary mandrenesa, ry tany, ny tenin’ ny vavako!Select Deuteronomy 32:1

2Ho avy tahaka ny ranonorana ny fampianarako, Ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, Sy tahaka ny erika amin’ ny ahi-maitso Ary ny ranonorana amin’ ny anana.Select Deuteronomy 32:2

3Fa ny anaran’ i Jehovah no hotoriko; Maneke ny fahalehibiazan’ Andriamanitsika.Select Deuteronomy 32:3

4Ny amin’ ny Vatolampy, tanteraka ny asany; Fa ny lalany rehetra dia amin’ ny rariny avokoa. Andriamanitra mahatoky Izy, ka tsy misy ratsy ao aminy; Marina sy mahitsy Izy.Select Deuteronomy 32:4

5Efa nasian-dratsy Izy; Tsy zanany ireny, tsininy izany; Taranaka miolakolaka sady efa nivadika izy.Select Deuteronomy 32:5

6Moa Jehovah hovalianareo toy izany va, Ry firenena adala ka tsy hendry? Tsy Izy va no Rainao, Izay nanavotra anao? Tsy Izy va no nanao anao sy nanorina anao?Select Deuteronomy 32:6

7Tsarovy ny andro fahiny, Saino ny taona hatrizay hatrizay; Anontanio amin-drainao, fa hanambara aminao izy, Sy amin’ ny anti-panahy eo aminao, fa hilaza aminao izy;Select Deuteronomy 32:7

8Fony nomen’ ny Avo Indrindra zara-tany ny jentilisa, Ka samy natokantokany ny zanak’ olombelona, Dia notendreny ny fari-tanin’ ireo firenena Araka ny isan’ ny Zanak’ Isiraely.Select Deuteronomy 32:8

9Fa anjaran’ i Jehovah ny olony: Jakoba no natokany ho lovany.Select Deuteronomy 32:9

10Nahita azy tany an-efitra Izy, Dia tany amin’ ny tany foana be nampierona, Ka dia nanodidina sy niahy azy Ary notandremany tahaka ny anakandriamasony.Select Deuteronomy 32:10

11Toy ny voromahery manaitra ny ao amin’ ny akaniny Ka manidintsidina eo ambonin’ ny zanany, Dia toy izany no namelarany ny elany sy nandraisany azy Ary nitondrany azy teo ambonin’ ny elany,Select Deuteronomy 32:11

12Jehovah irery no nitondra azy, Ary tsy nisy andriamani-kafa teo aminy.Select Deuteronomy 32:12

13Nampandeha azy teny ambonin’ ny havoana amin’ ny tany Izy, Ka nohaniny ny vokatry ny saha. Nampitsentsitra azy tantely avy teo amin’ ny vatolampy Izy Sy diloilo avy teo amin’ ny vatolampy afovatoSelect Deuteronomy 32:13

14Sy rononomandrin’ omby sy rononon’ ondry aman’ osy Mbamin’ ny tavin’ ny zanak’ ondry Sy ondrilahin’ i Basana sy osilahy Ary vary izay vokatra indrindra; Ary nisotro divay mahery avy tamin’ ny ran’ ny voaloboka ianao.Select Deuteronomy 32:14

15Nihanatavy Jesorona ka namely daka, Efa matavy ianao sady vory nofo no vaventibe, Dia nahafoy an’ Andriamanitra Izay nanao azy izy, Ary nanamavo ny Vatolampy famonjena azy.Select Deuteronomy 32:15

16Nampahasaro-piaro Azy tamin’ ny hafa Izy; Ary tamin’ ny zava-betaveta no nampahasosorany Azy;Select Deuteronomy 32:16

17Namono zavatra ho fanatitra ho an’ ny demonia izay tsy Andriamanitra izy, Dia andriamanitra tsy fantany, Fa andriamanitra vao niseho, Izay tsy natahoran’ ny razanareo.Select Deuteronomy 32:17

18Ny Vatolampy Izay niteraka anao dia tsy tsaroanao, Ary hadinoinao Andriamanitra Izay nahary anao.Select Deuteronomy 32:18

19Ary Jehovah nahita izany ka nandà Noho ny fahasosorany tamin’ ny zananilahy sy ny zananivavy.Select Deuteronomy 32:19

20Dia hoy Izy: Hafeniko azy ny tavako; Ho hitako izay hiafarany; Fa firenena tena mpivadibadika izy, Dia zaza tsy mahatoky.Select Deuteronomy 32:20

21Izy efa nampahasaro-piaro Ahy tamin’ izay tsy Andriamanitra Sy nampahasosotra Ahy tamin’ ny zava-poanany; Ary Izaho kosa hampahasaro-piaro azy amin’ izay tsy olona, Sy hampahasosotra azy amin’ izay firenena adala.Select Deuteronomy 32:21

22Fa arehitra ny afon’ ny fahatezerako, Ka mandoro hatrany amin’ ny fiainan-tsi-hita any ambany indrindra, Sady mandevona ny tany mbamin’ ny vokatra ao aminy Ary mampirehitra ny fanambanin’ ny tendrombohitra aza.Select Deuteronomy 32:22

23Havangongoko aminy ny loza betsaka; Ary holaniko aminy ny zana-tsi-pikako:Select Deuteronomy 32:23

24Hofezahin’ ny mosary izy sady holanin’ ny areti-mandripaka Sy ny fandringanana mangidy; Ary nifim-biby no hampandehaniko aminy Jesorona dia anaran’ ny Isiraely. Mbamin’ ny poizin’ ny biby mpikisaka amin’ ny vovoka.Select Deuteronomy 32:24

25Eny ivelany dia ny sabatra no hahafaty ny zanany, Ary ao amin’ ny efi-trano dia ny fampahatahorana Na ny zatovolahy na ny zatovovavy, Na ny zaza minono na ny fotsy volo.Select Deuteronomy 32:25

26Fa efa nolazaiko hoe: Hotsofiko hihahaka izy; Hatsahatro ny fahatsiarovana azy tsy ho eo amin’ ny zanak’ olombelona,Select Deuteronomy 32:26

27Raha tsy ny fireharehan’ ny fahavalo no natahorako, Andrao diso hevitra ireny mpandrafy azy ireny Ka hanao hoe: Ny tananay no avo; Fa tsy Jehovah tsy akory no nanao izany rehetra izany.Select Deuteronomy 32:27

28Fa firenena tsy manan-tsaina izy Sady tsy manam-pahalalana.Select Deuteronomy 32:28

29Enga anie ka hendry izy mba hahalala izao Ka hahafantatra izay ho farany.Select Deuteronomy 32:29

30Hataon’ ny irery ahoana no fanenjika ny arivo, Ary hataon’ ny roa lahy ahoana no fampandositra ny iray alina, Raha tsy ny Vatolampiny no efa nivarotra azy, Ary Jehovah no efa nanolotra azy?Select Deuteronomy 32:30

31Fa tsy mba mitovy amin’ ny Vatolampintsika ny vatolampin’ ireny, Na dia izy fahavalontsika aza no hitsara.Select Deuteronomy 32:31

32Ny tahom-boalobony dia tahom-boalobok’ i Sodoma Ary avy ao amin’ ny sahan’ i Gomora; Ny voalobony dia voaloboka mahafaty, Sady mangidy koa ny sampahony.Select Deuteronomy 32:32

33Ny divainy dia zava-mahafaty avy amin’ ny dragona, Ary poizina loza avy amin’ ny bibilava.Select Deuteronomy 32:33

34Moa tsy voatahiry ato amiko va izany Ka voaisy kase ato an-trano firaketako?Select Deuteronomy 32:34

35Ahy ny famaliana sy ny fampanodiavana, Raha avy izay hahasolafaka ny tongony; Fa antomotra ny andro hahitany loza, Ary ho avy faingana ny zava-boatendry hanjo azy.Select Deuteronomy 32:35

36Fa Jehovah hanome rariny ny olony Ary hanenina ny amin’ ny mpanompony, Raha hitany fa lany ny heriny, Ka lasa avokoa na ny voahazona, na ny afaka.Select Deuteronomy 32:36

37Ary hiteny hoe Izy: Aiza ireo andriamaniny, Dia ny vatolampy izay nialofany,Select Deuteronomy 32:37

38Izay nihinana ny saboran’ ny fanatiny Ary nisotro ny divain’ ny fanatitra aidiny? Aoka ireny no hitsangana ka hamonjy anareo Ary ho fierena ho anareo.Select Deuteronomy 32:38

39Fantaro ankehitriny fa Izaho dia Izaho no Izy, Ka tsy misy andriamanitra eto amiko. Izaho no mahafaty sy mahavelona, Ary Izaho no maharatra sy mahasitrana, Ka tsy misy mahafaka amin’ ny tanako.Select Deuteronomy 32:39

40Fa manangana ny tanako amin’ ny lanitra Aho Ka manao hoe: Raha velona koa Aho mandrakizay:Select Deuteronomy 32:40

41Raha manasa ny sabatro manelatselatra Aho, Ka voarain’ ny tanako ny fitsarana, Dia hampanodiaviko ny mpandrafy Ahy ny ataony, Ary hovaliako ny mankahala Ahy.Select Deuteronomy 32:41

42Hataoko mamon-drà ny zana-tsipikako, Ary ny sabatro hihina-nofo, Dia ny ran’ ny voavono sy ny babo Mbamin’ ny lohan’ izay lehibe amin’ ny fahavalo.Select Deuteronomy 32:42

43Mihobia, ry jentilisa mbamin’ ny olony; Fa ny ran’ ny mpanompony no hovaliany. Hamaly ny mpandrafy Azy Izy, Ary hanao fanavotana kosa ho an’ ny taniny sy ny olony.Select Deuteronomy 32:43

44Dia nandeha Mosesy ka nilaza ny teny rehetra amin’ izany fihirana izany teo anatrehan’ ny olona, dia izy sy Hosea, zanak’ i Nona.Select Deuteronomy 32:44

45Ary nony efa tapitra voalazan’ i Mosesy tamin’ ny Isiraely rehetra izany teny rehetra izany,Select Deuteronomy 32:45

46dia hoy izy taminy: Alatsaho ao am-ponareo ny teny rehetra izay ambarako aminareo anio, izay handidianareo ny zanakareo hotandremany sy hankatoaviny, dia ny teny rehetra amin’ ity lalàna ity.Select Deuteronomy 32:46

47Fa tsy zava-poana ho anareo izany, fa izany no fiainanareo; ary izany zavatra izany no hahamaro andro anareo eo amin’ ny tany izay efa hidiranareo holovana, rehefa tafita an’ i Jordana ianareo.Select Deuteronomy 32:47

48Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy androtrizay indrindra ka nanao hoe:Select Deuteronomy 32:48

49Miakara amin’ ity tendrombohitra Abarima ity, dia ny tendrombohitra Nebo, izay eo amin’ ny tany Moaba tandrifin’ i Jeriko; ary tazano ny tany Kanana, izay omeko ny Zanak’ Isiraely ho lovany.Select Deuteronomy 32:49

50Dia aoka ho faty ao amin’ ny tendrombohitra izay iakaranao ianao, ka ho voangona any amin’ ny razanao, tahaka ny nahafatesan’ i Arona rahalahinao tao an-tendrombohitra Hora sy ny nanangonana azy any amin’ ny razany,Select Deuteronomy 32:50

51satria nivadika tamiko teo amin’ ny Zanak’ Isiraely ianareo tao amin’ ny ranon’ i Meriba any Kadesy, tany an-efitra Zina; fa tsy nahamasina Ahy teo amin’ ny Zanak’ Isiraely ianareo.Select Deuteronomy 32:51

52Fa hahatazana ny tany eo anoloanao ihany ianao, kanefa tsy hiditra any amin’ ny tany izay omeko ny Zanak’ Isiraely.Select Deuteronomy 32:52

Next: Deuteronomy 33Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Deuteronomy

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.