Skip to content
Church.wiki
Deuteronomy

Deuteronomy 4

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary ankehitriny, ry Isiraely, mihainoa ny didy sy ny fitsipika izay ampianariko anareo harahinareo, mba ho velona ianareo ka hiditra sy handova ny tany izay omen’ i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo, anareo.Select Deuteronomy 4:1

2Aza ampianareo ny teny izay andidiako anareo, ary aza anesoranareo, fa tandremo ny didin’ i Jehovah Andriamanitrareo izay andidiako anareo.Select Deuteronomy 4:2

3Ny masonareo efa nahita izay nataon’ i Jehovah noho ny tamin’ i Bala-peora; fa ny olona rehetra izay nanaraka an’ i Bala-peora dia naringan’ i Jehovah Andriamanitrao tsy ho eo aminao.Select Deuteronomy 4:3

4Fa ianareo izay nifikitra tamin’ i Jehovah Andriamanitrareo kosa dia samy velona avokoa izao anio izao.Select Deuteronomy 4:4

5Indro, efa nampianariko didy sy fitsipika ianareo, araka izay nandidian’ i Jehovah Andriamanitro ahy, mba harahinareo any amin’ ny tany izay efa hidiranareo holovana.Select Deuteronomy 4:5

6Koa tandremo ary ataovy izany, fa izany no ho fahendrenareo sy ho fanananareo saina eny imason’ ny firenen-tsamy hafa; fa handre izany lalàna rehetra izany izy ka hanao hoe: Olona hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena ioSelect Deuteronomy 4:6

7Fa iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana andriamanitra akaiky azy tahaka an’ i Jehovah Andriamanitra amin’ izay rehetra iantsoantsika Azy?Select Deuteronomy 4:7

8Ary iza no firenena, na dia lehibe aza, no mba manana didy sy fitsipika marina tahaka izao lalàna rehetra izao, izay ataoko eo anatrehanareo anio?Select Deuteronomy 4:8

9Kanefa kosa mitandrema ianao, ka tandremo tsara ny fanahinao, fandrao hadinoinao ny zavatra izay efa hitan’ ny masonao, ary andrao miala amin’ ny fonao izany, amin’ ny andro rehetra hiainanao, fa ampahafantaro ny zanakao sy ny zafinao izany,Select Deuteronomy 4:9

10dia izay hitanao tamin’ ny andro izay nitsangananao teo anatrehan’ i Jehovah Andriamanitrao tany Horeba, fony Jehovah nilaza tamiko hoe: Angony etỳ amiko ny olona, dia hampandrenesiko azy ny teniko, izay hianarany mba hatahotra Ahy amin’ ny andro rehetra hiainany ambonin’ ny tany sady hampianariny ny zanany koa.Select Deuteronomy 4:10

11Dia nanakaiky ianareo ka nitsangana teo am-bodin’ ny tendrombohitra; ary ny tendrombohitra nirehitra afo manakatra ny lanitra, sady nisy aizina sy rahona ary aizim-pito.Select Deuteronomy 4:11

12Dia niteny taminareo teo amin’ ny afo Jehovah; ny teny ihany no renareo, fa tsy nahita endrika akory ianareo.Select Deuteronomy 4:12

13Dia nambarany taminareo ny fanekeny, izay nandidiany anareo harahina, dia ny Didy Folo ary nosoratany teo amin’ ny vato fisaka roa ireo.Select Deuteronomy 4:13

14Ary izaho nodidian’ i Jehovah tamin’ izany andro izany hampianatra anareo didy sy fitsipika, mba harahinareo any amin’ ny tany izay efa hidiranareo holovana.Select Deuteronomy 4:14

15Dia tandremo tsara ny fanahinareo; fa tsy nahita endrika akory ianareo tamin’ ny andro izay nitenenan’ i Jehovah taminareo tao amin’ ny afo tany Horeba;Select Deuteronomy 4:15

16fandrao manao ratsy ianareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka izay endri-javatra na inona na inona, dia sarin-dehilahy, na sarim-behivavy,Select Deuteronomy 4:16

17na sarim-biby izay etỳ ambonin’ ny tany, na sarim-borona manana elatra izay manidina eny amin’ ny habakabaka,Select Deuteronomy 4:17

18na sarim-biby mandady na mikisaka amin’ ny tany, na sarin-kazandrano izay ao amin’ ny rano ambanin’ ny tany.Select Deuteronomy 4:18

19Ary andrao raha miandrandra ny lanitra ianao ka mahita ny masoandro sy ny volana ary ny kintana, dia izay rehetra eny amin’ ny lanitra, dia ho voataona ianao hiankokoha eo anatrehany sy hanompo azy, izay nataon’ i Jehovah Andriamanitrao ho anjaran’ ny firenena rehetra ambanin’ ny lanitra.Select Deuteronomy 4:19

20Fa ianareo no nalain’ i Jehovah ka nentiny nivoaka avy tao amin’ ny memy fandrendreham-by (dia avy tany Egypta) mba ho firenena ho Azy tahaka ny amin’ izao anio izao.Select Deuteronomy 4:20

21Ary Jehovah dia tezitra tamiko noho ny aminareo ka nianiana fa tsy hita an’ i Jordana aho, na hiditra any amin’ ny tany soa izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho lovanao.Select Deuteronomy 4:21

22Fa izaho ho faty amin’ ity tany ity, fa tsy hita an’ i Jordana; fa ianareo kosa no hita ka handova izany tany soa izany.Select Deuteronomy 4:22

23Mitandrema ianareo, fandrao manadino ny faneken’ i Jehovah Andriamanitrareo izay nataony taminareo ka manao sarin-javatra voasokitra ho anareo, araka ny endriky ny zavatra izay efa nandraran’ i Jehovah Andriamanitrao anao.Select Deuteronomy 4:23

24Fa Jehovah Andriamanitrao dia afo mandevona; eny, Andriamanitra saro-piaro Izy.Select Deuteronomy 4:24

25Raha miteraka sy ho loa-jafy koa ianao, ka efa nitoetra ela teo amin’ ny tany ianareo ary manao ratsy ka manao sarin-javatra voasokitra, araka izay endriky ny zavatra na inona na inona, sy manao ratsy eo imason’ i Jehovah Andriamanitrao ary mampahatezitra Azy,Select Deuteronomy 4:25

26dia miantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona aho anio fa vetivety foana dia ho fongotra tokoa ianareo tsy ho eo amin’ ny tany izay alehanareo hita an’ i Jordana holovana; tsy ho maro andro eo ianareo, fa haringana tokoa.Select Deuteronomy 4:26

27Ary Jehovah hampiely anareo any amin’ ny firenen-tsamy hafa; ary ho tonga olom-bitsy izay sisa aminareo any amin’ ny firenen-tsamy hafa izay hitondran’ i Jehovah anareo.Select Deuteronomy 4:27

28Ary any no hanompoanareo andriamanitra asan’ ny tànan’ olona, dia vato aman-kazo, izay tsy mahita, na mandre, na mihinana, na manimbolo.Select Deuteronomy 4:28

29Kanefa any ianao no hitady an’ i Jehovah Andriamanitrao ka hahita Azy, raha mitady Azy amin’ ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra.Select Deuteronomy 4:29

30Raha azom-pahoriana ianao, fa manjo anao ireo zavatra rehetra ireo, dia hiverina amin’ i Jehovah Andriamanitrao ianao any am-parany ka hihaino ny feony;Select Deuteronomy 4:30

31fa Andriamanitra mamindra fo Jehovah Andriamanitrao ka tsy hahafoy anao, na handringana anao, na hanadino ny fanekena tamin’ ny razanao, izay efa nianianany taminy.Select Deuteronomy 4:31

32Fa anontanio ange ny andro lasa, izay teo alohanao hatramin’ ny andro izay namoronan’ Andriamanitra olombelona tetỳ ambonin’ ny tany ary hatramin’ ny faravodilanitra manodidina, raha mba nisy zavatra lehibe tahaka izany, na mba efa nisy re tahaka izany.Select Deuteronomy 4:32

33Moa efa nisy firenena nandre ny feon’ Andriamanitra niteny tao amin’ ny afo, tahaka ny efa renao, ka velona ihany?Select Deuteronomy 4:33

34Moa efa nanandrana handeha haka firenena ho Azy avy amin’ ny firenena hafa va Andriamanitra amin’ ny fizahan-toetra sy ny famantarana sy ny fahagagana sy ny ady sy ny tanana mahery sy ny sandry nahinjitra ary ny fampahatahorana lehibe, araka izay rehetra nataon’ i Jehovah Andriamanitrareo ho anareo tany Egypta teo imasonao?Select Deuteronomy 4:34

35Hianao no nampahitainy izany, mba hahafantaranao fa Jehovah no Andriamanitra, fa tsy misy afa-tsy Izy.Select Deuteronomy 4:35

36Avy tany an-danitra no nampandrenesany anao ny feony hananarany anao; ary teo ambonin’ ny tany no nanehoany anao ny afony lehibe; ary ny teniny efa renao avy tao afovoan’ ny afo.Select Deuteronomy 4:36

37Ary satria tia ny razanao Izy ka nifidy ny zanany mandimby azy, dia Izy no nitondra anao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny heriny lehibe,Select Deuteronomy 4:37

38handroahany eo anoloanao firenena maro izay lehibe sy mahery noho ianao, mba hampidirany anao sy hanomezany anao ny taniny ho lova, tahaka ny amin’ izao anio izao.Select Deuteronomy 4:38

39Koa aoka ho fantatrao anio, ka tsarovy ao am-ponao, fa Jehovah no Andriamanitra any amin’ ny lanitra ambony sy etỳ amin’ ny tany ambany, ka tsy misy afa-tsy Izy.Select Deuteronomy 4:39

40Dia tandremo ny lalàny sy ny didiny izay andidiako anao anio, mba hahita soa ianao sy ny taranakao mandimby anao, ary mba ho maro andro ianao any amin’ ny tany, izay omen’ i Jehovah Andriamanitrao ho anao mandrakizay.Select Deuteronomy 4:40

41Ary tamin’ izay Mosesy dia nanokana tanàna telo any an-dafy atsinanan’ i Jordana,Select Deuteronomy 4:41

42mba handosiran’ izay nahafaty ny namany tsy nahy ka tsy nankahala azy teo aloha, dia ho velona izy raha mandositra ao amin’ ny anankiray amin’ ireo tanàna ireo:Select Deuteronomy 4:42

43dia Bazera any an-efitra, amin’ ny tany lemaka, an’ ny Robenita; ary Ramota-gileada an’ ny Gadita; ary Golana any Basana an’ ny Manasita.Select Deuteronomy 4:43

44Ary izao no lalàna izay nalahatr’ i Mosesy teo anatrehan’ ny Zanak’ Isiraely.Select Deuteronomy 4:44

45Izao no teni-vavolombelona sy didy ary fitsipika, izay nambaran’ i Mosesy tamin’ ny Zanak’ Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,Select Deuteronomy 4:45

46tany an-dafin’ i Jordana, tao an-dohasaha tandrifin’ i Beti-peora, tao amin’ ny tanin’ i Sihona, ilay mpanjakan’ ny Amorita nonina tao Hesbona, dia ilay noresen’ i Mosesy sy ny Zanak’ Isiraely, rehefa nivoaka avy tany Egypta izy,Select Deuteronomy 4:46

47ka dia azony ny tanin’ i Sihona sy ny tanin’ i Oga, mpanjakan’ i Basana, dia ny mpanjaka roa tamin’ ny Amorita, izay tany an-dafy atsinanan’ i Jordana,Select Deuteronomy 4:47

48hatrany Aroera, izay ao amoron’ ny lohasahan-driaka Arnona, ka hatramin’ ny tendrombohitra Siona (Hermona izany),Select Deuteronomy 4:48

49dia ny tani-hay rehetra any an-dafy atsinanan’ i Jordana ka hatramin’ ny ranomasina amin’ ny tani-hay eo am-bodin’ i Pisga.Select Deuteronomy 4:49

Next: Deuteronomy 5Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Deuteronomy

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.