Skip to content
Church.wiki
Deuteronomy

Deuteronomy 9

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Mihainoa, ry Isiraely ô: ianao izao dia efa hita an’ i Jordana hiditra eo amin’ ny tany ka handresy firenen-tsamy hafa, izay lehibe sy mahery noho ianao, sy hahafaka tanàna lehibe izay misy manda manakatra ny lanitra,Select Deuteronomy 9:1

2dia firenena lehibe sady olona lava, dia taranaky ny Anakita izay fantatrao, sady efa renao ny lazany hoe: Iza no mahajanona eo anoloan’ ny taranak’ i Anàka?Select Deuteronomy 9:2

3Koa aoka ho fantatrao anio fa Jehovah Andriamanitrao no efa handeha hita eo alohanao tahaka ny afo mandevona, ka Izy no handringana azy sy hampietry azy eo anoloanao; dia handroaka azy ianao ka handringana azy faingana, araka izay nolazain’ i Jehovah taminao.Select Deuteronomy 9:3

4Ary rehefa voaroak’ i Jehovah Andriamanitrao eo anoloanao izy, dia aza manao anakampo hoe: Ny fahamarinako no nitondran’ i Jehovah ahy niditra handova ity tany ity; fa ny haratsiam-panahin’ ireo firenena ireo no androahan’ i Jehovah azy eo anoloanao.Select Deuteronomy 9:4

5Tsy ny fahamarinanao, na ny hitsim-ponao, no andehananao handova ny taniny; fa ny haratsiam-panahin’ ireo firenena ireo no androahan’ i Jehovah Andriamanitrao azy eo anoloanao hahatò ny teny izay nianianan’ i Jehovah tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba razanao.Select Deuteronomy 9:5

6Koa aoka ho fantatrao fa tsy ny fahamarinanao no anomezan’ i Jehovah Andriamanitrao izany tany soa izany ho lovanao; fa firenena mafy hatoka ianao.Select Deuteronomy 9:6

7Tsarovy ka aza hadinoinao ny nampahatezeranao an’ i Jehovah Andriamanitrao tany an-efitra: eny, hatramin’ ny andro nialanao tany amin’ ny tany Egypta ka hatramin’ ny nahatongavanareo teto amin’ ity tany ity dia mbola niodina tamin’ i Jehovah ihany ianareo.Select Deuteronomy 9:7

8Na dia tany Horeba aza dia nampahatezitra an’ i Jehovah ianareo, dia tezitra taminareo Izy ka saiky nandringana anareo.Select Deuteronomy 9:8

9Raha niakatra tao an-tendrombohitra aho handray ny vato fisaka, dia ny vato fisaka izay nisy ny fanekena nataon’ i Jehovah taminareo, ka nitoetra efa-polo andro sy efa-polo alina tao an-tendrombohitra sady tsy nihinan-kanina na nisotro rano,Select Deuteronomy 9:9

10dia nomen’ i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, voasoratry ny fanondron’ Andriamanitra; ary teo aminy no nisy ilay teny rehetra nolazain’ i Jehovah taminareo tao an-tendrombohitra tao amin’ ny andro nivoriana.Select Deuteronomy 9:10

11Ary nony tapitra ny efa-polo andro sy efa-polo alina, dia nomen’ i Jehovah ahy ny vato fisaka roa, dia ilay nisy ny fanekena.Select Deuteronomy 9:11

12Dia hoy Jehovah tamiko: Miaingà, ka midìna faingana hiala etỳ ianao; fa efa nanao ratsy ny olonao izay nentinao nivoaka avy tany Egypta; efa nalaky nivily niala tamin’ ny lalana izay efa nasaiko nalehany izy ka nanao sarin-javatra an-idina ho azy.Select Deuteronomy 9:12

13Ary hoy koa Jehovah tamiko: Efa hitako ity firenena ity, fa, indro, olona mafy hatoka izy.Select Deuteronomy 9:13

14Avelao Aho handringana azy, ka hovonoiko ny anarany tsy ho eny ambanin’ ny lanitra, ary dia hataoko firenena mahery sy lehibe noho izy ianao.Select Deuteronomy 9:14

15Dia nihodina aho ka nidina niala tamin’ ny tendrombohitra, raha mbola nirehitra afo izy; ary ny vato fisaka roa nisy ny fanekena dia teny an-tanako roa.Select Deuteronomy 9:15

16Ary nijery aho, ka, indro, efa nanota tamin’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo ka nanao ombilahy kely an-idina ho anareo; nalaky nivily ianareo niala tamin’ ny lalana izay efa nasain’ i Jehovah nalehanareo.Select Deuteronomy 9:16

17Dia noraisiko ny vato fisaka roa ka nazerako avy teny an-tanako roa ho vakivaky teo imasonareo.Select Deuteronomy 9:17

18Ary niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah efa-polo andro sy efa-polo alina tahaka ilay teo ihany aho ka tsy nihinan-kanina, na nisotro rano, noho ny fahotanareo rehetra, izay nataonareo tamin’ ny nanaovanareo izay ratsy eo imason’ i Jehovah, ka nampahatezeranareo Azy.Select Deuteronomy 9:18

19Fa natahotra ny fahavinirana sy ny fahatezerana aho, izay nahatezeran’ i Jehovah taminareo handringanana anareo. Dia nihaino ahy indray Jehovah tamin’ izany andro izany.Select Deuteronomy 9:19

20Ary Jehovah dia tezitra indrindra tamin’ i Arona ka saiky nandevona azy; dia nifona ho an’ i Arona koa aho tamin’ izany andro izany.Select Deuteronomy 9:20

21Ary noraisiko ny fahotanareo, dia ilay ombilahy kely izay nataonareo, ka nodorako tamin’ ny afo, dia notorotoroiko sy nomontsamontsaniko mandra-pahatongany ho madinika toy ny vovoka; ary ny vovony dia nariako teo amin’ ny renirano izay midìna avy amin’ ny tendrombohitra.Select Deuteronomy 9:21

22Ary tao Tabera sy Masa ary Kibrota-hatava no nampahatezeranareo an’ i Jehovah.Select Deuteronomy 9:22

23Ary raha nampandehanin’ i Jehovah niala tao Kadesi-barnea ianareo ka nataony hoe: Miakara, ka lovao ny tany izay nomeko anareo, dia nandà ny tenin’ i Jehovah Andriamanitrareo ianareo, fa tsy nihaino Azy, na nino ny feony.Select Deuteronomy 9:23

24Eny, niodina tamin’ i Jehovah ihany ianareo hatramin’ ny andro nahalalako anareo no ho mankaty.Select Deuteronomy 9:24

25Ary niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah aho nandritra izany efa-polo andro sy efa-polo alina izany, satria efa nolazain’ i Jehovah fa handringana anareo Izy.Select Deuteronomy 9:25

26Dia nifona tamin’ i Jehovah aho ka nanao hoe: Jehovah Tompo ô, aza mandringana ny firenenao sy ny lovanao, izay navotanao tamin’ ny fahalehibiazanao ka nentinao nivoaka avy tany Egypta tamin’ ny tananao mahery.Select Deuteronomy 9:26

27Tsarovy ny mpanomponao, dia Abrahama sy Isaka ary Jakoba; fa aza mijery ny ditran’ ity firenena ity, na ny haratsiam-panahiny, na ny fahotany,Select Deuteronomy 9:27

28fandrao izay monina amin’ ny tany nitondranao anay nivoaka avy tany hanao hoe: Satria tsy hain’ i Jehovah ny hitondra azy ho any amin’ ny tany izay nolazainy taminy, ary satria nankahala azy Izy, dia izany no nitondrany azy nivoaka hahafaty azy atỳ an-efitra.Select Deuteronomy 9:28

29Kanefa ireo dia firenenao sy lovanao, izay nentinao nivoaka tamin’ ny herinao lehibe sy ny sandrinao nahinjitra.Select Deuteronomy 9:29

Next: Deuteronomy 10Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Deuteronomy

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.