Ecclesiastes 1
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ny tenin’ i Mpitoriteny, zanak’ i Davida, mpanjaka tany Jerosalema.Select Ecclesiastes 1:1
2Zava-poana dia zava-poana, hoy Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!Select Ecclesiastes 1:2
3Inona no soa azon’ ny olona amin’ ny fisasarany rehetra izay isasarany atỳ ambanin’ ny masoandro?Select Ecclesiastes 1:3
4Lasa ny taranaka iray, ary mandimby kosa ny taranaka iray; fa ny tany mbola maharitra mandrakizay.Select Ecclesiastes 1:4
5Ny masoandro koa miposaka ary ny masoandro milentika sady miriotra ho any amin’ ny fitoerana izay niposahany.Select Ecclesiastes 1:5
6Mianatsimo ny rivotra, dia mihodìna mianavaratra, mivezivezy mandrakariva izy ka miverimberina manodidina indray.Select Ecclesiastes 1:6
7Ny renirano rehetra dia samy mankamin’ ny ranomasina, nefa tsy tondraka ny ranomasina; any amin’ izay falehan’ ny renirano ihany no iverenany indray.Select Ecclesiastes 1:7
8Maivana ny teny rehetra, ka tsy misy olona mahalaza; ny maso tsy mamo mijery, ary ny sofina tsy mamo mihaino.Select Ecclesiastes 1:8
9Izay efa teo ihany no ho tonga indray, ary izay efa natao ihany no mbola hatao indray fa tsy misy zava-baovao akory atỳ ambanin’ ny masoandro.Select Ecclesiastes 1:9
10Raha misy zavatra azo lazaina hoe: He! ity no vaovao, dia ilay efa teo ela tany amin’ ny andro talohantsika ihany izany.Select Ecclesiastes 1:10
11Tsy misy fahatsiarovana ny taloha; ary ny ho avy koa dia tsy hotsarovan’ izay handimby azy.Select Ecclesiastes 1:11
12Izaho Mpitoriteny dia mpanjakan’ ny Isiraely tany Jerosalema;Select Ecclesiastes 1:12
13ary nampiasaiko ny foko mba hitady sy hikatsaka amim-pahendrena ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ ny lanitra; asa mahareraka omen’ Andriamanitra hisasaran’ ny zanak’ olombelona izany.Select Ecclesiastes 1:13
14Efa hitako ny zavatra rehetra izay atao atỳ ambanin’ ny masoandro; fa, indro, zava-poana sy misambo-drivotra foana izany rehetra izany.Select Ecclesiastes 1:14
15Ny meloka tsy mety tonga mahitsy; ary ny tsy ao tsy mba azo isaina.Select Ecclesiastes 1:15
16Hoy izaho tamin’ ny foko: Indro, izaho nahazo fahendrena be dia be mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema; eny, ny foko nahita ny fahendrena sy ny fahalalana betsaka.Select Ecclesiastes 1:16
17Ary nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahalala fahaverezan-tsaina sy fahadalana; dia fantatro fa misambo-drivotra foana koa izany,Select Ecclesiastes 1:17
18satria izay be fahendrena dia be alahelo, ary izay mitombo fahalalana dia mitombo fahoriana.Select Ecclesiastes 1:18
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain