Ecclesiastes 10
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ny fatin-dalitra mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpangaroharo zava-manitra; ary toy izany, ny fahadalana kely dia mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.Select Ecclesiastes 10:1
2Ny fon’ ny hendry dia eo ankavanany; fa ny fon’ ny adala kosa dia eo ankaviany.Select Ecclesiastes 10:2
3Ary koa, raha mandeha eny an-dalambe ny adala, dia levona ny fahalalany, ka milaza tena amin’ ny olona rehetra izy fa adala.Select Ecclesiastes 10:3
4Raha tezeran’ ny mpanapaka ianao, aza miala amin’ ny fitoeranao; fa ny fahatsindriam-po mahasakana ny fahadisoana lehibe.Select Ecclesiastes 10:4
5Misy ratsy efa hitako atỳ ambanin’ ny masoandro, ka toa fahadisoana ataon’ ny mpanapaka izany;Select Ecclesiastes 10:5
6Asandratra ho ambony indrindra ny adala, ary ny mpanankarena mipetraka eo amin’ ny toerana ambany.Select Ecclesiastes 10:6
7Efa hitako ny mpanompo mitaingin-tsoavaly, ary ny mpanapaka kosa mandeha an-tongotra toy ny mpanompo.Select Ecclesiastes 10:7
8Izay mihady lavaka no ho latsaka ao, ary izay mandrava fefy vato no hokekerin’ ny menarana.Select Ecclesiastes 10:8
9Izay manovoka vato dia haratrany, ary izay mamaky hazo no ho voany.Select Ecclesiastes 10:9
10Raha dombo ny antsy ka tsy asainy, dia tsy maintsy manao an-teninaina izy; fa ny fahendrena no mahasoa, satria mahalavorary ny raharaha izany.Select Ecclesiastes 10:10
11Raha manaikitra ny menarana, satria tsy mbola nasiana ody, dia ahoana no mahatsara ny mpanao ody?Select Ecclesiastes 10:11
12Soa ny teny aloaky ny vavan’ ny hendry; fa ny molotry ny adala kosa mitelina ny tenany.Select Ecclesiastes 10:12
13Ny fiandohan’ ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran’ ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.Select Ecclesiastes 10:13
14Maro teny ny adala nefa tsy misy olona mahalala izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy ny ho avy any aoriany?Select Ecclesiastes 10:14
15Ny fisasaran’ ny adala mahareraka azy, fa ny lalana mankany an-tanàna aza tsy fantany akory.Select Ecclesiastes 10:15
16Lozanao, ry tany, raha zaza no mpanjakanao, ary ny lehibenao homa-maraina!Select Ecclesiastes 10:16
17Sambatra kosa ianao, ry tany, raha tena karazan’ andriana no mpanjakanao, ary ny lehibenao homana amin’ izay fotoana mety, mba hampahatanjaka ny tenany, fa tsy ny hampahamamo azy!Select Ecclesiastes 10:17
18Ny fahalainana be no mampianjera ny lohatrano, ary ny hakamoan’ ny tanana no mampitete ny trano.Select Ecclesiastes 10:18
19Ataony laolao ny hanina, ary ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no hahazoana ny zavatra rehetra.Select Ecclesiastes 10:19
20Aza manozona ny mpanjaka na dia amin’ ny eritreritrao aza; ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin’ ny efi-trano fandrianao aza; fa na dia ny voro-manidina aza anie ka hitondra ny feo, ary na dia ny manana elatra dia hanambara ny teny.Select Ecclesiastes 10:20
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain