Skip to content
Church.wiki
Ecclesiastes

Ecclesiastes 8

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Iza no toy ny hendry? Ary iza no mahalala izay anton-javatra? Ny fahendren’ ny olona mahamiramirana ny tarehiny, ary voaova ny fahadontoan’ ny endriny.Select Ecclesiastes 8:1

2Hoy izaho: Tandremo ny didin’ ny mpanjaka noho ny efa nianianana tamin’ Andriamanitra.Select Ecclesiastes 8:2

3Aza malaky miala eo anatrehany; aza mikikitra amin’ ny fanaovan-dratsy; fa na inona na inona sitrany dia azony atao avokoa;Select Ecclesiastes 8:3

4fa ny tenin’ ny mpanjaka dia misy hery, ka iza no mahazo manao aminy hoe: Inona no ataonao?Select Ecclesiastes 8:4

5Izay mitandrina ny didy tsy mba mikambana amin’ ny fanaovan-dratsy; ary ny fon’ ny hendry dia mahalala fotoana sy fitsarana;Select Ecclesiastes 8:5

6fa samy manana ny fotoany sy ny fitsarana azy avy ny hevitra rehetra, satria efa be ny heloky ny olona.Select Ecclesiastes 8:6

7Fa tsy mahafantatra izay ho avy izy; fa iza no hampahafantatra azy izay hihaviany?Select Ecclesiastes 8:7

8Tsy misy olona manan-kery hahatana ny ainy, na manan-kery ny amin’ ny andro hahafatesana; ary tsy misy fahafahana amin’ ny ady, ary ny ratsy fanahy tsy ho voavonjin’ ny faharatsiany.Select Ecclesiastes 8:8

9Izany rehetra izany dia efa hitako avokoa tamin’ ny nampiasako ny foko nandinika ny asa rehetra atao atỳ ambanin’ ny masoandro. Misy andro anapahan’ ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy.Select Ecclesiastes 8:9

10Ary tamin’ izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina ka tafiditra; fa izay nanao ny marina kosa dia lasa niala tamin’ ny fitoeran’ ny masìna ka nohadinoina tao an-tanàna; zava-poana koa izany.Select Ecclesiastes 8:10

11Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ ny fon’ ny zanak’ olombelona amin’ ny fanaovan-dratsy.Select Ecclesiastes 8:11

12Eny, fa na dia manao ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’ izay matahotra an’ Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany.Select Ecclesiastes 8:12

13Fa tsy hisy soa ho an’ ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela, satria tsy matahotra eo anatrehan’ Andriamanitra.Select Ecclesiastes 8:13

14Izao koa no zava-poana izay atao atỳ ambonin’ ny tany: Misy olo-marina iharan’ izay tokony ho valin’ ny asa ratsy; ary misy olo-meloka mahazo izay tokony ho valin’ ny asa marina; hoy izaho: Zava-poana koa izany.Select Ecclesiastes 8:14

15Dia noderaiko ny fifaliana, satria tsy misy mahasoa ny olona atỳ ambanin’ ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo, ka hisy izany amin’ ny fisasarany mandritra ny andro hiainany, izay nomen’ Andriamanitra azy atỳ ambanin’ ny masoandro.Select Ecclesiastes 8:15

16Raha nampiasaiko ny foko hahalala fahendrena sy hahita ny raharaha atao atỳ ambonin’ ny tany (fa misy tsy mahita torimaso na andro na alina),Select Ecclesiastes 8:16

17dia hitako avokoa ny asan’ Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain’ ny olona ny asa atao atỳ ambanin’ ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona, tsy ho hitany; eny, na ny hendry aza no manao hahafantatra izany, dia tsy ho azony fantarina akory.Select Ecclesiastes 8:17

Next: Ecclesiastes 9Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Ecclesiastes

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.