Ephesians 4
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary noho izany izaho, mpifatotra noho ny amin’ ny Tompo, dia mangataka aminareo mba handeha miendrika ny fiantsoana izay niantsoana anareo,Select Ephesians 4:1
2amin’ ny fanetren-tena rehetra sy ny fahalemem-panahy, amin’ ny fahari-po mifandefitra amin’ ny fitiavana,Select Ephesians 4:2
3mazoto mitana ny firaisana avy amin’ ny Fanahy amin’ ny fehim-pihavanana.Select Ephesians 4:3
4Iray ny tena, ary iray ny Fanahy, dia toy ny niantsoana anareo ho amin’ ny fanantenana iray momba ny fiantsoana anareo;Select Ephesians 4:4
5iray ny Tompo, iray ny finoana, iray ny batisa,Select Ephesians 4:5
6iray Andriamanitra sady Rain’ izy rehetra, Izay ambonin’ izy rehetra sy manerana azy rehetra ary ao amin’ izy rehetra.Select Ephesians 4:6
7Fa samy nomena ny fahasoavana araka ny ohatry ny fanomezan’ i Kristy avy isika rehetra.Select Ephesians 4:7
8Koa izany no ilazany hoe: Raha niakatra ho any amin’ ny avo Izy, dia nitondra olona maro ho babo Ka nanome fanomezana ho an’ ny olona.Select Ephesians 4:8
9(Ary ny amin’ ny hoe niakatra, inona moa izany, afa-tsy ny efa nidina ho any ambanin’ ny tany koa?Select Ephesians 4:9
10Izay nidina, dia Izy koa no Ilay niakatra any ambonin’ ny lanitra rehetra, hamenoany ny zavatra rehetra.)Select Ephesians 4:10
11Ary Izy no nanome ny sasany ho Apostoly, ary ny sasany ho mpaminany, ary ny sasany ho evanjelista, ary ny sasany ho mpiandry sy mpampianatra,Select Ephesians 4:11
12ho fanatanterahana ny olona masìna, ho amin’ ny asan’ ny fanompoana amin’ ny fiangonana, ho amin’ ny fampandrosoana ny tenan’ i Kristy,Select Ephesians 4:12
13mandra-pahatongantsika rehetra ho amin’ ny firaisan’ ny finoana sy ny fahalalana tsara ny Zanak’ Andriamanitra, ka ho lehilahy lehibe, mahatratra ny ohatry ny halehiben’ ny fahafenoan’ i Kristy;Select Ephesians 4:13
14mba tsy ho zaza intsony isika, ka ahilangilana sy ampitambolimbolenin’ ny rivotry ny fampianarana samy hafa rehetra amin’ ny saim-petsy ataon’ ny olona sy ny fihendreny hahatanteraka ny hevitry ny famitahana;Select Ephesians 4:14
15fa mba hanaraka ny marina amin’ ny fitiavana ka hitombo amin’ ny ny zavatra rehetra ho amin’ izay Loha, dia Kristy;Select Ephesians 4:15
16Izy no itomboan’ ny tena rehetra (izay akambana sy ampiarahina tsara) noho ny fifanompoan’ ny isan-tonony, araka ny fiàsan’ izay rehetra momba azy amin’ izay mety ho anjara-asany avy ka hampandrosoany ny tenany amin’ ny fitiavana.Select Ephesians 4:16
17Koa izao no lazaiko sady ambarako ao amin’ ny Tompo: ny tsy mba handehananareo intsony tahaka ny fandehan’ ny jentilisa amin’ ny fahafoanan’ ny sainy;Select Ephesians 4:17
18fa efa tonga maizin-tsaina sy olon-ko azy amin’ ny fiainan’ Andriamanitra ireny noho ny tsi-fahalalana ny anatiny, noho ny hamafin’ ny fony,Select Ephesians 4:18
19dia olona tsy mahalala henatra intsony ka nanolo-tena ho amin’ ny fijejojejoana hanao izay fahalotoana rehetra amin’ ny fieremana.Select Ephesians 4:19
20Fa ianareo kosa, dia tsy mba toy izany no nianaranareo an’ i Kristy,Select Ephesians 4:20
21raha Izy tokoa no renareo ka tao aminy no nampianarana anareo, araka ny fahamarinana izay ao amin’ i Jesosy,Select Ephesians 4:21
22mba hialanareo ny toetrareo taloha araka ny fitondran-tenanareo fahiny, izay mihasimba araka ny filan’ ny fitaka;Select Ephesians 4:22
23fa mba hohavaozina kosa ianareo amin’ ny fanahin’ ny sainareo,Select Ephesians 4:23
24ary mba hotafinareo ny toetra vaovao, izay noforonina araka an’ Andriamanitra amin’ ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana.Select Ephesians 4:24
25Koa esory ny lainga, ka samia milaza ny marina amin’ ny namany avy ianareo rehetra; fa samy isan’ ny momba ny tenan’ ny namantsika avokoa isika.Select Ephesians 4:25
26Tezera, fa aza manota; ary aoka tsy ho tratry ny masoandro milentika ny fahatezeranareo.Select Ephesians 4:26
27Aza manome fitoerana ho an’ ny devoly.Select Ephesians 4:27
28Aoka izay nangalatra tsy hangalatra intsony; fa aleo hikely aina ka hiasa izay tsara amin’ ny tànany, mba hisy homeny izay tsy manana.Select Ephesians 4:28
29Aoka tsy haloaky ny vavanareo izay teny maloto, fa izay tsara ho fampandrosoana, araka izay tokony hanaovana, mba hahazoan’ ny mihaino fahasoavana.Select Ephesians 4:29
30Ary aza mampalahelo ny Fanahy Masin’ Andriamanitra, Izay nanisiana tombo-kase anareo ho amin’ ny andro fanavotana.Select Ephesians 4:30
31Esory aminareo ny fo-lentika rehetra sy ny fahavinirana sy ny fahatezerana sy ny fitabatabana sy ny fitenenan-dratsy ary ny lolompo rehetra;Select Ephesians 4:31
32ary aoka samy halemy fanahy amin’ ny namany avy ianareo, ka hifampiantra sy hifamela heloka, tahaka ny namelan’ Andriamanitra ny helokareo ao amin’ i Kristy.Select Ephesians 4:32
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain