Skip to content
Church.wiki
Ephesians

Ephesians 5

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Koa amin’ izany dia aoka hanahaka an’ Andriamanitra ianareo tahaka ny zanaka malala;Select Ephesians 5:1

2ary mandehana amin’ ny fitiavana, toy ny nitiavan’ i Kristy anareo, dia ny nanolorany ny tenany ho fanatitra sy ho fanavotana amin’ Andriamanitra, ho hanitra ankasitrahana, hamonjy antsika.Select Ephesians 5:2

3Fa ny fijangajangana sy ny fahalotoana rehetra, na ny fieremana, dia aza avela hotononina eo aminareo akory aza, fa tsy mahamendrika ny olona masìna izany,Select Ephesians 5:3

4na fahavetavetana, na resaka fahadalana, na voso-dratsy, izay tsy tokony hatao, fa aleo misaotra.Select Ephesians 5:4

5Fa fantatrareo marimarina fa samy tsy manana lova eo amin’ ny fanjakan’ i Kristy sy Andriamanitra na ny mpijangajanga rehetra, na ny olom-betaveta, na ny olona mierina (mpanompo sampy izany).Select Ephesians 5:5

6Aza mety hofitahin’ olona amin’ ny teny foana ianareo; fa izany zavatra izany no mahatonga ny fahatezeran’ Andriamanitra amin’ ny zanaky ny tsi-fanarahana.Select Ephesians 5:6

7Koa aza mety ho mpiombona aminy ianareo.Select Ephesians 5:7

8Fa maizina ianareo fahiny, fa efa mazava ao amin’ ny Tompo kosa ankehitriny; mandehana tahaka ny zanaky ny mazavaSelect Ephesians 5:8

9(fa ny vokatry ny mazava dia ao amin’ ny fahatsarana rehetra sy ny fahamarinana ary ny fahitsiana),Select Ephesians 5:9

10mamantatra izay ankasitrahan’ ny Tompo.Select Ephesians 5:10

11Ary aza miray amin’ ny asan’ ny maizina tsy mahavoka-tsoa, fa aleo mananatra izany.Select Ephesians 5:11

12Fa izay ataony ao amin’ ny miafina, dia mahamenatra na dia ny milaza izany aza.Select Ephesians 5:12

13Fa ny zavatra rehetra, raha anarina, dia asehon’ ny mazava; fa na inona na inona aseho dia mazava.Select Ephesians 5:13

14Koa izany no ilazany hoe: Mifohaza ianao izay matory, Ary mitsangàna amin’ ny maty, Dia hampahazava anao Kristy.Select Ephesians 5:14

15Koa tandremo tsara izay fandehanareo, mba tsy hitondranareo tena tahaka ny adala, fa tahaka ny hendry,Select Ephesians 5:15

16ka hararaoty ny andro azo anaovan-tsoa, fa ratsy izao fiainana izao.Select Ephesians 5:16

17Ary noho izany dia aza manao adaladala, fa aoka ho fantatrareo izay sitrapon’ ny Tompo.Select Ephesians 5:17

18Ary aza ho mamon-divay ianareo, fa amin’ izany dia misy fanaranam-po amin’ ny ratsy, fa aoka hofenoina ny Fanahy,Select Ephesians 5:18

19ka mifampilazà amin’ ny salamo sy ny fihirana ary ny tonon-kiram-panahy, dia mihira sy mikalo ao am-ponareo ho an’ ny Tompo,Select Ephesians 5:19

20misaotra an’ Andriamanitra Ray mandrakariva noho ny zavatra rehetra, amin’ ny anaran’ i Jesosy Kristy Tompontsika,Select Ephesians 5:20

21sady mifanaiky amin’ ny fahatahorana an’ i Kristy,Select Ephesians 5:21

22Hianareo vehivavy, maneke ny vadinareo tahaka ny anekena ny Tompo.Select Ephesians 5:22

23Fa ny lahy no lohan’ ny vavy, dia tahaka an’ i Kristy koa no Lohan’ ny fiangonana; ary Izy no mpamonjy ny tena.Select Ephesians 5:23

24Fa tahaka ny aneken’ ny fiangonana an’ i Kristy no haneken’ ny vavy ny lahy koa amin’ ny zavatra rehetra.Select Ephesians 5:24

25Hianareo lehilahy, tiava ny vadinareo, dia tahaka ny nitiavan’ i Kristy ny fiangonana ka nanolorany ny tenany hamonjy azy,Select Ephesians 5:25

26mba hahamasina azy amin’ ny anadiovany azy amin’ ny rano fanasana amin’ ny teny;Select Ephesians 5:26

27mba horaisiny ho an’ ny tenany izany ho fiangonana malaza tsy misy pentimpentina, na fiketronana, na izay toy izany, fa mba ho masìna sady tsy misy tsiny izy.Select Ephesians 5:27

28Dia tahaka izany koa, ny lehilahy tokony ho tia ny vadiny tahaka ny tenany ihany. Izay tia ny vadiny dia tia ny tenany.Select Ephesians 5:28

29Fa tsy mba nisy olona tsy tia ny nofony, fa mamelona sy mitaiza azy, dia tahaka an’ i Kristy amin’ ny fiangonana;Select Ephesians 5:29

30fa momba ny tenany isika.Select Ephesians 5:30

31Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hiray amin’ ny vadiny, ary dia ho nofo iray ihany izy roroa.Select Ephesians 5:31

32Zava-miafina lehibe izany; fa milaza ny amin’ i Kristy sy ny fiangonana aho.Select Ephesians 5:32

33Na dia izany aza, samia tia ny vadiny tahaka ny tenany ianareo lehilahy rehetra, ary aoka kosa ny vavy hanaja ny lahy.Select Ephesians 5:33

Next: Ephesians 6Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Ephesians

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.