Skip to content
Church.wiki
Esther

Esther 3

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Rehefa afaka izany zavatra izany, dia nasandratr’ i Ahasoerosy mpanjaka Hamana, zanak’ i Hamedota Agagita, ka nomeny voninahitra, ary ny sezany nataony teo alohan’ ny an’ ny mpanapaka rehetra izay teo aminy.Select Esther 3:1

2Ary ny mpanompon’ ny mpanjaka rehetra izay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka dia nandohalika sy niankohoka teo anatrehan’ i Hamana; fa izany no didin’ ny mpanjaka. Fa Mordekay kosa tsy mba nety nandohalika na niankohoka.Select Esther 3:2

3Dia hoy ny mpanompon’ ny mpanjaka izay teo am-bavahadin’ ny mpanjaka tamin’ i Mordekay: Nahoana ianao no mandika ny didin’ ny mpanjaka?Select Esther 3:3

4Nefa na dia niteny taminy isan’ andro aza ireo, dia tsy mba nihaino azy izy, ka nolazain’ Ireo tamin’ i Hamana, mba hizahany na haharitra amin’ ny teniny ihany Mordekay, na tsia; fa efa nilaza tamin’ ireo izy fa Jiosy.Select Esther 3:4

5Ary rehefa hitan’ i Hamana fa Mordekay tsy mba nety nandohalika na niankohoka teo anatrehany, dia tezitra loatra izy.Select Esther 3:5

6Ary nataon’ i Hamana ho zavatra kely loatra ny haninji-tanana hamely an’ i Mordekay irery ihany (fa efa nambara azy ny firenen’ i Mordekay), ka dia nitady handringana ny Jiosy rehetra eran’ ny fanjakan’ i Ahasoerosy koa izy, dia ny firenen’ i Mordekay.Select Esther 3:6

7Tamin’ ny volana voalohany (volana Nisana izany) tamin’ ny taona faharoa ambin’ ny folo nanjakan’ i Ahasoerosy mpanjaka, nisy nanao pora (filokana izany) teo anatrehan’ i Hamana ny amin’ ny isan’ andro isan’ andro sy ny isam-bolana isam-bolana hatramin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany)Select Esther 3:7

8Ary hoy Hamana tamin’ i Ahasoerosy mpanjaka: tsisy firenena iray efa miely sy mihahaka eny amin’ ny firenena samy hafa isan-tokony eran’ ny fanjakanao; ary hafa lalàna noho ny firenena rehetra ireny sady tsy mba mankatò ny lalàn’ ny mpanjaka; ary tsy mendrika amin’ ny mpanjaka ny hamela azy ho eny;Select Esther 3:8

9koa raha sitraky ny mpanjaka, aoka hosoratana mba haringana ireny, dia handoa talenta volafotsy iray alina ho eo an-tànan’ ny mpanao raharaha aho ho entina ao an-trano firaketan’ ny mpanjaka.Select Esther 3:9

10Dia nesorin’ ny mpanjaka tamin’ ny tànany ny peratra fanombohany ka nomeny an’ i Hamana, zanak’ i Hamedota Agagita, fahavalon’ ny Jiosy.Select Esther 3:10

11Ary hoy ny mpanjaka tamin’ i Hamana: Homena anao ihany ny volafotsy sy ny olona koa hanaovanao azy araka izay sitrakao.Select Esther 3:11

12Dia nantsoina ny mpanoratry ny mpanjaka tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana voalohany, ka nosoratana izany araka izay rehetra nandidian’ i Hamana ho an’ ny solo-mpanjaka sy ny governora tamin’ ny isan-tokony ary ny mpanapaka ny firenena rehetra, ho any amin’ ny isan-tokony araka ny sorany avy, ary ho amin’ ny isam-pirenena araka ny fiteniny avy; dia tamin’ ny anaran’ i Ahasoerosy mpanjaka no nanoratany azy ka notombohiny tamin’ ny peratra fanombohan’ ny mpanjaka.Select Esther 3:12

13Ary ny taratasy dia nampitondrainy ny tsimandoa ho any amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakan’ ny mpanjaka mba hampandringana sy hampamono ary hampandripaka ny Jiosy rehetra, na tanora na antitra hatramin’ ny zaza amim-behivavy aza, amin’ ny indray andro monja, dia tamin’ ny andro fahatelo ambin’ ny folo tamin’ ny volana faharoa ambin’ ny folo (volana Adara izany), ary handroba ny fananany.Select Esther 3:13

14Ny kopen’ ny teny izay natao didy ho amin’ ny isan-tokony amin’ ny fanjakana dia nisokatra mba ho hitan’ ny olona rehetra hampiomana azy ho amin’ izany andro izany.Select Esther 3:14

15Dia nivoaka ny tsimandoa, ka nododonan’ ny tenin’ ny mpanjaka; ary nantsoina tany Sosana renivohitra koa ny lalàna. Ary ny mpanjaka sy Hamana nipetraka hisotro; fa ny tao an-tanàna Sosana kosa dia very hevitra.Select Esther 3:15

Next: Esther 4Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Esther

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.