Skip to content
Church.wiki
Exodus

Exodus 17

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary nifindra ny fiangonana, dia ny Zanak’ Isiraely rehetra, ka niala tao an-efitra Sina, araka izay natoron’ i Jehovah hitobiany, dia nitoby tao Refidima; ary tsy nisy rano hosotroin’ ny olona.Select Exodus 17:1

2Dia nila ady tamin’ i Mosesy ny olona ka nanao hoe: Omeo rano izahay mba hosotroinay. Fa hoy Mosesy taminy: Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy an’ i Jehovah ianareo?Select Exodus 17:2

3Ary nangetaheta teo ny olona, dia nimonomonona tamin’ i Mosesy izy ka nanao hoe: Nahoana ianao no nitondra anay niakatra niala tany Egypta hahafatin-ketaheta anay sy ny zanakay ary ny bibinay?Select Exodus 17:3

4Ary Mosesy nitaraina tamin’ i Jehovah ka nanao hoe: Ahoana no hataoko amin’ ireto olona ireto? fa mila hitora-bato ahy izy.Select Exodus 17:4

5Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandrosoa eo alohan’ ny olona, ary itondray hiaraka aminao ny loholon’ ny Isiraely; ary ny tehinao, ilay nikapohanao an’ i Neily, dia ento eny an-tananao, ka mandehana.Select Exodus 17:5

6Ary, indro, hijanona eo anatrehanao eo ambonin’ ny harambato any Horeba Aho, dia hikapoka ny harambato ianao, ka hisy rano hivoaka avy aminy hosotroin’ ny olona. Dia nanao izany Mosesy teo imason’ ny loholon’ ny Isiraely.Select Exodus 17:6

7Ary ny anaran’ izany tany izany dia nataony hoe Masa sy Meriba, noho ny ady nataon’ ny Zanak’ Isiraely, sy noho ny nakany fanahy an’ i Jehovah hoe: Eto aminay va Jehovah, sa tsia?Select Exodus 17:7

8Ary tonga ny Amalekita ka niady tamin’ ny Isiraely tao Refidima.Select Exodus 17:8

9Dia hoy Mosesy tamin’ i Josoa: Mifidiana lehilahy ho antsika, dia mandehana ka miadia amin’ ny Amalekita; rahampitso dia hijoro eo an-tampon’ ny havoana aho ka hitana ny tehin’ Andriamanitra etỳ an-tanako.Select Exodus 17:9

10Ary Josoa dia nanao araka izay efa nolazain’ i Mosesy taminy, ka niady tamin’ ny Amalekita izy; ary Mosesy sy Arona sy Hora kosa niakatra ho ao an-tampon’ ny havoana.Select Exodus 17:10

11Ary raha nasandratr’ i Mosesy ny tànany, dia nahery ny Isiraely; fa raha nampidininy ny tànany, dia nahery kosa ny Amalekita.Select Exodus 17:11

12Fa efa vizana ny tanan’ i Mosesy; ka dia naka vato izy roa lahy, ka nataony teo ambanin’ i Mosesy hipetrahany; ary Arona sy Hora dia nanohana ny tànany, ka ny iray tamin’ ny anila, ary ny iray kosa tamin’ ny anila; dia naharitra tsy nidina intsony ny tànany mandra-pahafatin’ ny masoandro.Select Exodus 17:12

13Ary Josoa dia nandresy ny Amalekita sy ny olony tamin’ ny lelan-tsabatra.Select Exodus 17:13

14Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Soraty eo amin’ ny boky izany ho fahatsiarovana, ka ambarao amin’ i Josoa; fa hofoanako tokoa ny fahatsiarovana ny Amalekita tsy ho eny ambanin’ ny lanitra.Select Exodus 17:14

15Dia nanorina alitara Mosesy ka nanao ny anarany hoe: Jehovah Nisi.Select Exodus 17:15

16Fa hoy izy: Jehovah nianiana hoe: Ny adin’ i Jehovah amin’ ny Amalekita dia tsy hitsahatra hatramin’ izay taranany fara mandimby.Select Exodus 17:16

Next: Exodus 18Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Exodus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.