Skip to content
Church.wiki
Exodus

Exodus 19

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Tamin’ ny volana fahatelo taorian’ ny nialan’ ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny tany Egypta, dia tamin’ izany andro izany no nahatongavany tany an-efitr’ i Sinay.Select Exodus 19:1

2Ary rehefa nifindra niala teo Refidima izy ka tonga tany amin’ ny efitr’ i Sinay, dia nitoby teo amin’ ny efitra; dia tandrifin’ ny tendrombohitra no nitobian’ ny Isiraely teo.Select Exodus 19:2

3Ary Mosesy niakatra ho ao amin’ Andriamanitra, dia niantso azy Jehovah tao an-tendrombohitra ka nanao hoe: Izao no holazainao amin’ ny taranak’ i Jakoba sy hambaranao amin’ ny Zanak’ Isiraely:Select Exodus 19:3

4Hianareo efa nahita izay nataoko tamin’ ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin’ ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho atỳ amiko.Select Exodus 19:4

5Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa ianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra ianareo; fa Ahy ny tany rehetra.Select Exodus 19:5

6Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masìna ho Ahy ianareo. Ireo teny ireo no holazainao amin’ ny Zanak’ Isiraely.Select Exodus 19:6

7Dia nandeha Mosesy ka nampaka ny loholon’ ny vahoaka, dia nalahany teo anatrehany ireo teny rehetra ireo, izay nandidian’ i Jehovah azy.Select Exodus 19:7

8Dia namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Izay teny rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay. Ary dia nentin’ i Mosesy tao amin’ i Jehovah kosa ny tenin’ ny olona.Select Exodus 19:8

9Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Indro Aho mankeo aminao ao anatin’ ny rahona maizina, mba ho ren’ ny olona raha miteny aminao Aho, ka dia hino anao mandrakariva izy. Dia nambaran’ i Mosesy tamin’ i Jehovah ny tenin’ ny olona.Select Exodus 19:9

10Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Mandehana ho eny amin’ ny olona, ka manamasìna azy anio sy ampitso, ary ampanasao ny fitafiany izy:Select Exodus 19:10

11ary aoka samy hiomana ho amin’ ny andro fahatelo izy; fa amin’ ny andro fahatelo no hidinan’ i Jehovah ho eo imason’ ny olona rehetra eo an-tampon’ ny tendrombohitra Sinay.Select Exodus 19:11

12Dia hanisy fefy manodidina ho an’ ny olona ianao ka hanao hoe: Mitandrema ianareo mba tsy hiakatra ao amin’ ny tendrombohitra, na hikasika ny sisiny akory aza; fa na iza na iza mikasika ny tendrombohitra dia hatao maty tokoa;Select Exodus 19:12

13tsy hisy tanana hikasika azy, fa hotoraham-bato tokoa izy, na hotifirina tokoa, na biby na olona, tsy mba hovelomina izy; fa raha manao feo lavareny ny anjomara, dia vao hiakatra ho ao amin’ ny tendrombohitra izy.Select Exodus 19:13

14Dia nidina avy tao amin’ ny tendrombohitra Mosesy ka nankeny amin’ ny olona; dia nanamasina ny olona izy, ka samy nanasa ny fitafiany.Select Exodus 19:14

15Ary hoy izy tamin’ ny olona: Miomàna ianareo ho amin’ ny andro fahatelo; aza manakaiky vehivavy akory.Select Exodus 19:15

16Ary nony tamin’ ny marain’ ny andro fahatelo dia nisy kotrokorana sy helatra ary rahona matevina teo amin’ ny tendrombohitra, ary nisy feon’ anjomara mafy indrindra, dia toran-kovitra ny olona rehetra izay teo an-toby.Select Exodus 19:16

17Ary Mosesy nitondra ny olona nivoaka avy teo an-toby mba hihaona amin’ Andriamanitra; dia nijanona teo am-bodin’ ny tendrombohitra izy.Select Exodus 19:17

18Ary ny tendrombohitra Sinay nivoa-tsetroka avokoa, satria Jehovah nidina teo amboniny tao anaty afo; dia niakatra ny setroka tahaka ny setroky ny lafaoro lehibe, ary nihorohoro mafy ny tendrombohitra Sinay rehetra.Select Exodus 19:18

19Ary rehefa notsofina ny anjomara ka nidradradradra, dia niteny Mosesy, ary Andriamanitra namaly feo azy.Select Exodus 19:19

20Ary Jehovah nidina nankeo an-tendrombohitra Sinay, dia teo an-tampon’ ny tendrombohitra; ary Jehovah niantso an’ i Mosesy hankeo an-tampon’ ny tendrombohitra; dia niakatra Mosesy.Select Exodus 19:20

21Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Midìna, ka pepero ny olona, fandrao hisisika hankao amin’ i Jehovah izy mba hijery ka hahafatesana maro.Select Exodus 19:21

22Ary aoka ny mpisorona koa, izay manakaiky an’ i Jehovah, hanamasina ny tenany, fandrao himaona hamely azy Jehovah.Select Exodus 19:22

23Ary hoy Mosesy tamin’ i Jehovah: Tsy mahazo miakatra ho eto amin’ ny tendrombohitra Sinay ny olona; fa Hianao nandidy anay ka nanao hoe: Fefeo ny tendrombohitra, ka hamasino izy.Select Exodus 19:23

24Ary hoy Jehovah taminy: Mandehana midìna, nefa miakara ianao, ka ento hiaraka aminao Arona; fa ny mpisorona sy ny olona dia aza avela hisisika hiakatra ho ao amin’ i Jehovah, fandrao haringana izy.Select Exodus 19:24

25Ary Mosesy dia nidina nankeny amin’ ny olona ka niteny taminy.Select Exodus 19:25

Next: Exodus 20Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Exodus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.