Skip to content
Church.wiki
Exodus

Exodus 24

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary hoy Izy tamin’ i Mosesy: Miakara ao amin’ i Jehovah ianao sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy amin’ ny loholon’ ny Isiraely; ka miankohofa eny lavitra eny ianareo;Select Exodus 24:1

2nefa Mosesy ihany no hanakaiky an’ i Jehovah, fa ireo tsy mba hanakaiky; ary ny olona tsy hiakatra homba azy.Select Exodus 24:2

3Dia tonga Mosesy ka nanambara tamin’ ny olona ny teny rehetra izay nataon’ i Jehovah sy ny fitsipika rehetra. Ary namaly indray miredona ny olona rehetra ka nanao hoe: Ny teny rehetra izay nolazain’ i Jehovah dia hataonay.Select Exodus 24:3

4Ary Mosesy nanoratra ny teny rehetra nataon’ i Jehovah, dia nifoha maraina koa ka nanorina alitara teo am-bodin’ ny tendrombohitra sy tsangam-bato roa ambin’ ny folo, araka ny firenen’ Isiraely roa ambin’ ny folo.Select Exodus 24:4

5Ary ny zatovo amin’ ny Zanak’ Isiraely nirahiny, dia nitondra fanatitra dorana ireo ka namono vantotr’ ombilahy hatao fanati-pihavanana ho an’ i Jehovah.Select Exodus 24:5

6Ary nalain’ i Mosesy ny antsasaky ny rà ka nataony teo anaty lovia, ary ny antsasaky ny rà kosa natopiny teo amin’ ny alitara.Select Exodus 24:6

7Dia naka ny bokin’ ny fanekena izy ka namaky teny teo anatrehan’ ny olona. Ary hoy ny olona: Izay rehetra nolazain’ i Jehovah dia hataonay sy hekenay.Select Exodus 24:7

8Ary nalain’ i Mosesy ny rà ka natopiny tamin’ ny olona, dia hoy izy: Indro ny ran’ ny fanekena izay nataon’ i Jehovah taminareo ny amin’ izany teny rehetra izany.Select Exodus 24:8

9Dia niakatra Mosesy sy Arona sy Nadaba sy Abiho ary fito-polo lahy tamin’ ny loholon’ ny Isiraely.Select Exodus 24:9

10Dia nahita an’ Andriamanitry ny Isiraely izy; koa ny teo ambanin’ ny tongony dia toy ny fanganohanon’ ny vato safira voavoatra, ary toy ny tenan’ ny lanitra ny famirapirany.Select Exodus 24:10

11Ary tsy naninjitra ny tànany tamin’ ireo lehiben’ ny Zanak’ Isiraely Izy; dia nahita an’ Andriamanitra izy ireo, ary nihinana sy nisotro.Select Exodus 24:11

12Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Miakara eto amiko eto an-tendrombohitra ka mitoera eto, dia homeko anao ny vato fisaka izay misy ny lalàna sy ny didy, izay nosoratako hampianarina azy.Select Exodus 24:12

13Dia niainga Mosesy sy Josoa mpanompony; ary Mosesy dia niakatra tao an-tendrombohitr’ Andriamanitra.Select Exodus 24:13

14Ary hoy izy tamin’ ny loholona: Miandrasa anay eto mandra-piverinay eto aminareo; ary, indro, Arona sy Hora dia eto aminareo, koa raha misy olona manana ady, aoka hankeo amin’ izy roa lahy izy.Select Exodus 24:14

15Dia niakatra tao amin’ ny tendrombohitra Mosesy, ary ny rahona nanarona ny tendrombohitra.Select Exodus 24:15

16Ary ny voninahitr’ i Jehovah nitoetra teo ambonin’ ny tendrombohitra Sinay, ary ny rahona nanarona azy henemana; dia niantso an’ i Mosesy tamin’ ny andro fahafito teo afovoan’ ny rahona Izy.Select Exodus 24:16

17Ary ny fijery ny voninahitr’ i Jehovah teo an-tampon’ ny tendrombohitra dia tahaka ny afo mandevona teo imason’ ny Zanak’ Isiraely.Select Exodus 24:17

18Dia niditra tao afovoan’ ny rahona Mosesy ka niakatra tao amin’ ny tendrombohitra; ary nitoetra tao amin’ ny tendrombohitra efa-polo andro sy efa-polo alina Mosesy.Select Exodus 24:18

Next: Exodus 25Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Exodus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.