Skip to content
Church.wiki
Exodus

Exodus 26

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary ny tabernakely dia hataonao ambainy folo amin’ ny rongony fotsy madinika voahasina sy manga sy volomparasy ary mena; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.Select Exodus 26:1

2Ny halavan’ ny ambainy iray dia valo amby roa-polo hakiho; ary ny lambanan’ ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy rehetra.Select Exodus 26:2

3Ambainy dimy no havitrana ho iray; ary ambainy dimy koa no havitrana ho iray.Select Exodus 26:3

4Ary manaova tadivavarana manga ho eo an-tsisin’ ny ambainy iray, dia eo an-tsisin’ ny anankiray efa voavitrana; ary manaova toy izany koa amin’ ny ambainy farany, dia eo an-tsisin’ ny anankiray efa voavitrana koa.Select Exodus 26:4

5Tadivavarana dimam-polo no hataonao eo amin’ ny ambainy iray, ary tadivavarana dimam-polo koa no hataonao eo amin’ ny sisin’ ny ambainy izay amin’ ny anankiray efa voavitrana koa; ary hifandray ny tadivavarana.Select Exodus 26:5

6Ary manaova farango volamena dimam-polo, ka akambano amin’ ny farango ny ambainy, ka dia ho voakambana ho iray ny tabernakely.Select Exodus 26:6

7Ary manaova ambainy koa amin’ ny volon’ osy ho lay handrakofana ny tabernakely; dia iraika ambin’ ny folo ambainy no hanaovanao azy.Select Exodus 26:7

8Ny halavan’ ny ambainy iray dia telo-polo hakiho, ary ny lambanan’ ny ambainy iray dia efatra hakiho; hitovy ohatra ny ambainy iraika ambin’ ny folo.Select Exodus 26:8

9Ary avitrano ny ambainy dimy hikambana, ary ny ambainy enina kosa hikambana. Ary aforeto ny ambainy fahenina amin’ ny sakan’ ny lay anatrehana.Select Exodus 26:9

10Ary manaova tadivavarana dimam-polo eo an-tsisin’ ny ambainy iray izay farany amin’ ny efa voavitrana; ary tadivavarana dimam-polo koa ho eo an-tsisin’ ny ambainy iray amin’ ny anankiray koa efa voavitrana.Select Exodus 26:10

11Ary manaova farango; varahina dimam-polo, ka ampidiro ho eo amin’ ny tadivavarana ary akambano ny lay, ka dia ho iray ihany izy.Select Exodus 26:11

12Ary izay mihoatra amin’ ny ambain’ ny lay, dia ny antsasaky ny ambainy izay mihoatra, dia avelao hiraviravy eo ivohon’ ny tabernakely.Select Exodus 26:12

13Ary ny iray hakiho avy eo amin’ ny lohany roa amin’ ny lamba, izay mihoatra amin’ ny halavan’ ny ambain’ ny lay, dia avelao hiraviravy eo amin’ ny lafibeny roa amin’ ny tabernakely handrakotra azy.Select Exodus 26:13

14Ary manaova koa rakotry ny lay amin’ ny hoditr’ ondrilahy efa nomenaina, ary manaova sarony hodi-takasy ho eo amboniny.Select Exodus 26:14

15Ary manaova zana-kazo akasia ho amin’ ny tabernakely.Select Exodus 26:15

16Folo hakiho ny hahavon’ ny zana-kazo iray, ary iray hakiho sy sasany ny indraben’ ny zana-kazo iray.Select Exodus 26:16

17Lahiny roa no ho amin’ ny zana-kazo iray, ka hasiana izay hikambanany; izany no hanaovanao ny zana-kazo rehetra amin’ ny tabernakely.Select Exodus 26:17

18Ary manaova ny zana-kazo ho amin’ ny tabernakely, dia zana-kazo roa-polo ho eo amin’ ny lafiny atsimo.Select Exodus 26:18

19Ary manaova faladia volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo iray hiorenan’ ny lahiny roa.Select Exodus 26:19

20Ary manaova zana-kazo roa-polo ho eo amin’ ny lafiny faharoa amin’ ny tabernakely, dia ny lafiny avaratra.Select Exodus 26:20

21Ary manaova faladiany volafotsy efa-polo, dia faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo iray.Select Exodus 26:21

22Ary ny lafiny andrefana amin’ ny tabernakely, izay ao ivohony, dia hanaovanao zana-kazo enina.Select Exodus 26:22

23Ary zana-kazo roa no hataonao ho eo amin’ ny zoron’ ny tabernakely amin’ ny lafiny ivoho.Select Exodus 26:23

24Ary hakambana ho iray izy hatramin’ ny ambany ka hatramin’ ny ambony, ka hasianao vava vola iray ihany: ho toy izany avokoa izy roa; eo amin’ ny zorony roa no hisy izany.Select Exodus 26:24

25Ary aoka hisy zana-kazo valo sy ny faladiany volafotsy, dia faladia enina ambin’ ny folo: faladia roa avy ho ambanin’ ny isan-janakazo iray.Select Exodus 26:25

26Ary manaova barany hazo akasia: dia dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny iray amin’ ny tabernakely,Select Exodus 26:26

27sy barany dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny iray koa amin’ ny tabernakely, ary barany dimy ho amin’ ny zana-kazo amin’ ny lafiny andrefana izay ao ivohony.Select Exodus 26:27

28Ary ny barany afovoany, izay afovoan’ ny zana-kazo, dia hahatratra ny farany roa.Select Exodus 26:28

29Ary ny zana-kazo hopetahanao takela-bolamena, ary hataonao volamena koa ny vava vola aminy, izay hitoeran’ ny barany; ary petaho takela-bolamena koa ny barany.Select Exodus 26:29

30Ary manangana ny tabernakely araka ny endriny, dia ilay naseho taminao tao an-tendrombohitra.Select Exodus 26:30

31Ary manaova efitra lamba manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; kerobima, asan’ ny mpanenona mahay, no hataonao sorany.Select Exodus 26:31

32Ary ahantòny amin’ ny andry hazo akasia efatra izay voapateka takela-bolamena izy; ho volamena koa ny fihantonany; ary eo amin’ ny faladia volafotsy efatra no hiorenany.Select Exodus 26:32

33Ary ny efitra lamba dia ataovy eo ambanin’ ny farango; ary ampidiro ao anatin’ ny efitra lamba ny fiaran’ ny Vavolombelona; ary ny efitra lamba no hampisaraka ny fitoerana masìna sy ny fitoerana masìna indrindra ho anareo.Select Exodus 26:33

34Ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia ataovy eo ambonin’ ny fiaran’ ny Vavolombelona eo amin’ ny fitoerana masìna indrindra.Select Exodus 26:34

35Ary apetraho eo ivelan’ ny efitra ny latabatra, ary ny fanaovan-jiro tandrifin’ ny latabatra amin’ ny lafiny atsimo amin’ ny tabernakely; ary ny latabatra ataovy eo amin’ ny lafiny avaratra.Select Exodus 26:35

36Ary manaova varavarana lamba ho eo amin’ ny lay, dia amin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina, asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra.Select Exodus 26:36

37Ary manaova andry hazo akasia dimy ho amin’ ny varavarana lamba, ka petaho takela-bolamena; ary ho volamena koa ny fihantonany; ary mandrendreha faladia varahina dimy hiorenany.Select Exodus 26:37

Next: Exodus 27Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Exodus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.