Skip to content
Church.wiki
Exodus

Exodus 29

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary izao no zavatra hataonao aminy hanamasinana azy ho mpisorona ho Ahy: makà vantotr’ ombilahy iray sy ondrilahy roa tsy misy kilema,Select Exodus 29:1

2ary mofo tsy misy masirasira sy mofo tsy misy masirasira voaharo diloilo ary mofo manify tsy misy masirasira sady voahoso-diloilo; koba tsara toto no hanaovanao azy.Select Exodus 29:2

3Ary ataovy eo anaty harona iray izy, ka ento amin’ ny harona; ary ny vantotr’ ombilahy sy ny ondrilahy roa dia ento koa.Select Exodus 29:3

4Ary Arona Sy ny zanany dia ento hankeo amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin’ ny rano izySelect Exodus 29:4

5Ary alao ny fitafiana ka ampiakanjoy an’ i Arona ny akanjo lava sy ny akanjo ivelany misy ny efoda ary ny efoda sy ny saron-tratra ary fehezo amin’ ny fehin-kibo mamba ny efoda izy;Select Exodus 29:5

6ary ny hamama dia ataovy eo amin’ ny lohany, ary ny diadema masìna dia ataovy eo amin’ ny hamama.Select Exodus 29:6

7Ary alao ny diloilo fanosorana, ka aidino amin’ ny lohany, dia manosora azy.Select Exodus 29:7

8Ary ny zanany dia ento koa, ka ampiakanjoy akanjo lava.Select Exodus 29:8

9Ary fehezo amin’ ny fehin-kibo izy, dia Arona sy ny zanany, ary fehezo aminy ny satroka boribory; ary ho azy ny fisoronana ho lalàna mandrakizay. Dia toy izany no hanokananao an’ i Arona sy ny zanany.Select Exodus 29:9

10Ary asaovy entina ho eo anoloan’ ny trano-lay fihaonana ny vantotr’ ombilahy; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny vantotr’ ombilahy;Select Exodus 29:10

11dia vonoy eo anatrehan’ i Jehovah ny vantotr’ ombilahy, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana;Select Exodus 29:11

12ary analao ny ran’ ny vantotr’ ombilahy, dia atenteno eo amin’ ny tandroky ny alitara amin’ ny fanandranao, ary ny rà sisa rehetra dia aidino eo am-bodin’ ny alitara;Select Exodus 29:12

13ary alao ny safo-drorohany rehetra sy ny ila-atiny lehibe ary ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany, ka dory ho fofona eo ambonin’ ny alitara;Select Exodus 29:13

14fa ny henan’ ny vantotr’ ombilahy sy ny hodiny ary ny tain-drorohany dia dory amin’ ny afo eny ivelan’ ny toby; fanatitra noho ny ota izany.Select Exodus 29:14

15Ary alao ny ondrilahy iray; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny ondrilahy;Select Exodus 29:15

16dia vonoy ny ondrilahy, ka tantazo ny ràny, dia atopazy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitara;Select Exodus 29:16

17ary rasao tsara ny ondrilahy, dia sasao ny taovany sy ny tongony, ka ataovy eo ambonin’ ny voarasa sy ny lohany;Select Exodus 29:17

18ary dory ho fofona eo ambonin’ ny alitara ny tenan’ ny ondrilahy; ho fanatitra dorana ho an’ i Jehovah izany, dia hanitra ankasitrahana, fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.Select Exodus 29:18

19Ary alao ny ondrilahy iray koa; ary aoka Arona sy ny zanany hametraka ny tànany amin’ ny lohan’ ny ondrilahy;Select Exodus 29:19

20dia vonoy ny ondrilahy ka analao ny ràny, dia atenteno amin’ ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ i Arona sy amin’ ny tendron’ ny ravin-tsofina ankavanan’ ny zanany, ary amin’ ny ankihiben-tànany ankavanana sy amin’ ny ankihiben-tongony ankavanana; ary ny rà sisa dia atopazy manodidina amin’ ny lafin’ ny alitaraSelect Exodus 29:20

21Ary analao ny rà, izay eo ambonin’ ny alitara, sy ny diloilo fanosorana, ka afafazo amin’ i Arona sy amin’ ny fitafiany, ary amin’ ny zanany sy amin’ ny fitafian’ ny zanany koa; dia ho masìna izy sy ny fitafiany ary ny zanany sy ny fitafian’ ny zanany koa.Select Exodus 29:21

22Ary alao ny saboran’ ny ondrilahy sy ny hofany sy ny safo-drorohany sy ny ila-atiny lehibe sy ny voany roa mbamin’ ny fonom-boany ary ny soroka ankavanana; fa ondrilahy fanakanana izy;Select Exodus 29:22

23ary manala iray amin’ ny mofo sy iray amin’ ny mofo voaisy diloilo ary iray amin’ ny mofo manify izay eo amin’ ny harona misy ny mofo tsy misy masirasira, izay eo anatrehan’ i Jehovah;Select Exodus 29:23

24ary ataovy eo an-tànan’ i Arona sy eo an-tànan’ ny zanany izy rehetra, ka ahevahevao izy hofanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah.Select Exodus 29:24

25Dia raiso amin’ ny tànany izany, ka dory ho fofona eo ambonin’ ny alitara, miaraka amin’ ny fanatitra dorana ho hanitra ankasitrahana eo anatrehan’ i Jehovah, dia fanatitra atao amin’ ny afo, ho an’ i Jehovah.Select Exodus 29:25

26Ary alao ny tratran’ ny ondrilahy fanokanana an’ i Arona, ka ahevahevao ho fanatitra ahevaheva eo anatrehan’ i Jehovah; dia ho anjaranao izany.Select Exodus 29:26

27Ary hamasino ny tratran’ ny fanatitra ahevaheva sy ny soroky ny fanatitra asandratra, izay ahevaheva sy izay asandratra avy amin’ ny ondrilahy fanokanana, dia izay ho an’ i Arona sy izay ho an’ ny zanany.Select Exodus 29:27

28Ary ho anjara mandrakizay ho an’ i Arona sy ho an’ ny taranany avy amin’ ny Zanak’ Isiraely izany, fa fanatitra asandratra izany; ary hisy fanatitra asandratra haterin’ ny Zanak’ Isiraely avy amin’ ny fanati-pihavanany rehetra ho fanatitra asandratra ho an’ i Jehovah.Select Exodus 29:28

29Ary ny fitafiana masìna izay an’ i Arona dia ho an’ ny zanany mandimby azy koa hanosorana azy sy hanokanana azy.Select Exodus 29:29

30Hiakanjo azy hafitoana izay anankiray amin’ ny zanany ho mpisarona handimby azy, dia izay miditra amin’ ny trano-lay fihaonana hanao fanompoam-pivavahana ao amin’ ny fitoerana masìna.Select Exodus 29:30

31Ary alao ny ondrilahy fanokanana ka andrahoy eo amin’ izay fitoerana masìna ny henanySelect Exodus 29:31

32Ary hohanin’ i Arona sy ny zanany eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana ny henan’ ny ondrilahy sy ny mofo izay eo anatin’ ny harona.Select Exodus 29:32

33Ary izy na hihinana izany zavatra izany, izay nanaovana fanavotana ho azy, mba hanokanana sy hanamasinana azy; fa ny vahiny tsy mba hihinana, satria masìna izany.Select Exodus 29:33

34Ary raha misy sisa tsy lany amin’ ny henan’ ny fanatitra fanokanana, na amin’ ny mofo, ka tra-maraina, dia hodoranao amin’ ny afo ny sisa tsy lany: tsy hohanina izany, satria masìna.Select Exodus 29:34

35Dia manaova izany amin’ i Arona sy ny zanany, araka izay rehetra nandidiako anao; hafitoana no hanokananao azy.Select Exodus 29:35

36Ary vantotr’ ombilahy iray no haterinao isan’ andro ho fanatitra noho ny ota, hanaovana fanavotana; ary diovy ny alitara, raha manao fanavotana azy ianao; ary hosory izy hanamasina azy.Select Exodus 29:36

37Hafitoana no hanaovanao fanavotana ho an’ ny alitara sy hanamasinanao azy; dia ho masìna indrindra ny alitara, ary ho masìna izay rehetra manendry azy.Select Exodus 29:37

38Ary izao no haterinao eo ambonin’ ny alitara: zanak’ ondry roa izay iray taona isan’ andro isan’ androSelect Exodus 29:38

39(ny zanak’ ondry iray haterinao nony maraina, ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva),Select Exodus 29:39

40ary koba tsara toto ampahafolon’ ny efaha voaharoharo diloilo voavely ampahefatry ny hina sy divay ampahefatry ny hina, ho fanatitra aidina amin’ ny isan-janak’ ondry iray.Select Exodus 29:40

41Ary ny zanak’ ondry iray koa haterinao nony hariva; ary fanatitra hohanina sy fanatitra aidina tahaka ny natao tamin’ ny fanatitra maraina no hampombainao azy, ho hanitra ankasitrahana, dia fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah.Select Exodus 29:41

42Ho fanatitra dorana mandrakariva izany hatramin’ ny taranakareo fara mandimby, eo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana eo anatrehan’ i Jehovah, dia ao amin’ izay hihaonako aminareo hiteny aminaoSelect Exodus 29:42

43Ary hihaona amin’ ny Zanak’ Isiraely ao Aho, ka hohamasinin’ ny voninahitro izy.Select Exodus 29:43

44Ary hohamasiniko ny trano-lay fihaonana sy ny alitara; ary hohamasiniko koa Arona sy ny zanany mba ho mpisorona ho Ahy.Select Exodus 29:44

45Ary honina eo amin’ ny Zanak’ Isiraely Aho ka ho Andriamaniny.Select Exodus 29:45

46Ary ho fantany fa Izaho no Jehovah Andriamaniny, Izay nitondra azy nivoaka avy tany amin’ ny tany Egypta, mba honina eo aminy Aho; Izaho no Jehovah Andriamaniny.Select Exodus 29:46

Next: Exodus 30Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Exodus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.