Exodus 30
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary manaova alitara handoroana ditin-kazo manitra; hazo akasia no hanaovanao azy.Select Exodus 30:1
2Ho iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia ho efa-joro izy, ary ho roa hakiho ny hahavony; koa ataovy miray aminy ny tandrony.Select Exodus 30:2
3Ary petaho takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary asio koronosy volamena manodidina.Select Exodus 30:3
4Ary asio vava volamena roa izy eo ambanin’ ny koronosiny, ka ataovy eo amin’ ny zorony efatra ireo; ary ho fitoeran’ ny bao ireo hilanjana azy.Select Exodus 30:4
5Ary hazo akasia no anaovy ny bao, ka petaho takela-bolamena.Select Exodus 30:5
6Ary apetraho eo anoloan’ ny efitra izay manakona ny fiaran’ ny Vavolombelona izy, dia manandrify ny rakotra fanaovam-panavotana eo ambonin’ ny Vavolombelona, izay hihaonako aminao.Select Exodus 30:6
7Ary Arona handoro ditin-kazo mani-pofona eo; isa-maraina, raha mamboatra ny lela fanaovan-jiro, no handoroany izany;Select Exodus 30:7
8ary raha mampirehitra ny lela fanaovan-jiro Arona nony hariva no handoroany izany koa; ditin-kazo mani-pofona eo anatrehan’ i Jehovah mandrakariva hatramin’ ny taranakareo fara mandimby izany.Select Exodus 30:8
9Aza manatitra ditin-kazo manitra tsy izy eo ianareo, na fanatitra dorana, na fanatitra hohanina; ary aza manidina fanatitra aidina eo.Select Exodus 30:9
10Ary aoka Arona hanao fanavotana eo amin’ ny tandrony indray mandeha isan-kerintaona; amin’ ny ran’ ny fanatitra noho ny ota, izay atao fanavotana, indray mandeha isan-kerintaona, no hanaovany fanavotana eo, hatramin’ ny taranakareo fara mandimby; ho masìna indrindra ho an’ i Jehovah izany.Select Exodus 30:10
11Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe;Select Exodus 30:11
12Raha maka ny isan’ ny Zanak’ Isiraely araka ny fandaminana azy ianao, dia samy handoa avotry ny ainy avy ho an’ i Jehovah ny isan-olona, raha alamina izy, mba tsy hisy areti-mandringana hanjo azy, raha alamina izy.Select Exodus 30:12
13Izao no haloan’ izay rehetra voalamina, dia antsasaky ny sekely avy araka ny sekely masìna (gera roa-polo ny sekely iray), eny, antsasaky ny sekely ho fanatitra ho an’ i Jehovah.Select Exodus 30:13
14Izay rehetra voalamina hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra no handoa ny fanatitra ho an’ i Jehovah.Select Exodus 30:14
15Ny manan-karena tsy handoa mihoatra noho ny antsasaky ny sekely, ary ny malahelo tsy handoa latsaka, raha mandoa ny fanatitra ho an’ i Jehovah izy, hanavotra ny ainareo.Select Exodus 30:15
16Ary handray ny vola avotra amin’ ny Zanak’ Isiraely ianao, ka hataonao amin’ ny fanompoana ao amin’ ny trano-lay fihaonana; ary ho fahatsiarovana ho an’ ny Zanak’ Isiraely eo anatrehan’ i Jehovah izany, ho avotry ny ainareo.Select Exodus 30:16
17Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Exodus 30:17
18Manaova tavy varahina hanasana, ary aoka ho varahina koa ny faladiany; ary apetraho eo anelanelan’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara izy, ka asio rano eo anatiny.Select Exodus 30:18
19Ary eo no hanasan’ i Arona sy ny zanany ny tongony aman-tanany.Select Exodus 30:19
20Raha miditra amin’ ny trano-lay fihaonana izy, dia hisasa amin’ ny rano, mba tsy hahafaty azy. Ary raha manakaiky ny alitara hanao fanompoam-pivavahana izy, mba handoro ny fanatitra atao amin’ ny afo ho an’ i Jehovah,Select Exodus 30:20
21dia hanasa ny tongony aman-tànany izy, mba tsy hahafaty azy; ary ho lalàna mandrakizay aminy sy ny zanany izany hatramin’ ny taranany fara mandimby.Select Exodus 30:21
22Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Exodus 30:22
23Makà zava-manitra tsara ho anao, dia miora mitete dimam-jato sekely sy havozomanitra antsasak’ izany, dia dimam-polo amby roan-jato, sy veromanitra dimam-polo amby roan-jatoSelect Exodus 30:23
24sy kasia dimam-jato; araka ny sekely masìna, ary diloilon’ oliva eran’ ny hina;Select Exodus 30:24
25dia amboary ho diloilo fanosorana masìna izany, ho zavatra aharoharo, asan’ ny mpangaroharo zava-manitra; ho diloilo fanosorana masìna izany.Select Exodus 30:25
26Ary hosory amin’ izany ny trano-lay fihaonana sy ny fiaran’ ny Vavolombelona,Select Exodus 30:26
27sy ny latabatra mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy sy ny fanaovan-jiro mbamin’ ny fanaka momba azy sy ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra,Select Exodus 30:27
28ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy ary ny tavy sy ny faladiany.Select Exodus 30:28
29Ary hamasino ireo mba ho masìna indrindra; ary ho masìna izay rehetra manendry azy.Select Exodus 30:29
30Ary hosory Arona sy ny zanany, ka hamasino izy mba ho mpisorona ho Ahy.Select Exodus 30:30
31Ary mitenena amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Ity ho diloilo fanosorana masìna ho Ahy hatramin’ ny taranakareo fara mandimby.Select Exodus 30:31
32Aoka tsy hihosoran’ ny olon-kafa izany, na hisy haka tahaka azy, araka ny fanaovana azy; fa masìna izy ka ho masìna aminareo.Select Exodus 30:32
33Na zovy na zovy mangaroharo izay tahaka azy, ary na zovy na zovy manosotra azy amin’ ny vahiny dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.Select Exodus 30:33
34Dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Makà zava-manitra ho anao, dia natafa sy sekeleta sy helbena ary lebona madio; samy hamboarina manokana ireo.Select Exodus 30:34
35Ary ataovy ditin-kazo manitra izy, dia zavatra aharoharo araka ny fanaon’ ny mpangaroharo zava-manitra, dia asio sira izy, ary aoka ho madio sy masìna.Select Exodus 30:35
36Ary torotoroy ny sasany ho madinika indrindra, dia ataovy eo anoloan’ ny Vavolombelona ao amin’ ny trano-lay fihaonana, izay hihaonako aminao; ho masìna indrindra ho anareo izany.Select Exodus 30:36
37Ary ny amin’ ny ditin-kazo manitra izay hataonao, dia aza mba misy atao tahaka azy ny ho anareo; ho masìna aminao ho an’ i Jehovah izany.Select Exodus 30:37
38Na zovy na zovy manao izay tahaka azy ho fanorohana dia hofongorana tsy ho amin’ ny fireneny.Select Exodus 30:38
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation