Skip to content
Church.wiki
Exodus

Exodus 37

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Bezalila nanao ny fiara tamin’ ny hazo akasia: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony;Select Exodus 37:1

2ary nopetahany takela-bolamena tsara tao anatiny sy teo ivelany; ary nasiany koronosy volamena manodidina.Select Exodus 37:2

3Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin’ ny tongony efatra: dia vava vola roa teo amin’ ny lafiny iray, ary vava vola roa teo amin’ ny lafiny iray koa.Select Exodus 37:3

4Ary nanao bao tamin’ ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-bolamena.Select Exodus 37:4

5Ary nampidiriny ny bao ho eo amin’ ny vava vola, izay eo amin’ ny lafin’ ny fiara, hilanjana azy.Select Exodus 37:5

6Ary nanao rakotra fanaovam-panavotana tamin’ ny volamena tsara izy: roa hakiho sy sasany ny lavany, ary iray hakiho sy sasany ny sakany.Select Exodus 37:6

7Ary nanao kerobima volamena roa izy; voasana no nanaovany azy roa miray amin’ ny lohany roa amin’ ny rakotra fanaovam-panavotana:Select Exodus 37:7

8dia ny kerobima iray nataony teo amin’ ny sakany anankiray, ary ny kerobima iray kosa teo amin’ ny sakany anankiray: indray mivofy tamin’ ny rakotra fanaovam-panavotana no nanaovany ny kerobima roa, dia teo amin’ ny sakany roa.Select Exodus 37:8

9Ary ny elatry ny kerobima nivelatra teo ambony, ka nalofan’ ny elany ny rakotra fanaovam-panavotana; ary ny tavany nifanatrika, sady nanatrika ny rakotra fanaovam-panavotana koa izy.Select Exodus 37:9

10Ary nanao ny latabatra tamin’ ny hazo akasia izy: roa hakiho ny lavany, ary iray hakiho ny sakany, ary iray hakiho sy sasany ny hahavony.Select Exodus 37:10

11Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, sady nasiany koronosy volamena manodidina azy.Select Exodus 37:11

12Ary nasiany sisiny vodivoam-pelatanana manodidina azy, ary nasiany koronosy volamena ny sisiny manodidina.Select Exodus 37:12

13Ary nandrendrika vava volamena efatra hatao aminy izy, ka nataony teo amin’ ny zorony efatra, izay eo amin’ ny tongony efatra, ireo:Select Exodus 37:13

14eo akaikin’ ny sisiny no nisian’ ny vava vola ho fitoeran’ ny bao hilanjana ny latabatra.Select Exodus 37:14

15Ary nanao ny bao tamin’ ny hazo akasia izy, hilanjana ny latabatra, ka nopetahany takela-bolamena.Select Exodus 37:15

16Ary nanao ny fanaka izay eo ambonin’ ny latabatra izy, dia ny lovia ny sy ny lovia keliny ary ny kapoakany sy ny fitoeran-divainy ho fanidinam-panatitra; volamena tsara no nanaovany ireo.Select Exodus 37:16

17Ary nanao ny fanaovan-jiro tamin’ ny volamena tsara izy; voasana no nanaovany ny fanaovan-jiro; nataony indray mivofy taminy avokoa ny faladiany sy ny tahony sy ny vodi-voniny sy ny kiboriny ary ny voniny.Select Exodus 37:17

18Ary nisy sampany enina tamin’ ny ankilany roa, dia sampany telo tamin’ ny fanaovan-jiro amin’ ny ankilany iray, ary sampany telo tamin’ ny fanaovan-jiro amin’ ny ankilany iray koa;Select Exodus 37:18

19teo amin’ ny sampany anankiray nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny; ary teo amin’ ny sampany anankiray koa nisy vodi-voniny telo natao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny; dia toy izany avokoa tamin’ ny sampany enina tamin’ ny fanaovan-jiro.Select Exodus 37:19

20Ary teo amin’ ny fanaovan-jiro dia nisy vodi-voniny efatra natao tahaka ny vonin’ ny amygdala, mbamin’ ny kiboriny sy ny voniny,Select Exodus 37:20

21dia kiboriny iray eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin’ ny sampany roa sady miray aminy, ary kiboriny iray eo ambanin’ ny sampany roa koa sady miray aminy; dia amin’ ny sampany enina izay miray amin’ ny fanaovan-jiro.Select Exodus 37:21

22Ny kiboriny sy ny sampany dia niray taminy avokoa; natao indray mivofy tamin’ ny volamena tsara izy rehetra.Select Exodus 37:22

23Ary nanao ny lela fanaovan-jirony fito sy ny hetin-jirony sy ny fitoeran-davenon-jirony tamin’ ny volamena tsara izy.Select Exodus 37:23

24Volamena tsara talenta iray no nanaovany azy mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy.Select Exodus 37:24

25Ary nanao ny alitara fandoroana ditin-kazo manitra tamin’ ny hazo akasia izy: iray hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary roa hakiho ny hahavony; ary nataony miray aminy ny tandrony.Select Exodus 37:25

26Ary nopetahany takela-bolamena tsara izy, dia ny tampony sy ny lafiny manodidina ary ny tandrony; ary nasiany koronosy volamena manodidina.Select Exodus 37:26

27Ary nasiany vava volamena roa izy teo ambanin’ ny koronosiny, ka nataony teo amin’ ny zorony efatra ireo ho fitoeran’ ny bao hilanjana azy.Select Exodus 37:27

28Ary hazo akasia no nanaovany ny bao, ka nopetahany takela-bolamena.Select Exodus 37:28

29Ary nanao ny diloilo fanosorana masìna izy, sy ny zava-manitra manetona madio, asan’ ny mpangaroharo zava-manitra.Select Exodus 37:29

Next: Exodus 38Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Exodus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.