Skip to content
Church.wiki
Exodus

Exodus 38

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary nanao ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana tamin’ ny hazo akasia izy: dimy hakiho avy ny lafiny efatra, dia efa-joro tsy mivadi-mandry izy; ary telo hakiho ny hahavony.Select Exodus 38:1

2Ary nanao ny tandrony teo amin’ ny zorony efatra izy, ka nataony miray aminy, ary nopetahany takela-barahina ireo.Select Exodus 38:2

3Ary nanao ny fanaka rehetra momba ny alitara izy, dia ny vilaniny fandraofan-davenona sy ny sotron’ afony sy ny loviany famafazana sy ny fitrebiny ary ny fitondran’ afony; nataony varahina avokoa ny fanaka rehetra momba azy.Select Exodus 38:3

4Ary nanao makarakara varahina tahaka ny harato ho eo amin’ ny alitara izy, dia eo ambanin’ ny sikiny, hatreo am-bodin’ ny alitara ka hatreo amin’ ny fisasahany.Select Exodus 38:4

5Ary nandrendrika vava vola efatra hatao eo an-jorony efatra amin’ ny makarakara varahina izy ho fitoeran’ ny bao.Select Exodus 38:5

6Ary nanao ny bao tamin’ ny hazo akasia izy, ka nopetahany takela-barahina.Select Exodus 38:6

7Ary nampiditra ny bao teo amin’ ny vava vola teo amin’ ny lafiny roa amin’ ny alitara izy hilanjana azy. Ary hazo fisaka no narafiny ho alitara, ka nataony hobokaty.Select Exodus 38:7

8Ary ny tavy varahina sy ny faladiany varahina dia nataony tamin’ ny fitaratra varahin’ ny vehivavy izay nanompo teo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana.Select Exodus 38:8

9Ary nanao ny kianja izy: tamin’ ny lafiny atsimo nisy fefy lamba zato hakiho ho amin’ ny kianja natao tamin’ ny rongony fotsy madinika voahasina;Select Exodus 38:9

10ary roa-polo ny tsangantsangany, ary roa-polo ny faladiany varahina; ary volafotsy ny fihantonany amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.Select Exodus 38:10

11Ary tamin’ ny lafiny avaratra koa nisy zato hakiho sy ny tsangantsangany roa-polo ary ny faladiany varahina roa-polo; volafotsy ny fihantonany amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.Select Exodus 38:11

12Ary tamin’ ny lafiny andrefana nisy fefy lamba dimam-polo hakiho; folo ny tsangantsangany ary folo ny faladiany; ary volafotsy ny fihantonana amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany.Select Exodus 38:12

13Ary ny lafiny atsinanana nataony dimam-polo hakiho.Select Exodus 38:13

14Ary nisy fefy lamba dimy ambin’ ny folo hakiho tamin’ ny ilany iray; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany.Select Exodus 38:14

15Ary nisy fefy lamba dimy ambin’ ny folo hakiho tamin’ ny ilany iray koa; telo ny tsangantsangany, ary telo ny faladiany;Select Exodus 38:15

16Ary nataony rongony fotsy madinika voahasina avokoa ny fefy lamban’ ny kianja manodidina.Select Exodus 38:16

17Ary ny faladian’ ny tsangantsangany dia nataony varahina; ary ny fihantonana amin’ ny tsangantsangany sy ny anjaka hitohizany nataony volafotsy; ary ny lohany dia nopetahany takela-bolafotsy; ary ny tsangantsangany rehetra tamin’ ny kianja dia samy nisy anjaka volafotsy hitohizany avokoa.Select Exodus 38:17

18Ary ny vavahady lamba eo am-bavahadin’ ny kianja dia asan’ ny mahay tenona samy hafa soratra tamin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika voahasina; roa-polo hakiho ny halavany; ary ny hahavony nitovy tamin’ ny lambanan-damba, dia dimy hakiho, araka ny hahavon’ ny fefy lamban’ ny kianja.Select Exodus 38:18

19Ary efatra ny tsangantsangany, ary efatra ny faladiany varahina; ary ny fihantonany dia volafotsy; ary ny takela-bola tamin’ ny lohany sy ny anjaka hitohizany dia volafotsy koa.Select Exodus 38:19

20Ary ny tsimatra amin’ ny tabernakely sy amin’ ny kianja manodidina dia nataony varahina avokoa.Select Exodus 38:20

21Ary izao no isan’ ny zavatra nomba ny tabernakely, dia ny tabernakelin’ ny Vavolombelona, izay nisaina araka ny didin’ i Mosesy; natao fanompoan’ ny Levita, fehin’ Itamara, zanak’ i Arona mpisorona, ny nanisa azy.Select Exodus 38:21

22Ary Bezalila, zanak’ i Ory, zanak’ i Hora, avy amin’ ny firenen’ i Joda, nanao izay rehetra nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.Select Exodus 38:22

23Ary ny namany dia Oholiaba, zanak’ i Ahisamaka, avy amin’ ny firenen’ i Dana, mpiasa tefy sy rafitra ary mpanenona mahay sady nahay tenona samy hafa soratra tamin’ ny manga sy volomparasy sy mena ary rongony fotsy madinika.Select Exodus 38:23

24Talenta sivy amby roa-polo, ary sekely telo-polo amby fiton-jato, araka ny sekely masìna, ny volamena rehetra izay lany tamin’ ny asa rehetra tamin’ ny fitoerana masìna, dia ny volamena izay natao fanatitra ahevaheva.Select Exodus 38:24

25Ary ny volafotsy avy tamin’ ny olona izay voaisa tamin’ ny fiangonana dia talenta zato sy sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato amby arivo, araka ny sekely masìna:Select Exodus 38:25

26beka iray isan-olona, dia antsasaky ny sekely araka ny sekely masìna, no naloan’ izay rehetra voalamina, hatramin’ ny roa-polo taona no ho miakatra, dia olona dimam-polo amby diman-jato amby telo arivo sy enina hetsy.Select Exodus 38:26

27Ary ny volafotsy talenta zato dia narendrika nanaovana ny faladian’ ny fitoerana masìna sy ny faladian’ ny efitra lamba: dia faladia zato tamin’ ny talenta volafotsy zato, talenta iray ny faladiany iray.Select Exodus 38:27

28Ary tamin’ ny sekely dimy amby fito-polo amby fiton-jato sy arivo no nanaovany ny fihantonana tamin’ ny andry, sy nametahana takela-bola tamin’ ny lohany, ary nanaovany ny anjaka hitohizany.Select Exodus 38:28

29Ary ny varahina izay natao fanatitra ahevaheva dia talenta fito-polo sy sekely efa-jato amby roa arivo.Select Exodus 38:29

30Ary izany no nanaovany ny faladiany ho amin’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, sy ny alitara varahina sy ny makarakara varahina izay teo aminy ary ny fanaka rehetra momba ny alitara,Select Exodus 38:30

31ary ny faladia tamin’ ny kianja manodidina sy ny faladia tamin’ ny vavahadin’ ny kianja, sy ny tsimatra rehetra tamin’ ny tabernakely ary ny tsimatra rehetra tamin’ ny kianja manodidina.Select Exodus 38:31

Next: Exodus 39Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Exodus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.