Exodus 40
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Exodus 40:1
2Amin’ ny andro voalohany amin’ ny volana voalohany dia atsangano ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana.Select Exodus 40:2
3Ary ataovy ao ny fiaran’ ny Vavolombelona; dia ahantòny ny efitra lamba hanakona ny fiara.Select Exodus 40:3
4Ary ampidiro ny latabatra, ka alaharo izay halahatra eo amboniny; ary ampidiro ny fanaovan-jiro, ka ampireheto ny jiro.Select Exodus 40:4
5Ary ny alitara volamena fandoroana ditin-kazo manitra dia ataovy eo anoloan’ ny fiaran’ ny Vavolombelona, ary ny varavarana lamba dia ataovy eo amin’ ny varavaran’ ny tabernakely.Select Exodus 40:5
6Ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia apetraho eo anoloan’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana.Select Exodus 40:6
7Ary ny tavy dia apetraho eo anelanelan’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka asio rano eo anatiny.Select Exodus 40:7
8Ary amboary ny kianja manodidina, ka ahantòny ny vavahady lamba eo amin’ ny vavahadin’ ny kianja.Select Exodus 40:8
9Ary alao ny diloilo fanosorana, ka hosory ny tabernakely sy izay rehetra ao, dia hamasino izy mbamin’ ny fanaka rehetra momba azy, ka dia ho masìna izy.Select Exodus 40:9
10Ary hosory ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana sy ny fanaka rehetra momba azy; ary hamasino ny alitara, dia ho masìna indrindra izy.Select Exodus 40:10
11Ary hosory ny tavy sy ny faladiany, ka hamasino izy.Select Exodus 40:11
12Ary ento Arona sy ny zanany hankeo anoloan’ ny varavaran’ ny trano-lay fihaonana, ka ampandroy amin’ ny rano izy.Select Exodus 40:12
13Ary ampiakanjoy an’ i Arona ny fitafiana masìna, dia hosory sy hamasino izy, mba ho mpisorona ho Ahy.Select Exodus 40:13
14Ary ento ny zanany, ka ampiakanjoy azy ny akanjo lava.Select Exodus 40:14
15Ary hosory izy, tahaka ny nanosoranao ny rainy, mba ho mpisorona ho Ahy; ary ny fanosorana azy dia ho fisoronana mandrakizay ho azy hatramin’ ny taranany fara mandimby.Select Exodus 40:15
16Dia nataon’ i Mosesy izany: araka izay rehetra efa nandidian’ i Jehovah azy no nataony.Select Exodus 40:16
17Ary tamin’ ny andro voalohany tamin’ ny volana voalohany tamin’ ny taona faharoa no nananganana ny tabernakely.Select Exodus 40:17
18Ary Mosesy nanangana ny tabernakely, dia nametraka ny faladiany sy nanangana ny zana-kazony, ary nampiditra ny barany sy nanangana ny andriny.Select Exodus 40:18
19Ary namelatra ny lay teo ambonin’ ny tabernakely izy, ary ny firakotry ny lay nataony teo amboniny, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.Select Exodus 40:19
20Dia nalainy ny Vavolombelona ka napetrany tao anatin’ ny fiara, ary ny bao dia nataony teo amin’ ny fiara, ary ny rakotra fanaovam-panavotana dia napetrany teo ambonin’ ny fiara.Select Exodus 40:20
21Ary ny fiara dia nampidiriny tao amin’ ny tabernakely, ka nahantony ny efitra lamba fanakonana hanakona ny fiaran’ ny Vavolombelona, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.Select Exodus 40:21
22Ary ny latabatra dia napetrany teo amin’ ny trano-lay fihaonana, dia teo amin’ ny lafin’ ny tabernakely avaratra, teo ivelan’ ny efitra lamba.Select Exodus 40:22
23Ary nandahatra mofo teo amboniny teo anatrehan’ i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.Select Exodus 40:23
24Ary ny fanaovan-jiro dia napetrany teo amin’ ny trano-lay fihaonana, tandrifin’ ny latabatra, teo amin’ ny lafin’ ny tabernakely atsimo.Select Exodus 40:24
25Ary nampirehitra ny jiro teo anatrehan’ i Jehovah izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.Select Exodus 40:25
26Ary ny alitara volamena dia nataony teo amin’ ny trano-lay fihaonana, teo anoloan’ ny efitra lamba;Select Exodus 40:26
27ary nandoro ditin-kazo mani-pofona teo izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.Select Exodus 40:27
28Ary ny varavarana lamba dia nataony teo amin’ ny varavaran’ ny tabernakely;Select Exodus 40:28
29ary ny alitara fandoroana ny fanatitra dorana dia napetrany teo anoloan’ ny varavaran’ ny tabernakelin’ ny trano-lay fihaonana; ary nateriny teo amboniny ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hohanina, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.Select Exodus 40:29
30Ary ny tavy dia nataony teo anelanelan’ ny trano-lay fihaonana sy ny alitara, ka nasiany rano teo anatiny hanasana.Select Exodus 40:30
31Ary teo no nanasan’ i Mosesy sy Arona ary ny zanany ny tongony aman-tànany.Select Exodus 40:31
32Raha niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana izy, ary raha nanakaiky ny alitara, dia nisasa izy, dia araka izay efa nandidian’ i Jehovah an’ i Mosesy.Select Exodus 40:32
33Ary natsangany koa ny kianja manodidina ny tabernakely sy ny alitara; ary ny vavahady lamba dia nataony teo amin’ ny vavahadin’ ny kianja. Dia vitan’ i Mosesy ny asa rehetra.Select Exodus 40:33
34Ary ny rahona nanarona ny trano-lay fihaonana, ary ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tabernakely.Select Exodus 40:34
35Ary Mosesy tsy nahazo niditra tao amin’ ny trano-lay fihaonana, satria ny rahona nitoetra teo amboniny, ary ny voninahitr’ i Jehovah nameno ny tabernakely.Select Exodus 40:35
36Ary raha niakatra niala tamin’ ny tabernakely ny rahona, dia nifindra ny Zanak’ Isiraely tamin’ ny nandehanany rehetra;Select Exodus 40:36
37fa raha tsy niakatra ny rahona, dia tsy nifindra izy, mandra-pihavin’ izay andro hiakarany.Select Exodus 40:37
38Fa ny rahon’ i Jehovah dia teo ambonin’ ny tabernakely nony andro, ary nisy afo teo aminy nony alina, teo imason’ ny taranak’ Isiraely rehetra, tamin’ ny nandehanany rehetra.Select Exodus 40:38
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation