Skip to content
Church.wiki
Exodus

Exodus 6

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Ankehitriny ho hitanao izay hataoko amin’ i Farao; fa ny tanako mahery no handefasany azy, ary ny tanako mahery no handroahany azy amin’ ny taniny.Select Exodus 6:1

2Ary Andriamanitra niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe: Izaho no Jehovah;Select Exodus 6:2

3ary tamin’ ny anarako hoe ANDRIAMANITRA TSITOHA no nisehoako tamin’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba, fa ny anarako hoe JEHOVAH tsy mbola nahafantarany Ahy,Select Exodus 6:3

4Ary naoriko taminy koa ny fanekeko hanomezako azy ny tany Kanana, dia ny tany fivahiniany izay efa nivahiniany.Select Exodus 6:4

5Ary koa, Izaho efa nandre ny fitarainan’ ny Zanak’ Isiraely, izay ampanompoin’ ny Egyptiana, ka dia tsaroako ny fanekeko.Select Exodus 6:5

6Koa lazao amin’ ny Zanak’ Isiraely hoe: Izaho no Jehovah, ary hitondra anareo hivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo Aho ka hanafaka anareo amin’ ny fanompoana azy; ary sandry ahinjitra sy fitsarana lehibe no hamonjeko anareo.Select Exodus 6:6

7Dia halaiko ho Ahy ianareo ho oloko, ary ho Andriamanitrareo Aho; dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo, Izay mitondra anareo mivoaka ho afaka amin’ ny fanompoana mafy ampanaovin’ ny Egyptiana anareo.Select Exodus 6:7

8Ary Izaho hampiditra anareo any amin’ ny tany izay nananganako tanàna homena an’ i Abrahama sy Isaka ary Jakoba; dia homeko ho lovanareo izany: Izaho no Jehovah.Select Exodus 6:8

9Ary Mosesy nilaza izany tamin’ ny Zanak’ Isiraely; nefa izy tsy nihaino an’ i Mosesy noho ny fahoriam-panahy sy ny fanompoana mafy.Select Exodus 6:9

10Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy ka nanao hoe:Select Exodus 6:10

11Mankanesa ao amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, ka mitenena aminy mba handefasany ny Zanak’ Isiraely hiala amin’ ny taniny.Select Exodus 6:11

12Ary Mosesy niteny teo anatrehan’ i Jehovah ka nanao hoe: Indro, ny Zanak’ Isiraely aza tsy nihaino ahy, ka ahoana no hihainoan’ i Farao ahy, fa izaho tsy voafora molotra?Select Exodus 6:12

13Ary Jehovah niteny tamin’ i Mosesy sy Arona ka nanome teny azy ho entiny ho any amin’ ny Zanak’ Isiraely sy ho amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, mba hitondra ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy amin’ ny tany Egypta.Select Exodus 6:13

14Izao no lohan’ ny fianakaviany: Ny zanakalahin-dRobena, lahimatoan’ Isiraely, dia Hanoka sy Palo sy Hezrona sy Karmy; ireo no fokom-pirenen-dRobena.Select Exodus 6:14

15Ary ny zanakalahin’ i Simeona dia Jemoela sy Jaminasy Ohada sy Jakinasy Zohara ary Saoly, zanakalahin’ ny vehivavy Kananita; ireo no fokom-pirenen’ i Simeona.Select Exodus 6:15

16Ary izao no anaran’ ny zanakalahin’ i Levy, araka ny taranany, dia Gersona sy Kehata ary Merary; ary ny andro niainan’ i Levy dia fito amby telo-polo amby zato taona.Select Exodus 6:16

17Ny zanakalahin’ i Hersona dia Libny sy Simey, araka ny fokom-pireneny.Select Exodus 6:17

18Ary ny zanakalahin’ i Kehata dia Amrama sy Jizara sy Hebrona ary Oziela; ary ny andro niainan’ i Kehata dia telo amby telo-polo amby zato taona.Select Exodus 6:18

19Ary ny zanakalahin’ i Merary dia Maly sy Mosy. Ireo no fokom-pirenen’ ny Levita, araka ny taranany.Select Exodus 6:19

20Ary Amrama naka an’ i Jokebeda anabavin-drainy ho vadiny, dia niteraka an’ i Arona sy Mosesy taminy izy; ary ny andro niainan’ i Amrama dia fito amby telo-polo amby zato taona.Select Exodus 6:20

21Ary ny zanakalahin’ i Jizara dia Kora sy Nafega ary Zikry.Select Exodus 6:21

22Ary ny zanakalahin’ i Oziela dia Misaela sy Elzafana ary Sitry.Select Exodus 6:22

23Ary Arona naka an’ i Eliseba, zanakavavin’ i Aminadaba sady anabavin’ i Nasona, ho vadiny; dia niteraka an’ i Nadaba sy Abiho sy Eleazara ary Itamara taminy izy.Select Exodus 6:23

24Ary ny zanakalahin’ i Kora dia Asira sy Elkana ary Abiasafa; ireo no fokom-pirenen’ ny Korana.Select Exodus 6:24

25Ary Eleazara, zanakalahin’ i Arona, naka vady avy tamin’ ny zanakavavin’ i Potiela, dia niteraka an’ i Finehasa taminy izy. Ireo no lohan’ ny fianakavian’ ny Levita, araka ny fokom-pireneny.Select Exodus 6:25

26Ireo no Arona sy Mosesy, izay nilazan’ i Jehovah hoe: Ento ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy any amin’ ny tany Egypta araka ny antokony.Select Exodus 6:26

27Ireo no niteny tamin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, mba hitondra ny Zanak’ Isiraely hivoaka avy any Egypta; ireo no Mosesy sy Arona.Select Exodus 6:27

28Ary tamin’ ny andro izay nitenenan’ i Jehovah tamin’ i Mosesy teo amin’ ny tany Egypta,Select Exodus 6:28

29dia hoy Jehovah tamin’ i Mosesy: Izaho no Jehovah; koa lazao amin’ i Farao, mpanjakan’ i Egypta, izay rehetra lazaiko aminao.Select Exodus 6:29

30Ary Mosesy niteny teo anatrehan’ i Jehovah ka nanao hoe: Indro, tsy voafora molotra aho, ka aiza no hihainoan’ i Farao ahy!Select Exodus 6:30

Next: Exodus 7Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Exodus

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.