Ezekiel 19
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary manaova hira fahalahelovana ny amin’ ireo andrianan’ ny Isiraely ianao,Select Ezekiel 19:1
2ka ataovy hoe: Nahoana ny liom-bavy reninareo no namitsaka tao amin’ ny liom-bavy. Ary nitaiza ny zanany tao amin’ ny liona tanora?Select Ezekiel 19:2
3Ary nahalehibe ny zanany anankiray izy, dia tonga liona tanora io ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.Select Ezekiel 19:3
4Nahare ny lazany ny firenena, dia namandrika azy tamin’ ny lavaka, ka nasiany masom-by ny orony, dia nentiny ho any amin’ ny tany Egypta izy.Select Ezekiel 19:4
5Ary nony hitan’ ny liom-bavy fa foana sy levona ny fanantenany, dia nangalany indray ny zanany ka notezainy ho tonga liona tanora.Select Ezekiel 19:5
6Ary nivoivoy teny amin’ ny liom-bavy iny, dia tonga liona tanora ka nianatra hamiravira haza sady nihinana olona.Select Ezekiel 19:6
7Ary nisavika ny mpitondratenan’ ireny izy sady nandrava ny tanànany, ka lao ny tany mbamin’ izay rehetra tao aminy. Noho ny feon’ ny fierony.Select Ezekiel 19:7
8Ary ny jentilisa manodidina, izay avy any amin’ ny fanjakana samy hafa, dia nanamboatra sy namelatra ny fandrika haratony taminy, ka dia voafandrika tamin’ ny lavaka izy.Select Ezekiel 19:8
9Ary nataony tamin’ ny vata izy, sady nasiany masom-by ny orony, ka nentiny ho any amin’ ny mpanjakan’ i Babylona izy, nentiny ho ao amin’ ny fiarovana izy, mba tsy ho re eny amin’ ny tendrombohitry ny Isiraely intsony ny feony.Select Ezekiel 19:9
10Ny reninao dia tahaka ny voalobota voavoly teo amoron-drano Tamin’ ny andro niadananao: Vokatra sady nanaroka izy azon’ ny rano be,Select Ezekiel 19:10
11Ka nisy rantsany mafy azo natao tehim-panjakana ho an’ izay manapaka, dia tonga avo izy ka nitehika tamin’ ny rahona matevina, ary niseho tamin’ ny hahavony izy noho ny hamaroan’ ny rantsany.Select Ezekiel 19:11
12Nefa nongotana tamin’ ny fahavinirana izy ka nazera ho amin’ ny tany, ary ny rivotra avy any atsinanana no nahamaina ny voany; Ny rantsany mafy dia tapaka ka maina; Levon’ ny afo ireny.Select Ezekiel 19:12
13Ary ankehitriny voavoly any an-efitra, dia ao amin’ ny tany maina karankaina izy.Select Ezekiel 19:13
14Ary afo no mivoaka avy amin’ ny sampany misy tehina ka mandevona ny voany, dia tsy misy rantsany mafy azo atao tehim-panjakana ho fanapahana intsony izy. Hira fahalahelovana izany sady mbola ho hira fahalahelovana ihany.Select Ezekiel 19:14
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain