Ezekiel 26
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary tamin’ ny andro voalohany amin’ ny volana tamin’ ny taona fahiraika ambin’ ny folo dia tonga tamiko ny tenin’ Jehovah nanao hoe: zananivavy.Select Ezekiel 26:1
2Ry zanak’ olona, noho ny nandatsan’ i Tyro an’ i Jerosalema hoe: Hià! sakoa izay! rava ilay vavahadin’ ny firenena! Mba hifindra amiko kosa izao, ka ho feno aho, fa izy kosa ho foana,Select Ezekiel 26:2
3Dia izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, hamely anao Aho, ry Tyro, ka hampiakatra ny firenena maro hiady aminao, tahaka ny fampiakatry ny ranomasina ny onjany.Select Ezekiel 26:3
4Ary horavan’ ireo ny mandan’ i Tyro, sady harodany ny tilikambony; Dia hofafako hiala aminy ny vovo-taniny, ka hataoko tahaka ny vatolampy mangadihady izy.Select Ezekiel 26:4
5Ho famelarana harato eo amin’ ny ranomasina izy; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo, ka dia ho babon’ ny-firenena izy.Select Ezekiel 26:5
6Ary ny zana-bohiny eny an-tanety dia hovonoina amin’ ny sabatra; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.Select Ezekiel 26:6
7Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, ho entiko avy any avaratra ho any Tyro Nebokadnezara, mpanjakan’ i Babylona, andrianan’ ny andriana, mitondra soavaly sy kalesy sy mpitaingin-tsoavaly ary vahoaka betsaka.Select Ezekiel 26:7
8Ny zana-bohitrao any an-tanety dia hovonoiny amin’ ny sabatra; ary hanandratra tilikambo sy tovon-tany sady hanangana ampinga lehibe hamelezany anao izy.Select Ezekiel 26:8
9Ary hametraka lohondry vy fandravana eo akaikin’ ny mandanao izy, sady horavany amin’ ny fiadiany ny tilikambonao.Select Ezekiel 26:9
10Ho feno ny vovo-taniny ianao noho ny habetsahan’ ny soavaliny; hihorohoro ny mandanao noho ny fikorodondrodon’ ny mpitaingin-tsoavaly sy ny kodia sy ny kalesy, raha miditra eo amin’ ny vavahadinao tahaka ny olona miditra amin’ ny tanàna izay voabanga izy.Select Ezekiel 26:10
11Ny kitron-tsoavaliny no hanitsakitsahany ny lalambenao rehetra; ny olonao dia hovonoiny amin’ ny sabatra, ary ny tsangambatonao mafy dia hianjera amin’ ny tany.Select Ezekiel 26:11
12Hobaboiny ny hirenao, horobainy ny rantonao, harodany ny mandanao, horavany ny tranonao mahafinantra; ary ny vatonao sy ny hazonao sy ny vovokao dia hataony any amin’ ny rano.Select Ezekiel 26:12
13Ary hatsahatro ny feon’ ny hiranao, sady tsy ho re intsony ny fanenon’ ny lokanganao.Select Ezekiel 26:13
14Dia hataoko toy ny vatolampy mangadihady ianao ka ho famelarana harato sady tsy haorina intsony; fa Izaho Jehovah no niteny, hoy Jehovah Tompo.Select Ezekiel 26:14
15Izao no lazain’ i Jehovah Tompo amin’ i Tyro: Tsy hihorohoro va ny moron-dranomasina noho ny fikotrokotroky ny firodananao, raha mitrona ny voatrabaka, ary misy vonoana eo ampovoanao?Select Ezekiel 26:15
16Dia hidina hiala amin’ ny seza fiandrianany ireo andrianan’ ny ranomasina rehetra ka hiala akanjo sy hanaisotra ny fitadiany misoratsoratra; Hovotra no hitafiany, ka hipetraka amin’ ny tany izy; ary hangovitra isaky ny indray mipi-maso izy ka ho gaga anao.Select Ezekiel 26:16
17Ary hanao hira fahalahelovana ny aminao izy ka hanao aminao hoe: Indrisy! rava ianao, ry ilay nonenan’ ny avy any an-dranomasina! Dia ilay tanàna malaza izay nahery teo amin’ ny ranomasina, dia izy mbamin’ ny mponina ao, izay nampahatahotra ny mponina rehetra eo aminy!Select Ezekiel 26:17
18Ankehitriny dia raiki-tahotra ny amoron-dranomasina amin’ ny andro hianjeranao; Eny, toran-kovitra ny nosy any an-dranomasina noho ny haharavanao.Select Ezekiel 26:18
19Fa izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha hataoko tanàna lao tahaka ireo tanàna haolo ianao, ary hampiakariko aminao ny rano lalina, ka hosaronan’ ny rano be ianao,Select Ezekiel 26:19
20Dia hampidiniko hiaraka amin’ izay mivarina any an-davaka ianao, Hankany amin’ ny razana, ka hamponeniko any ambanin’ ny tany ianao, dia any amin’ ny fonenana efa lao hatramin’ ny ela, hiaraka amin’ izay mivarina any an-davaka, mba tsy honenana intsony; ary hasiako voninahitra eo amin’ ny velona;Select Ezekiel 26:20
21Dia hataoko fampitahorana ianao, ka tsy ho eo intsony; Eny, hotadiavina ianao, nefa tsy ho hita intsony mandrakizay, hoy Jehovah Tompo.Select Ezekiel 26:21
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain