Skip to content
Church.wiki
Ezekiel

Ezekiel 28

Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865
Start reading

1Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe;Select Ezekiel 28:1

2Ry zanak’ olona, lazao amin’ ny mpanjakan’ i Tyro hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Satria miavonavona ny fonao, ka hoy ianao: Mba Andriamanitra koa aho; eto amin’ ny anankiray amin’ ny fipetrahan’ Andriamanitra no ipetrahako, dia eto ampovoan’ ny ranomasina. Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, Na dia nataonao toy ny fon’ Andriamanitra aza ny fonao,Select Ezekiel 28:2

3Hay! hendry noho Daniela ianao! Tsy misy zava-miafina azo afenina anao izany!Select Ezekiel 28:3

4Ny fahendrenao sy ny fahalalanao no nahazoanao haren. Eny, izany no nahazoanao volamena sy volafotsy ho ao amin’ ny rakitraoSelect Ezekiel 28:4

5Ny haben’ ny fahendrenao tamin’ ny varotrao no nampitomboanao ny harenao, ka dia miavonavona ny fonao noho ny harenao;Select Ezekiel 28:5

6Koa, indro, izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Satria efa nataonao ho toy ny fon’ Andriamanitra ny fonao,Select Ezekiel 28:6

7Dia, indro, hitondra olona hafa firenena Aho hamely anao, dia izay masiaka indrindra amin’ ny firenena, Ka hotsoahany ny sabany hamelezany ny fahendrenao tsara, ary hataony matroka ny famirapiratanaoSelect Ezekiel 28:7

8Havariny ho any an-davaka ianao, ka ho faty toy ny fahafatesan’ izay voatrabaka ao amin’ ny ranomasina.Select Ezekiel 28:8

9Moa mbola hitompo teny fantatra va ianao eo imason’ izay mamono anao hoe mba Andriamanitra koa aho? Nefa olona ihany ianao, fa tsy Andriamanitra tsinona, raha mby eo an-tànan’ izay manatrabaka anaoSelect Ezekiel 28:9

10Tahaka ny fahafatesan’ ny tsy voafora no hahafatesan’ ny fahavalo anao; Fa Izaho no niteny izany, hoy Jehovah Tompo.Select Ezekiel 28:10

11Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:Select Ezekiel 28:11

12Ry zanak’ olona, manaova hira fahalahelovana ny amin’ ny mpanjakan’ i Tyro, ka lazao aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Ry ilay mahatanteraka ny rafitra tsara tarehy tonga marika sady feno fahendrena no tena tsara tarehy,Select Ezekiel 28:12

13Tany Edena, sahan’ Andriamanitra, ianao; Ny vato soa rehetra ny eloelo teo amboninao, dia ny karneola, ny topaza, ny onyksa, ny krysolita, ny beryla, ny jaspy, ny safira, ny robina, ny emeralda ary ny volamena; Ny fampanenoana ny ampongatapakao sy ny sodinao dia tao aminao, tamin’ ny andro namoronana anao dia natao koa ireo.Select Ezekiel 28:13

14Hianao dia kerobima voahosotra izay manaloka, fa voatendriko ianao; Tao an-tendrombohitra masin’ Andriamanitra ianao; Tao amin’ ny vato mirehitra no nitsangantsangananao.Select Ezekiel 28:14

15Tsy nanan-tsiny ianao tamin’ ny nalehanao hatramin’ ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao.Select Ezekiel 28:15

16Noho ny habetsahan’ ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota ianao; Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin’ ny tendrombohitr’ Andriamanitra ianao, Ary nosimbako ianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin’ ny vato mirehitra.Select Ezekiel 28:16

17Niavonavona ny fonao noho ny hatsaran-tarehinao; Efa nahasimba ny fahendrenao mbamin’ ny famirapiratanao ianao; Nazerako eny an-tany ianao sady natolotro ho fitalanjonan’ ireo mpanjaka,Select Ezekiel 28:17

18Noho ny haben’ ny helokao tamin’ ny tsi-fahamarinan’ ny varotrao, dia voalotonao ny fitoeranao masìna; Koa izany no hamoahako afo avy ao aminao handevona anao, ary hataoko tonga lavenona eny ambonin’ ny tany ianao eo imason’ izay rehetra mijery anao.Select Ezekiel 28:18

19Ny firenena rehetra izay mahalala anao dia ho gaga anao; Ho tonga fampitahorana ianao ary tsy ho ao intsony mandrakizay.Select Ezekiel 28:19

20Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:Select Ezekiel 28:20

21Ry zanak’ olona, manandrifia an’ i Sidona, dia maminania ny hamelezana azy,Select Ezekiel 28:21

22ka ataovy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, efa hamely anao Aho, ry Sidona, ary hankalazaina ao ampovoanao Aho; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah, raha manatanteraka ny fitsarana azy Aho ka miseho ho masìna amin’ ny ataoko aminy.Select Ezekiel 28:22

23Fa hahatonga areti-mandringana hamely azy Aho ary rà ho eny an-dalambeny; Dia hiampatrampatra eny aminy ny voatrabaky ny sabatra izay mamely avy eny manodidina eny; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.Select Ezekiel 28:23

24Ary tsy hisy roy mampangirifiry na tsilo mampanaintaina intsony ho an’ ny taranak’ Isiraely, avy amin’ ireo manodidina azy, izay manao tsinontsinona azy; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Tompo.Select Ezekiel 28:24

25Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Raha angoniko avy any amin’ ny firenena izay nampielezana azy ny taranak’ Isiraely, dia hiseho ho masìna eo imason’ ny firenena Aho amin’ ny ataoko aminy, ka honina any aminy taniny izay nomeko an’ i Jakoba mpanompoko izy.Select Ezekiel 28:25

26Dia handry fahizay any izy ka hanorina trano sy hanao tanim-boaloboka; eny, handry fahizay izy amin’ ny anatanterahako ny fitsarana ireo rehetra manodidina azy izay manao tsinontsinona azy; ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah Andriamaniny.Select Ezekiel 28:26

Next: Ezekiel 29Continue reading

Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Ezekiel

Selected verses

Tap another verse to select a range.

Highlight

My Bible

Listen

Uses an English voice provided by your browser.