Ezekiel 35
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Ary tonga tamiko ny tenin’ i Jehovah nanao hoe:Select Ezekiel 35:1
2Ry zanak’ olona, manandrifia ny tendrombohitra Seïra, ka maminania ny hamelezana azy,Select Ezekiel 35:2
3dia ataovy aminy hoe: Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Indro, avy hamely anao Aho, ry tendrombohitra Seïra, ary hahinjitro aminao ny tanako, ka hataoko foana sy lao ianao.Select Ezekiel 35:3
4Ny tanànanao hataoko korontam-bato, ary ianao ho lao; Ka dia ho fantatrao fa Izaho no Jehovah.Select Ezekiel 35:4
5Noho ny fandrafianao hatry ny fony ela sy ny nanoloranao ny zanak’ Isiraely ho fatin’ ny sabatra, fony tamin’ ny andro nahitany loza, dia ny fotoan’ ny heloka mahafaty,Select Ezekiel 35:5
6Dia izao no lazain’ i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hataoko manjary rà ianao, ary rà no hanenjika anao; Satria tsy nankahalainao ny rà, dia rà kosa no hanenjika anao.Select Ezekiel 35:6
7Hataoko foana sy lao ny tendrombohitra Seïra, sady hataoko tsy misy intsony ny mandroso sy ny miverina,Select Ezekiel 35:7
8Ary hofenoiko ny olony voavono ny tendrombohiny; Eny, ao amin’ ny havoananao sy ny lohasahanao Ary amoron’ ny lohasahan-driakanao rehetra no hiampatramparan’ izay voatrabaky ny sabatra.Select Ezekiel 35:8
9Hataoko rava mandrakizay ianao, ary tsy honenana intsony ny tanànanao; Ka dia ho fantatrareo fa Izaho no Jehovah.Select Ezekiel 35:9
10Ary noho ny nanaovanao hoe: Ireto firenena roa ireto sy ireto tany roa ireto dia ho ahy avokoa, Ka hanana azy izahay kanefa teo ihany JehovahSelect Ezekiel 35:10
11Dia izao no lazain’ i Jehovah: Raha velona koa Aho, dia hanao araka ny fahatezeranao sy ny fialonanao Aho, izay nataonao noho ny fandrafianao azy; Ary hampahafantariko ao aminy ny tenako amin’ ny hitsarako anao.Select Ezekiel 35:11
12Ka dia ho fantatrao fa Izaho Jehovah no efa nandre ny fanaratsiana, izay nolazainao ny amin’ ireny tendrombohitry ny Isiraely hoe: Foana ireny ka nomena anay ho fivelomanay.Select Ezekiel 35:12
13Ary nanao teny miavonavona namely Ahy ianareo sy nanamaro ny teninareo namely Aha; efa reko izany.Select Ezekiel 35:13
14Izao no lazain’ i Jehovah Tompo: Rehefa mifaly ny tany rehetra, dia hofoanako kosa ianao,Select Ezekiel 35:14
15Toy ny nifalianao ny amin’ ny lovan’ ny taranak’ Isirady, satria nofoanana ireny, dia toy izany kosa no hataoko aminao: Ho foana ianao, ry tendrombohitra Seïra sy Edoma rehetra; Ka dia ho fantatra fa Izaho no Jehovah.Select Ezekiel 35:15
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain