Galatians 3
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ry Galatiana adala, iza no nanimba anareo; kanefa teo imasonareo indrindra no nanehoana marimarina an’ i Jesosy Kristy voahombo tamin’ ny hazo fijaliana?Select Galatians 3:1
2Izao ihany no tiako holazainareo amiko: Moa ny asan’ ny lalàna va no nandraisanareo ny Fanahy, sa ny fitoriana ny finoana?Select Galatians 3:2
3Adala toy izany va ianareo? Rehefa nanomboka tamin’ ny Fanahy ianareo, dia hahatanteraka amin’ ny nofo va ankehitriny?Select Galatians 3:3
4Moa izany zavatra be izany dia efa niaretanareo foana, raha dia foana tokoa izany?Select Galatians 3:4
5Ary Izay manome anareo ny Fanahy sy mahavita asa lehibe eo aminareo, moa avy amin’ ny asan’ ny lalàna va izany, sa avy amin’ ny fitoriana ny finoana?Select Galatians 3:5
6Dia tahaka an’ i Abrahama nino an’ Andriamanitra, ka dia nasaina ho fahamarinany izany.Select Galatians 3:6
7Koa fantaro fa izay amin’ ny finoana no zanak’ i Abrahama.Select Galatians 3:7
8Ary satria hitan’ ny Soratra Masìna rahateo fa amin’ ny finoana no anamarinan’ Andriamanitra ny jentilisa, dia nitory ny filazantsara tamin’ i Abrahama rahateo izy, nanao hoe: Aminao no hitahiana ny firenena rehetra;Select Galatians 3:8
9ka dia izay amin’ ny finoana notahina mbamin’ i Abrahama mpino.Select Galatians 3:9
10Fa izay rehetra amin’ ny asan’ ny lalàna dia eo ambanin’ ny fanozonana; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra tsy maharitra mankatò ny zavatra rehetra voasoratra ao amin’ ny bokin’ ny lalàna.Select Galatians 3:10
11Ary hita marimarina fa amin’ ny lalàna dia tsy misy olona hamarinina eo anatrehan’ Andriamanitra; fa ny marina amin’ ny finoana no ho velona.Select Galatians 3:11
12Ary ny lalàna tsy araka ny finoana; fa izay mahatandrina izany no ho velona aminy.Select Galatians 3:12
13Kristy nanavotra anay tamin’ ny ozon’ ny lalàna, satria tonga voaozona hamonjy anay Izy; fa voasoratra hoe: Voaozona izay rehetra mihantona amin’ ny hazo,Select Galatians 3:13
14mba ho tonga amin’ ny jentilisa ny fitahiana an’ i Abrahama ao amin’ i Kristy Jesosy, ary mba horaisintsika amin’ ny finoana ny teny fikasana ny amin’ ny Fanahy.Select Galatians 3:14
15Ry rahalahy ― miteny araka ny fanaon’ ny olona aho ― na dia ny fanekena ataon’ olona ihany aza, rehefa vita mafy, dia tsy fanao ny manatsoaka na manampy izany.Select Galatians 3:15
16Ary tamin’ i Abrahama sy ny taranany no nilazana ny teny fikasana. Tsy lazainy hoe: Ary ho an’ ny taranaka, toy ny milaza ny maro; fa toy ny milaza ny anankiray, ary ho an’ ny taranakao, dia Kristy izany.Select Galatians 3:16
17Ary izao no lazaiko: Ny fanekena izay nataon’ Andriamanitra mafy fahiny dia tsy tsoahan’ ny lalàna, izay vao natao telo-polo amby efa-jato taona tato aoriana, hahafoana ny teny fikasana.Select Galatians 3:17
18Fa raha avy amin’ ny lalàna ny lova, dia tsy avy amin’ ny teny fikasana intsony; nefa tamin’ i Abrahama dia teny fikasana no nanomezan’ Andriamanitra azy.Select Galatians 3:18
19Inona ary ny lalàna? Nanampy noho ny fahadisoana izy ambara-pihavin’ ny taranaka izay nomena ny teny fikasana; ary nalahatr’ anjely teo an-tànan’ ny mpanalalana izany.Select Galatians 3:19
20Ary ny mpanalalana dia tsy an’ ny irery, fa Andriamanitra dia iray ihany.Select Galatians 3:20
21Ka moa manohitra ny teny fikasan’ Andriamanitra va ny lalàna? Sanatria izany! Fa raha nisy lalàna mahavelona nomena, dia avy tamin’ ny lalàna tokoa ny fahamarinanaSelect Galatians 3:21
22Fa ny Soratra Masìna efa nanidy azy rehetra teo amin’ ny fahotana, mba homena ny mino ny teny fikasana noho ny finoana an i Jesosy Kristy.Select Galatians 3:22
23Fa fony tsy mbola tonga ny finoana, dia voambina tao ambanin’ ny lalàna isika ka voahidy ho amin’ ny finoana izay efa haseho ato aoriana.Select Galatians 3:23
24Koa ny lalàna dia mpitaiza antsika ho amin’ i Kristy, mba hohamarinina noho ny finoana isika.Select Galatians 3:24
25Fa rehefa tonga ny finoana, dia tsy fehezin’ izay mpitaiza intsony isika.Select Galatians 3:25
26Fa ianareo rehetra dia zanak’ Andriamanitra amin’ ny finoana an’ i Kristy Jesosy.Select Galatians 3:26
27Fa na iza na iza ianareo no natao batisa ho an’ i Kristy dia nitafy an’ i Kristy.Select Galatians 3:27
28Tsy misy intsony na Jiosy na Grika, na andevo na tsy andevo, na lahy sy vavy; fa iray ihany ianareo rehetra ao amin’ i Kristy Jesosy.Select Galatians 3:28
29Fa raha an’ i Kristy ianareo, dia taranak’ i Abrahama sy mpandova araka ny teny fikasana.Select Galatians 3:29
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation