Skip to content
Church.wiki
Galatians

Galatians 5

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ho amin’ ny fahafahana no nanafahan’ i Kristy antsika; ka tomoera tsara, fa aza mety hohazonin’ ny zioga fanandevozana intsony.Select Galatians 5:1

2Indro, izaho Paoly milaza aminareo fa raha mety hoforana ianareo, dia tsy hahasoa anareo na dia kely akory aza Kristy.Select Galatians 5:2

3Ary lazaiko marina indray amin’ ny olona manaiky hoforana rehetra fa mpitrosa tsy maintsy mankatò ny lalàna rehetra izy.Select Galatians 5:3

4Dia tafasaraka amin’ i Kristy ianareo na iza na iza izay mitady hohamarinina amin’ ny lalàna; efa lavo niala tamin’ ny fahasoavana ianareo.Select Galatians 5:4

5Fa izahay amin’ ny Fanahy sy noho ny finoana dia miandry ny fanantenana ny fahamarinana.Select Galatians 5:5

6Fa ao amin’ i Kristy Jesosy dia tsy mahasoa na ny famorana na ny tsi-famorana, fa ny finoana izay miasa amin’ ny fitiavana.Select Galatians 5:6

7Hianareo nihazakazaka tsara, iza no nisakana anareo tsy hanaiky ny marina?Select Galatians 5:7

8Izany fitaomana izany dia tsy avy tamin’ ilay miantso anareo.Select Galatians 5:8

9Ny masirasira kely dia mahatonga ny vongana rehetra ho masirasira avokoa.Select Galatians 5:9

10Izaho matoky anareo ao amin’ ny Tompo fa tsy hisaina zavatra hafa akory ianareo; fa ilay mampitabataba anareo no hiharan’ ny fanamelohana, na zovy na zovy izy.Select Galatians 5:10

11Fa izaho, ry rahalahy, raha mbola mitory ny famorana ihany, nahoana aho no mbola enjehina? Dia afaka tokoa ny fahatafintohinana noho ny hazo fijaliana.Select Galatians 5:11

12Enga anie ka hiesotra aza izay mampitabataba anareo.Select Galatians 5:12

13Fa efa nantsoina ho amin’ ny fahafahana ianareo, ry rahalahy; kanefa aoka tsy ho entinareo hanaraka ny nofo izany fahafahana izany, fa mifampanompoa amin’ ny fitiavana.Select Galatians 5:13

14Fa tanteraka amin’ ny teny iray ihany ny lalàna rehetra, dia izao: Tiava ny namanao tahaka ny tenanao.Select Galatians 5:14

15Fa raha mifandramatra sy mifampihinana ianareo, tandremo fandrao mifandringana.Select Galatians 5:15

16Fa hoy izaho: Mandehana araka ny Fanahy, dia tsy hahatanteraka ny filan’ ny nofo ianareo.Select Galatians 5:16

17Fa ny nofo manohitra ny Fanahy, ary ny Fanahy manohitra ny nofo; ary mifanohitra izy roroa, mba tsy hahazoanaroeo manao izay zavatra tianareo.Select Galatians 5:17

18Fa raha tarihin’ ny Fanahy ianareo, dia tsy mba ambanin’ ny lalàna.Select Galatians 5:18

19Fa miharihary ny asan’ ny nofo, dia izao: Fijangajangana, fahalotoana, fijejojejoana,Select Galatians 5:19

20fanompoan-tsampy, fanaovana ody ratsy, fandrafiana, fifandirana, adi-lahy, fiafonafonana, fifampiandaniana, fisarahana, fitokoana,Select Galatians 5:20

21fialonana, fahamamoana, filalaovan-dratsy, ary ny toy izany, izay lazaiko aminareo rahateo, tahaka ny voalazako fahiny koa, fa izay manao izany dia tsy handova ny fanjakan’ Andriamanitra.Select Galatians 5:21

22Fa ny vokatry ny Fanahy kosa dia fitiavana, fifaliana, fiadanana, fahari-po fahamoram-panahy, fanaovan-tsoa, fahamarinana,Select Galatians 5:22

23fahalemem-panahy, fahononam-po; tsy misy lalàna manohitra izany.Select Galatians 5:23

24Fa izay an’ Kristy Jesosy dia efa nanombo ny nofony mbamin’ ny faniriany sy ny filany tamin’ ny hazo fijaliana.Select Galatians 5:24

25Raha velon’ ny Fanahy isika, dia aoka handeha araka ny Fanahy.Select Galatians 5:25

26Aoka isika tsy handrani-tena foana ka hifampihaika sy hifampialona.Select Galatians 5:26

Next: Galatians 6Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Galatians

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.