Skip to content
Church.wiki
Genesis

Genesis 1

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Tamin’ ny voalohany Andriamanitra nahary ny lanitra sy ny tany.Select Genesis 1:1

2Ary ny tany dia tsy nisy endrika sady foana; ary aizina no tambonin’ ny lalina. Ary ny fanahin’ Andriamanitra nanomba tambonin’ ny rano.Select Genesis 1:2

3Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia mazava; dia nisy mazava.Select Genesis 1:3

4Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara ny mazava; ary nampisarahin’ Andriamanitra ny mazava sy ny maizina.Select Genesis 1:4

5Ary Andriamanitra nanao ny mazava hoe andro; ary ny maizina nataony hoe alina. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro voalohany izany.Select Genesis 1:5

6Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia habakabaka eo anelanelan’ ny rano; ary aoka hampisaraka ny rano amin’ ny rano izy.Select Genesis 1:6

7Ary Andriamanitra nanao ny habakabakaka ka nampisaraka ny rano ambanin’ ny habakabaka tamin’ ny rano ambonin’ ny habakabaka; dia nisy izany.Select Genesis 1:7

8Ary Andriamanitra nanao ny habakabaka hoe lanitra. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro faharoa izany.Select Genesis 1:8

9Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka hiangona ny rano eny ambanin’ ny lanitra ho eo amin’ ny fitoerana iray, ary aoka hiseho ny maina; dia nisy izany.Select Genesis 1:9

10Ary Andriamanitra nanao ny maina hoe tany; ary ny rano tafangona nataony hoe ranomasina. Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.Select Genesis 1:10

11Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany haniry ahitra sy anana mamoa ary hazo fihinam-boa izay mamoa, samy araka ny karazany avy, ka manam-boa ao aminy, eny ambonin’ ny tany; dia nisy izany.Select Genesis 1:11

12Ary ny tany naniry ahitra sy anana mamoa samy araka ny karazany avy, ary hazo mamoa izay manam-boa ao aminy, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.Select Genesis 1:12

13Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahatelo izany.Select Genesis 1:13

14Ary Andriamanitra nanao hoe: Misia fahazavana eny amin’ ny habakabaky ny lanitra hampisaraka ny andro sy ny alina; ary aoka ho famantarana sy ho fotoana ary ho andro sy taona ireo.Select Genesis 1:14

15Ary aoka ho fanazavana eny amin’ ny habakabaky ny lanitra izy hanazava eny ambonin’ ny tany; dia nisy izany.Select Genesis 1:15

16Ary Andriamanitra nanao ny fanazavana roa lehibe, dia ny fanazavana lehibe ho mpanapaka ny andro ary ny fanazavana kely ho mpanapaka ny alina sy ny kintana.Select Genesis 1:16

17Ary Andriamanitra nametraka azy teny amin’ ny habakabaky ny lanitra hanazava eny ambonin’ ny tany,Select Genesis 1:17

18sy ho mpanapaka ny andro sy ny alina, ary hampisaraka ny mazava sy ny maizina. Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.Select Genesis 1:18

19Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahefatra izany.Select Genesis 1:19

20Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny rano ho be zava-manan’ aina; ary aoka hisy vorona hanidina ambonin’ ny tany eny amin’ ny habakabaky ny lanitra.Select Genesis 1:20

21Ary Andriamanitra nahary ny biby vaventy anaty rano sy ny zava-manan’ aina mihetsiketsika rehetra, izay efa betsaka ao amin’ ny rano, samy araka ny karazany avy, ary ny voro-manidina rehetra, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.Select Genesis 1:21

22Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa anaka sy mihabetsaha ary mamenoa ny rano ao amin’ ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eny ambonin’ ny tany.Select Genesis 1:22

23Dia nisy fa hariva, ary nisy maraina, andro fahadimy izany.Select Genesis 1:23

24Ary Andriamanitra nanao hoe: Aoka ny tany hamoaka zava-manan’ aina samy araka ny karazany avy, dia biby fiompy sy biby mandady sy mikisaka ary bibi-dia, samy araka ny karazany avy; dia nisy izany.Select Genesis 1:24

25Ary Andriamanitra nanao ny bibi-dia, samy araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy, samy araka ny karazany avy, ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, samy araka ny karazany avy. Ary hitan’ Andriamanitra fa tsara izany.Select Genesis 1:25

26Ary Andriamanitra nanao hoe: Andeha Isika hamorona olona tahaka ny endritsika, araka ny tarehintsika; ary aoka izy hanjaka amin’ ny hazandrano ao amin’ ny ranomasina sy ny voro-manidina sy ny biby fiompy sy ny tany rehetra ary ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany.Select Genesis 1:26

27Ary Andriamanitra nahary ny olona tahaka ny endriny; tahaka ny endrik’ Andriamanitra no namoronany azy; lahy sy vavy no namoronany azy.Select Genesis 1:27

28Ary Andriamanitra nitso-drano azy hoe: Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany, ka mampanompoa azy; ary manjaka amin’ ny hazandrano ao amin’ ny ranomasina sy ny voro-manidina ary ny biby rehetra izay mihetsiketsika ambonin’ ny tany.Select Genesis 1:28

29Ary Andriamanitra nanao hoe: Indro, efa nomeko anareo ny anana manintsam-boa rehetra izay ambonin’ ny tany rehetra ary ny hazo rehetra izay misy voa sady manintsam-boa; dia ho fihinana anareo ireny.Select Genesis 1:29

30Ary ny amin’ ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra ary ny zava-manan’ aina rehetra izay mandady na mikisaka amin’ ny tany, dia efa nomeko azy ny zava-maitso rehetra ho fihinany; dia nisy izany.Select Genesis 1:30

31Ary hitan’ Andriamanitra izay rehetra nataony, ary, indro, tsara indrindra izany. Dia nisy hariva, ary nisy maraina, andro fahenina izany.Select Genesis 1:31

Next: Genesis 2Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Genesis

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.