Skip to content
Church.wiki
Genesis

Genesis 18

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Jehovah niseho tamin’ i Abrahama teo an-kazo terebintan’ i Mamre; ary nipetraka teo am-baravaran’ ny lainy izy, raha nafana ny andro;Select Genesis 18:1

2dia nanopy ny masony izy ka niery, ary, indreo, nisy telo lahy nijanona teo tandrifiny, ka nony nahita ireo izy, dia niala teo am-baravaran’ ny lainy ka nihazakazaka hitsena azy, dia niankohoka tamin’ ny tanySelect Genesis 18:2

3ka nanao hoe: Tompo ô, raha mahita fitia eto imasonao aho, masìna ianao, aza dia mandalo ny mpanomponao.Select Genesis 18:3

4Aoka hangalana rano kely ianareo hanasana ny tongotrareo; ary aoka mba hiala sasatra kely eo am-pototry ny hazo ianareo;Select Genesis 18:4

5dia haka mofo kely aho hataonareo ody am-bavafo; ary rehefa afaka izany, dia handeha ihany ianareo; fa tonga atỳ amin’ ny mpanomponareo ianareo. Ary hoy izy telo lahy: Ataovy ihany araka izay nolazainao.Select Genesis 18:5

6Dia nandeha faingana Abrahama nankany an-day tany amin’ i Saraha ka nanao hoe: Faingana, makà koba tsara toto intelon’ ny famarana; dia fetafetao ka ataovy mofo.Select Genesis 18:6

7Ary Abrahama kosa nihazakazaka nankany amin’ ny omby, dia naka zanak’ omby tanora sady tsara ka nanolotra azy tamin’ ny ankizilahy, dia lasa faingana izy hamboatra azy.Select Genesis 18:7

8Ary Abrahama naka ronono mandry sy ronono ary ilay zanak’ omby efa namboariny, dia narosony teo anoloan’ izy telo lahy; ary nijanona teo anilany teo ambanin’ ny hazo izy, dia nihinana izy telo lahy.Select Genesis 18:8

9Ary hoy izy telo lahy tamin’ i Abrahama: Aiza Saraha vadinao? Ary hoy kosa izy: Indro, ao an-day izy.Select Genesis 18:9

10Ary hoy Izy: Hiverina aminao tokoa Aho raha avy ny taona toy izao; ary, indro hanana zazalahy Saraha vadinao. Ary Saraha nandre izany teo am-baravaran’ ny lay, izay teo ivohon’ Ilay niteny.Select Genesis 18:10

11Ary Abrahama sy Saraha dia samy efa zoki-olona ka nandroso fahanterana, ary efa nitsahatra tamin’ ny fombam-behivavy Saraha.Select Genesis 18:11

12Ary Saraha dia nihomehy anakampo ka nanao hoe: Moa mbola hanana hafaliana ihany va aho rehefa tratrantitra toy izao, sady efa antitra koa itompokolahy?Select Genesis 18:12

13Ary hoy Jehovah tamin’ i Abrahama: Nahoana no nihomehy Saraha ka nanao hoe: Hiteraka tokoa va aho, kanefa izao efa antitra izao?Select Genesis 18:13

14Fa moa misy zavatra mahagaga izay tsy hain’ i Jehovah va? Amin’ ny fotoan’ andro raha avy ny taona toy izao dia hiverina aminao Aho, ary Saraha hanana zazalahy.Select Genesis 18:14

15Dia nandà Saraha satria natahotra izy, ka nanao hoe: Tsy nihomehy aho tsy akory. Fa hoy Ilay niteny: Tsia; fa nihomehy mihitsy ianao.Select Genesis 18:15

16Dia nitsangana ireny lehilahy ireny ka niala teo, dia nitsinjo an’ i Sodoma; ary Abrahama niaraka taminy hanatitra azy.Select Genesis 18:16

17Ary Jehovah nanao hoe: Hafeniko amin’ i Abrahama va izay hataoko?Select Genesis 18:17

18Fa Abrahama ho tonga firenena lehibe sy mahery tokoa, ary aminy no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.Select Genesis 18:18

19Fa efa nifidy azy Aho mba handidy ny zanany sy ny taranany mandimby azy hitandreman’ ireo ny lalàn’ i Jehovah hanao izay marina sy mahitsy, mba hitondran’ i Jehovah amin’ i Abrahama izay efa nolazainy taminy.Select Genesis 18:19

20Ary hoy Jehovah: Ny fitarainan’ i Sodoma sy Gomora dia lehibe tokoa, ary ny fahotany dia mavesatra indrindra;Select Genesis 18:20

21hidina Aho ka hizaha na efa nahatanteraka izany tokoa izy araka ny fitarainan’ ny tany, izay efa tonga atỳ amiko, na tsia; ary raha tsy izany, dia ho fantatro.Select Genesis 18:21

22Dia nihodina niala teo ireo lehilahy ireo ka nandroso ho any Sodoma; fa Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’ i Jehovah.Select Genesis 18:22

23Dia nanatona Abrahama ka nanao hoe: Haringanao miaraka amin’ ny meloka va ny marina?Select Genesis 18:23

24Angamba misy olo-marina dimam-polo ao an-tanàna; haringanao koa va, ka tsy hamindranao fo ny tanàna noho ny dimam-polo marina izay ao?Select Genesis 18:24

25Sanatria Anao raha hanao toy izany ka hamono ny marina miaraka amin’ ny meloka, ka ny marina hatao tahaka ny meloka; sanatria Anao izany! tsy hitsara marina va ny Mpitsara ny tany rehetra?Select Genesis 18:25

26Ary hoy Jehovah: Raha mahita dimam-polo marina ao an-tanàna Sodoma Aho, dia hamindrako fo ny tanàna rehetra noho ireny.Select Genesis 18:26

27Dia namaly Abrahama ka nanao hoe: Indro, fa efa sahy niteny tamin’ ny Tompo aho nefa vovoka sy lavenona:Select Genesis 18:27

28Angamba ho latsaka dimy ny dimam-polo marina; moa haringanao va ny tanàna rehetra noho ny dimy? Ary hoy Izy: Tsy handringana Aho, raha mahita dimy amby efa-polo ao.Select Genesis 18:28

29Dia, mbola niteny taminy indray izy ka nanao hoe: Angamba efa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho noho ny efa-polo.Select Genesis 18:29

30Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra ny Tompo, fa mbola hiteny aho: Angamba telo-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba hanao izany Aho, raha mahita telo-polo ao.Select Genesis 18:30

31Ary hoy izy: Indro, fa efa sahy niteny tamin’ ny Tompo aho: Angamba roa-polo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana azy Aho noho ny roa-polo.Select Genesis 18:31

32Ary hoy izy: Aoka anie mba tsy ho tezitra Hianao, Tompo, fa hiteny izao indray mandeha izao ihany aho: Angamba folo no ho hita ao. Ary hoy Izy: Tsy mba handringana Aho noho ny folo.Select Genesis 18:32

33Dia lasa nandeha Jehovah, rehefa vita ny teny nataony tamin’ i Abrahama; ary Abrahama niverina ho any amin’ ny fonenany.Select Genesis 18:33

Next: Genesis 19Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Genesis

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.