Genesis 2
Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
1Dia vita ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra ao aminy.Select Genesis 2:1
2Ary tamin’ ny andro fahafito dia vitan’ Andriamanitra ny asa efa nataony; ary dia nitsahatra tamin’ ny andro fahafito Izy tamin’ ny asany rehetra izay efa nataony.Select Genesis 2:2
3Ary Andriamanitra nitahy ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’ izany no nitsaharan’ Andriamanitra tamin’ ny asany rehetra izay noforoniny tamin’ ny nanaovany azy.Select Genesis 2:3
4Ary izao no tantaran’ ny lanitra sy ny tany tamin’ ny namoronana azy, dia tamin’ ny nanaovan’ i Jehovah Andriamanitra ny tany sy ny lanitra:Select Genesis 2:4
5Ny hazo madinika famboly dia tsy mbola nisy teo amin’ ny tany, ary ny anana famboly tsy mbola nisy naniry; fa tsy mbola nampilatsaka ranonorana tambonin’ ny tany Jehovah Andriamanitra, ary nisy olona hiasa ny tany;Select Genesis 2:5
6nefa nisy zavona niakatra avy tamin’ ny tany ka nandena ny tany rehetra.Select Genesis 2:6
7Ary vovo-tany no namoronan’ i Jehovah Andriamanitra ny olona, ary nofofoniny fofonaina mahavelona ny vavorony; dia tonga olombelona izy.Select Genesis 2:7
8Ary Jehovah Andriamanitra nanao saha tao Edena tany atsinanana, ka napetrany tao ralehilahy izay noforoniny.Select Genesis 2:8
9Ary nampanirin’ i Jehovah Andriamanitra teo amin’ ny tany ny hazo rehetra izay maha-te-hizaha sady tsara ho fihinana, ary ny hazon’ aina teo afovoan’ ny saha sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.Select Genesis 2:9
10Ary nisy ony nivoaka avy tao Edena handena ny saha; hatreo izy dia nizara ka nisampana efatra:Select Genesis 2:10
11Ny anaran’ ny voalohany dia Pisona; io no mandeha manodidina ny tany Havila rehetra, izay misy ny volamena;Select Genesis 2:11
12ary tsara ny volamena amin’ izany tany izany; any ny bedola sy ny vato beryla.Select Genesis 2:12
13Ary ny anaran’ ny ony faha dia Gihona; io no mandeha manodidina ny tany Kosy rehetra.Select Genesis 2:13
14Ary ny anaran’ ny ony fahatelo dia Hidekela; io no mandeha tandrifin’ i Asyria. Ary ny ony fahefatra dia Eofrata.Select Genesis 2:14
15Ary Jehovah Andriamanitra nitondra an-dralehilahy ka namponina azy tao amin’ ny saha Edena hiasa sy hitandrina azy.Select Genesis 2:15
16Ary Jehovah Andriamanitra nandidy an-dralehilahy ka nanao hoe: Ny hazo rehetra eo amin’ ny saha dia azonao ihinanana ihany;Select Genesis 2:16
17fa ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy dia aza ihinanana; fa amin’ ny andro izay ihinananao azy dia ho faty tokoa ianao.Select Genesis 2:17
18Ary Jehovah Andriamanitra nanao hoe: Tsy tsara raha irery ralehilahy; dia hanaovako vady sahaza ho azy izy.Select Genesis 2:18
19Ary tany no namoronan’ i Jehovah Andriamanitra ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; dia nentiny tany amin-dralehilahy ireny hahitany izay hanononany azy avy; ary izay rehetra nanononan-dralehilahy ny zava-manan’ aina rehetra, dia izany no anarany.Select Genesis 2:19
20Dia nomen-dralehilahy anarana ny biby fiompy rehetra sy ny ny voro-manidina mbamin’ ny bibi-dia rehetra; nefa tsy hita izay vady sahaza ho an-dralehilahy.Select Genesis 2:20
21Ary Jehovah Andriamanitra nahasondrian-tory an-dralehilahy, ka dia natory izy; dia naka ny taolan-tehezany anankiray Izy ka nanakombona nofo ho solony.Select Genesis 2:21
22Ary ny taolan-tehezana izay nalain’ i Jehovah Andriamanitra tamin-dralehilahy dia nataony vehivavy ka nentiny tany amin-dralehilahy.Select Genesis 2:22
23Ary hoy ralehilahy: Ankehitriny dia taolana avy amin’ ny taolako sy nofo avy amin’ ny nofoko ity; ity dia hatao hoe vehivavy satria lehilahy no nanalana azy.Select Genesis 2:23
24Ary noho izany ny lehilahy dia handao ny rainy sy ny reniny ka hikambana amin’ ny vadiny; dia ho nofo iray ihany ireo.Select Genesis 2:24
25Ary nitanjaka izy mivady, dia ralehilahy sy ny vadiny, nefa tsy nahalala henatra izy.Select Genesis 2:25
Baiboly Malagasy (1865) (MG1865) · Public Domain