Genesis 20
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Dia nifindra niala teo Abrahama nankany amin’ ny tany atsimo ka nitoetra teo anelanelan’ i Kadesy sy Sora ary nivahiny tao Gerara izy.Select Genesis 20:1
2Ary hoy ny filazan’ i Abrahama an’ i Saraha vadiny: Anabaviko izy; dia naniraka Abimeleka, mpanjakan’ i Gerara, nampaka an’ i Saraha.Select Genesis 20:2
3Fa Andriamanitra nankeo amin’ i Abimeleka, tamin’ ny nofy nony alina, ka nanao taminy hoe: Indro, fa ho faty ianao noho ny vehivavy izay nalainao, fa vadin’ olona izy.Select Genesis 20:3
4Fa Abimeleka anefa tsy mbola nanakaiky azy, ka hoy izy: Tompo ô, hovonoinao koa va izay firenena marina?Select Genesis 20:4
5Tsy ralehilahy va no nilaza tamiko hoe: Anabaviko izy? ary ravahivavy koa nanao hoe: Anadahiko izy; koa tamin’ ny fahatsoran’ ny foko sy ny fahadiovan’ ny tanako no nanaovako izany.Select Genesis 20:5
6Ary hoy Andriamanitra taminy tamin’ ny nofy: Eny ary, fantatro ihany fa tamin’ ny fahatsoran’ ny fonao no nanaovanao izany; ary Izaho kosa dia niaro anao mba tsy hanota amiko; koa izany no tsy namelako anao hanendry azy.Select Genesis 20:6
7Ary ankehitriny avereno ny vadin-dralehilahy, fa mpaminany izy ka hifona ho anao, dia ho velona ianao; fa raha tsy averinao izy, aoka ho fantatrao fa ho faty tokoa ianao, dia ianao mbamin’ izay rehetra mety ho anao.Select Genesis 20:7
8Dia nifoha maraina koa Abimeleka ka niantso ny mpanompony rehetra ary nanambara izany rehetra izany teo anatrehany; ka dia raiki-tahotra indrindra ny olona.Select Genesis 20:8
9Ary Abimeleka dia nampaka an’ i Abrahama ka nanao taminy hoe: Inona izao nataonao taminay izao? ary inona izao ratsy nataoko taminao izao no dia nahatonga heloka lehibe tamiko sy tamin’ ny fanjakako ianao? zavatra izay tsy tokony hatao no nataonao tamiko.Select Genesis 20:9
10Ary hoy koa Abimeleka tamin’ i Abrahama: Inona no hitanao, no nanao izany zavatra izany ianao?Select Genesis 20:10
11Dia hoy Abrahama: Satria hoy izaho: Tsy misy fahatahorana an’ Andriamanitra tokoa amin’ ity tany ity, ka hovonoin’ ny olona aho noho ny amin’ ny vadiko.Select Genesis 20:11
12Nefa anabaviko ihany tokoa izy, satria zanakavavin’ ny raiko, fa tsy mba zanakavavin’ ny reniko; ka dia nanambady azy aho.Select Genesis 20:12
13Ary raha nampifindrafindra ahy hiala tamin’ ny tranon’ ny raiko Andriamanitra, dia hoy izaho tamin’ ny vadiko: Izao no soa hataonao amiko any amin’ izay tany rehetra halehantsika dia lazao aho hoe: Anadahiko izy.Select Genesis 20:13
14Ary Abimeleka naka ondry sy omby sy ankizilahy ary ankizivavy, ka nomeny an’ i Abrahama ireny; ary Saraha vadiny dia naveriny teo aminy.Select Genesis 20:14
15Ary hoy Abimeleka: Indro, eo anoloanao ny taniko; mitoera eo amin’ izay tianao.Select Genesis 20:15
16Ary hoy kosa izy tamin’ i Saraha: Indro, efa nomeko sekely volafotsy arivo ny anadahinao; indro, ho fanampena-maso aminao izany, dia amin’ izay rehetra momba anao: ka dia efa nahazo ny rariny ianao ny amin’ izany rehetra izany.Select Genesis 20:16
17Ary Abrahama dia nifona tamin’ Andriamanitra; ary Andriamanitra nahasitrana an’ i Abimeleka sy ny vadiny mbamin’ ny mpanompovaviny; dia niteraka izy ireo.Select Genesis 20:17
18Fa Jehovah efa nahamomba tokoa ny vehivavy rehetra tamin’ ny ankohonan’ i Abimeleka noho ny amin’ i Saraha, vadin’ i Abrahama.Select Genesis 20:18
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation