Genesis 24
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Ary Abrahama dia efa zokiolona sady nandroso fahanterana; ary Jehovah efa nitahy an’ i Abrahama tamin’ ny zavatra rehetra.Select Genesis 24:1
2Ary hoy Abrahama tamin’ ilay lehiben’ ny mpanompony tao an-tranony, izay mpanapaka ny nananany rehetra: Mba ataovy ato ambanin’ ny feko ny tananao;Select Genesis 24:2
3fa hampianianiko amin’ i Jehovah, Andriamanitry ny lanitra sy ny tany, ianao, fa tsy haka vady ho an’ ny zanako avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita izay iraisako monina ianao;Select Genesis 24:3
4fa any amin’ ny tanin-drazako sy amin’ ny havako no halehanao haka vady ho an’ Isaka zanako.Select Genesis 24:4
5Ary hoy ilay mpanompony taminy: Angamba tsy hety hiaraka amiko ho amin’ ity tany ity ny vehivavy; moa tsy maintsy hitondra ny zanakao hiverina ho any amin’ ny tany izay nialanao va aho?Select Genesis 24:5
6Ary hoy Abrahama taminy: Tandremo mba tsy ho entinao miverina any ny zanako.Select Genesis 24:6
7Jehovah, Andriamanitry ny lanitra, Izay naka ahy niala tamin’ ny tranon’ ny raiko sy tamin’ ny tany nahaterahako, sady niteny tamiko sy nianiana tamiko hoe: Ny taranakao no homeko ity tany ity, dia Izy no haniraka Ilay Anjeliny eo alohanao, ka any no hakanao vady ho an’ ny zanako.Select Genesis 24:7
8Ary raha tsy hety hiaraka aminao ny vehivavy, dia ho afaka amin’ izao fampianianako anao izao ianao; fa izao ihany: aza entinao miverina any mihitsy ny zanakoSelect Genesis 24:8
9Ary nataon’ ilay mpanompo tambanin’ ny fen’ i Abrahama tompony ny tanany, ka nianiana taminy ny amin’ izany zavatra izany izy.Select Genesis 24:9
10Ary ilay mpanompo naka rameva folo tamin’ ny ramevan’ ny tompony ka lasa, ary izay zava-tsoa nananan’ ny tompony dia samy nitondrany avokoa; dia nandeha izy ka nankany Mesopotamia ho any an-tanànan’ i Nahora.Select Genesis 24:10
11Ary nampandohalehiny teo ivelan’ ny tanàna tanilan’ ny lavaka fantsakan-drano ny rameva, rehefa harivariva ny andro, dia tamin’ ilay fandehanan’ ny vehivavy mpantsaka inySelect Genesis 24:11
12Dia hoy izy: Jehovah ô, Andriamanitr’ i Abrahama tompoko, ambino aho anio, ary asio soa Abrahama tompoko.Select Genesis 24:12
13Indro, mijanona eto anilan’ ny fantsakana aho; ary ny zanakavavin’ ny mponina ao an-tanàna mivoaka hantsaka rano;Select Genesis 24:13
14koa izay zazavavy hilazako hoe: Mba areno kely ny sininao hisotroako, ka hamaly hoe izy: Misotroa, sady hampisotro ny ramevanao koa aho: dia izy ihany no aoka ho voatendrinao ho an’ Isaka mpanomponao; ary izany no hahafantarako fa nasianao soa ny tompoko.Select Genesis 24:14
15Ary raha tsy mbola nitsaha-niteny izy, dia, indro, tamy Rebeka, izay naterak’ i Betoela, zanakalahin’ i Milka, vadin’ i Nahpra, rahalahin’ i Abrahama, nilanja ny sininy teny an-tsorony.Select Genesis 24:15
16Ary ilay zazavavy dia tsara tarehy indrindra sady virijina, ka tsy mbola nisy lehilahy nahalala azy; ary nidina nankeo amin’ ny fantsakana izy ka nameno ny sininy, dia niakatra.Select Genesis 24:16
17Ary ilay mpanompo dia nihazakazaka nitsena azy ka nanao taminy hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin’ ny sininao aho.Select Genesis 24:17
18Ary hoy razazavavy: Misotroa, tompokolahy; dia nampidininy faingana ny sininy ho eo an-tànany, ka nampisotroiny ralehilahy.Select Genesis 24:18
19Ary rehefa nampisotro azy izy, dia hoy koa izy: Ny ramevanao koa andeha hantsakako hosotroiny ambara-pahatapiny misotro.Select Genesis 24:19
20Ary dia naidiny faingana ny rano teo an-tsininy ho eo amin’ ny tavy fisotroana, dia nihazakazaka indray izy nankeo amin’ ny lavaka fantsakana hantsaka; ary nantsaka ho an’ ny ramevany rehetra izy.Select Genesis 24:20
21Ary ralehilahy nandinika azy tsara sady nangina, mba hahafantarany na efa nambinin’ i Jehovah ny nalehany, na tsia.Select Genesis 24:21
22Ary rehefa tapi-nisotro avokoa ny rameva, dia nalain-dralehilahy ny kavin’ orona volamena iray, lanjan’ ny sasaky ny sekely, sy haba volamena roa, lanjan’ ny sekely folo, hatao amin’ ny tànany;Select Genesis 24:22
23ary hoy izy: Zana-jovy moa ianao? Mba lazao amiko. Ary moa misy azonay handriana va ao an-tranon’ ny rainao?Select Genesis 24:23
24Ary hoy izy taminy: Zanakavavin’ i Betoela, zanakalahin’ i Milka, izay naterany tamin’ i Nahora, aho.Select Genesis 24:24
25Ary hoy koa izy taminy: Na ny mololo na ny vilona, dia samy betsaka ao aminay, sady misy trano handrianareo koa.Select Genesis 24:25
26Dia niondrika ralehilahy ka niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah,Select Genesis 24:26
27ary nanao hoe: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama tompoko, Izay tsy nanaisotra ny famindram-pony sy ny fahamarinany tamin’ ny tompoko; fa izaho dia notantanan’ i Jehovah teny an-dalana ho atỳ an-tranon’ ny havan’ ny tompoko.Select Genesis 24:27
28Dia lasa nihazakazaka razazavavy ka nanambara araka izany teny izany tamin’ ny tao an-tranon’ ny reniny.Select Genesis 24:28
29Ary Rebeka nanana anadahy, Labana no anarany; dia nihazakazaka Labana nankeo amin-dralehilahy teo ivelany, teo am-pantsakana.Select Genesis 24:29
30Ary rehefa hitany ny kavin’ orona sy ny haba teny an-tànan’ ny anabaviny, sady efa reny ny tenin-dRebeka anabaviny nanao hoe: Izany no nolazain-dralehilahy tamiko, dia nankeo amin-dralehilahy izy; ary, indro, mbola nijanona teo anilan’ ny rameva teo am-pantsakana ralehilahy.Select Genesis 24:30
31Ary hoy Labana: Miakara, ry ilay notahin’ i Jehovah; nahoana no mijanona eto ivelany ianao? fa izaho efa namboatra ny trano sy izay hitoeran’ ny rameva.Select Genesis 24:31
32Dia niditra tao an-trano ralehilahy; ary Labana dia namaha ny entana tamin’ ny rameva ka nanome mololo sy vilona ho an’ ny rameva ary rano hanasana ny tongo-dralehilahy sy ny tongotry ny olona izay nomba azy.Select Genesis 24:32
33Dia nandroso hanina teo anoloany izy; fa hoy ralehilahy: Tsy mbola hihinana aho, raha tsy efa voalazako ny raharahako. Ary hoy izy: Lazao ary!Select Genesis 24:33
34Dia hoy ralehilahy: Mpanompon’ i Abrahama aho.Select Genesis 24:34
35Ary Jehovah efa nitahy ny tompoko indrindra, ka efa be ny fananany; ary Jehovah efa nanome azy ondry aman’ osy sy omby, ary volafotsy sy volamena, ary andevolahy sy andevovavy, ary rameva sy boriky.Select Genesis 24:35
36Ary rehefa antitra Saraha, vadin’ ny tompoko, dia niteraka zazalahy tamin’ ny tompoko izy; ary efa natolotry ny tompoko ho an’ ny zanany izay rehetra ananany.Select Genesis 24:36
37Ary efa nampianiana ahy ny tompoko ka nanao hoe: Aza makà vady ho an’ ny zanako avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita, izay iraisako monina;Select Genesis 24:37
38fa any amin’ ny tranon’ ikaky sy any amin’ ny havako no halehanao ka hakanao vady any ho an’ ny zanako.Select Genesis 24:38
39Ary izaho namaly ny tompoko hoe: Angamba tsy hety hiaraka amiko ny vehivavy.Select Genesis 24:39
40Ary hoy izy tamiko: Jehovah, Izay andehanako eo anatrehany, dia haniraka Ilay Anjeliny homba anao sy hanambina ny alehanao, ary ianao haka vady ho an’ ny zanako avy amin’ ny havako sy amin’ ny tranon’ ikaky.Select Genesis 24:40
41Dia ho afaka amin’ ny fampianianako anao ianao, raha tonga any amin’ ny havako; ary raha tsy manome anao ry zareo, dia ho afaka amin’ ny fampianianako anao koa ianao.Select Genesis 24:41
42Ary tonga androany teo amin’ ny fantsakana aho, ka hoy izaho: Jehovah ô, Andriamanitr’ i Abrahama tompoko, raha hanambina ny alehako Hianao,Select Genesis 24:42
43indro, mijanona eto anilan’ ny fantsakana aho, koa izay zazavavy hivoaka hantsaka ka hilazako hoe: Mba ampisotroy rano kely avy amin’ ny sininao aho,Select Genesis 24:43
44ka hamaly hoe izy: Misotroa, ary hantsakako koa ny ramevanao: dia izy no aoka ho izay vehivavy voatendrin’ i Jehovah ho an’ ny zanakalahin’ ny tompoko.Select Genesis 24:44
45Ary raha tsy mbola nitsahatra niteny anakampo aho, dia, indro, tamy Rebeka nilanja ny sininy teny an-tsorony, dia nidina nankeo amin’ ny fantsakana izy ka nantsaka; ary hoy izaho taminy: Mba ampisotroy rano kely aho.Select Genesis 24:45
46Dia nampidininy faingana ny sininy hiala teo an-tsorony, ka hoy izy: Misotroa, ary hampisotroiko koa ny ramevanao; dia nisotro aho, ary nampisotro ny rameva koa izy.Select Genesis 24:46
47Dia nanontany azy aho ka nanao hoe: Zana-jovy moa ianao? Ary hoy izy: Zanak’ i Betoela, zanakalahin’ i Nahora, aho, izay naterak’ i Milka taminy. Dia nataoko teo anorony ny kavin’ orona, ary ny haba teny amin’ ny tànany.Select Genesis 24:47
48Dia niondrika aho ka niankohoka teo anatrehan’ i Jehovah, dia nisaotra an’ i Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama tompoko, Izay efa nitondra ahy tamin’ ny lalana marina haka ny zanakavavin’ ny rahalahin’ ny tompoko, ho an’ ny zananySelect Genesis 24:48
49Koa ankehitriny, raha hanao izay soa sy marina amin’ ny tompoko ianareo, dia lazao amiko; fa raha tsy izany kosa, dia lazao amiko, mba hiviliako na ho amin’ ny ankavanana, na ho amin’ ny ankavia.Select Genesis 24:49
50Dia namaly Labana sy Betoela ka nanao hoe: Avy tamin’ i Jehovah no nisehoan’ izany zavatra izany, ka tsy mahazo milaza teny aminao izahay, na ratsy na soa.Select Genesis 24:50
51Indro, Rebeka eto anatrehanao, ento izy, ka mandehana; ary aoka ho vadin’ ny zanaky ny tomponao izy, araka izay nolazain’ i Jehovah.Select Genesis 24:51
52Ary rehefa nandre ny tenin-dry zareo ilay mpanompon’ i Abrahama, dia niankohoka tamin’ ny tany teo anatrehan’ i Jehovah izy.Select Genesis 24:52
53Ary ilay mpanompo dia namoaka firavaka volafotsy sy firavaka volamena ary fitafiana, ka nomeny an-dRebeka; ary nomeny zava-tsoa koa ny anadahiny sy ny reniny.Select Genesis 24:53
54Dia vao izay no nihinana sy nisotro izy mbamin’ ireo lehilahy izay nomba azy, dia nandry. Ary nifoha maraina izy ka nanao hoe: Alefaso ary aho handeha ho any amin’ ny tompoko.Select Genesis 24:54
55Ary hoy ny anadahin-dRebeka sy ny reniny: Aoka hitoetra atỳ aminay andro vitsivitsy ny zazavavy, na dia hafoloana ihany aza; fa rehefa afaka izany, dia handeha izy.Select Genesis 24:55
56Fa hoy ralehilahy taminy: Aza samponanareo aho, fa Jehovah efa nanambina ny alehako; alefaso aho mba hankany amin’ ny tompoko.Select Genesis 24:56
57Ary hoy izy ireo: Aoka ary hantsoinay ny zazavavy, ka hanontanianay izay teniny.Select Genesis 24:57
58Dia niantso an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Handeha hiaraka amin’ io lehilahy io va ianao? Ary hoy izy: Handeha aho.Select Genesis 24:58
59Dia namoaka an-dRebeka anabaviny sy ny mpitaiza azy ary ilay mpanompon’ i Abrahama mbamin’ ny olony izy.Select Genesis 24:59
60Dia nitso-drano an-dRebeka izy ka nanao taminy hoe: Ry anabavinay, tongava alinalina anie ianao, ary aoka ny taranakao hahazo ny vavahadin’ izay mankahala azy.Select Genesis 24:60
61Ary niainga Rebeka mbamin’ ny ankizivaviny ka nitaingina ny rameva, dia nandeha niaraka tamin-dralehilahy; ary nitondra an-dRebeka ilay mpanompo ka lasa nandeha.Select Genesis 24:61
62Ary Isaka efa tonga avy tamin’ ny nalehany tany Bera-lahai-roy; fa nonina tany amin’ ny tany atsimo izy.Select Genesis 24:62
63Ary Isaka nivoaka mba hieritreritra any an-tsaha, rehefa nitehin-ko hariva ny andro; dia nanopy ny masony izy ka nahita fa indrery nisy rameva avy manatona.Select Genesis 24:63
64Ary Rebeka koa nanopy ny masony ka nahatazana an’ Isaka; dia nidina faingana niala tamin’ ny rameva izy.Select Genesis 24:64
65Ary hoy izy tamin’ ilay mpanompo: Iza moa iry lehilahy mitsangantsangana eny an-tsaha avy mitsena antsika iry? Ary hoy ilay mpanompo: Iny no tompoko, dia nandray ny fisalobonana Rebeka, ka nisalobonany.Select Genesis 24:65
66Ary dia nambaran’ ilay mpanompo tamin’ Isaka ny zavatra rehetra izay efa nataony.Select Genesis 24:66
67Ary Isaka dia nampandroso an-dRebeka ho ao an-dain’ i Saraha reniny ka nampakatra azy ho vadiny; ary tia azy izy, dia nionona ny alahelony an-dreniny.Select Genesis 24:67
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation