Skip to content
Church.wiki
Genesis

Genesis 28

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)

Translation: MG1865

Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources

Start reading

1Ary Isaka nampaka an’ i Jakoba ka nitso-drano azy ary namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita ianao.Select Genesis 28:1

2Miainga ka mankanesa any Mesopotamia, any amin’ ny tranon’ i Betoela rain-dreninao; dia makà vady any, avy amin’ ny zanakavavin’ i Labana anadahin-dreninao.Select Genesis 28:2

3Ary Andriamanitra Tsitoha anie hitahy anao ka hahamaro fara anao sy hampitombo anao, mba ho tonga firenena maro ianao;Select Genesis 28:3

4ary homeny anao anie ny fitahiana an’ i Abrahama, dia ho anao sy ny taranakao koa, mba handovanao ny tany fivahinianao, izay efa nomen’ Andriamanitra an’ i Abrahama.Select Genesis 28:4

5Ary Isaka nampandeha an’ i Jakoba ka dia lasa izy nankany Mesopotamia, ho any amin’ i Labana, zanak’ i Betoela Syriana, anadahin-dRebeka, renin’ i Jakoba sy Esao.Select Genesis 28:5

6Ary nony hitan’ i Esao fa Isaka efa nitso-drano an’ i Jakoba ka efa nampandeha azy ho any Mesopotamia haka vady any ary nitso-drano azy sady namepetra azy hoe: Aza maka vady avy amin’ ny zanakavavin’ ny Kananita ianao;Select Genesis 28:6

7koa Jakoba efa nanaraka ny tenin’ ny rainy aman-dreniny ka lasa nankany Mesopotamia;Select Genesis 28:7

8ary hitan’ i Esao fa efa ratsy teo imason’ Isaka rainy ny zanakavavin’ ny Kananita:Select Genesis 28:8

9dia lasa Esao nankany amin’ Isimaela ka naka an’ i Mahalota, zanakavavin’ Isimaela, zanak’ i Abrahama, sady anabavin’ i Nebaiota, ho vadiny, ho fanampin’ ny vady izay nananany.Select Genesis 28:9

10Dia nivoaka avy tany Beri-sheba Jakoba ka nankany Harana.Select Genesis 28:10

11Ary tonga teo amin’ ny fitoerana anankiray izy ka nandry teo niloaka alina, satria efa maty ny masoandro; dia naka vato tamin’ izany fitoerana izany izy, ka nataony ondana, dia nandry teo izy.Select Genesis 28:11

12Ary nanonofy izy, ka, indro, nisy tohatra niorina tamin’ ny tany, ka nipaka tamin’ ny lanitra ny lohany; ary, indreo, nisy anjelin’ Andriamanitra niakatra sy nidina teo aminy.Select Genesis 28:12

13Ary, indro, Jehovah niseho teo amboniny ka nanao hoe: Izaho no Jehovah, Andriamanitr’ i Abrahama rainao sy Andriamanitr’ Isaka; ny tany izay andrianao dia homeko anao sy ny taranakao;Select Genesis 28:13

14ary ny taranakao ho be tahaka ny vovoka amin’ ny tany; dia hiely any andrefana sy any atsinanana ary any avaratra sy any atsimo ianao; ary aminao sy ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin’ ny tany.Select Genesis 28:14

15Ary, indro, Izaho momba anao ka hiaro anao amin’ izay lalan-kalehanao rehetra ary hampody anao indray ho amin’ ity tany ity; fa tsy handao anao Aho mandra-panaoko izay voalazako taminao.Select Genesis 28:15

16Ary Jakoba nahatsiaro tamin’ ny torimasony, dia nanao hoe: Ato amin’ ity fitoerana ity tokoa Jehovah, fa izaho no tsy nahalala.Select Genesis 28:16

17Dia raiki-tahotra izy ka nanao hoe: Endrey, mahatahotra ity fitoerana ity! tsy hafa ity, fa tranon’ Andriamanitra sy vavahadin’ ny lanitra.Select Genesis 28:17

18Ary nifoha maraina koa Jakoba, dia naka ilay vato izay nataony ondana ka nanorina azy ho tsangam-bato, dia nampidina diloilo teo aminy.Select Genesis 28:18

19Ary ny anaran’ izany fitoerana izany dia nataony hoe Betela, fa Lozy no anaran’ ilay tanàna tany aloha.Select Genesis 28:19

20Dia nivoady Jakoba ka nanao hoe: Raha homba ahy Andriamanitra ka hiaro ahy amin’ izao lalana alehako izao, ary hanome ahy mofo hohaniko sy lamba hitafiako,Select Genesis 28:20

21ka ho tafaverina soa aman-tsara any amin’ ny tranon’ ny raiko aho, dia Jehovah no ho Andriamanitro,Select Genesis 28:21

22ary ity vato izay naoriko ho tsangam-bato ity ho tranon’ Andriamanitra, ary izay rehetra homenao ahy, dia homeko Anao tokoa ny ampahafolony.Select Genesis 28:22

Next: Genesis 29Continue reading

Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation

Reading settings

Choose a passage

Old Testament

New Testament

Genesis

Selected verses

Select another verse to extend the range.

Highlight

My Bible

About this name

Listen

Uses an English voice provided by your browser.