Genesis 29
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865)
Translation: MG1865
Modern translations such as the NIV or ESV are not available yet. They need a license, and we will add them when one is in place. All translations and their sources
1Dia niainga Jakoba ka nankany amin’ ny tanin’ ny zanaky ny atsinanana.Select Genesis 29:1
2Dia nijery izy, ka, indro, nisy lavaka fantsakana tany an-tsaha, ary, indro, nisy ondry aman’ osy telo, dia nandry teo anilany; fa teo amin’ izany lavaka fantsakana izany no fampisotroan’ ny olona ny andian’ ny ondry aman’ osy; ary lehibe ny vato teo am-bavan’ ny fantsakana.Select Genesis 29:2
3Ary nangonina teo ny andian’ ny ondry aman’ osy rehetra, dia nakodian’ ny olona ny vato hiala amin’ ny vavan’ ny lavaka fantsakana, ka nampisotroiny ny ondry aman’ osy; ary dia naveriny indray ny Vato ho eo am-bavan’ ny lavaka fantsakana ho amin’ ny fitoerany.Select Genesis 29:3
4Ary hoy Jakoba tamin’ ny olona: Ry rahalahiko, avy aiza moa ianareo? Ary hoy ireo: Avy any Harana izahay.Select Genesis 29:4
5Ary hoy izy taminy: Moa mba fantatrareo va Labana, zanakalahin’ i Nahora? Dia hoy izy: Fantatray ihany.Select Genesis 29:5
6Ary hoy izy taminy: Tsara ihany va izy? Dia hoy izy: Tsara ihany izy; ary, indro, tamy Rahely zananivavy mitondra ny ondry aman’ osy.Select Genesis 29:6
7Ary hoy izy: Indro, mbola antoandrobe ny andro, ka tsy mbola mby amin’ ny fotoana famoriana ny omby aman’ ondry; ampisotroy ny ondry aman’ osy, dia andeha, andraso.Select Genesis 29:7
8Dia hoy izy: Tsy azonay hatao izany, raha tsy efa tafangona avokoa ny andian’ ny ondry aman’ osy rehetra, ka hakodian’ ny olona ny vato hiala amin’ ny vavan’ ny lavaka fantsakana; dia vao hampisotro ny ondry aman’ osy izahay.Select Genesis 29:8
9Raha mbola niteny taminy izy; dia, indro, tamy Rahely nitondra ny ondry aman’ osin-drainy; fa mpiandry ondry izy.Select Genesis 29:9
10Ary rehefa hitan’ i Jakoba Rahely, zanakavavin’ i Labana anadahin-dreniny, sy ny ondry aman’ osin’ i Labana anadahin-dreniny, dia nanatona izy ka nanakodia ny vato hiala tamin’ ny vavan’ ny lavaka fantsakana, dia nampisotro ny ondry aman’ osin’ i Labana anadahin-dreniny izy.Select Genesis 29:10
11Ary Jakoba nanoroka an-dRahely, dia nanandrata ny feony ka nitomany.Select Genesis 29:11
12Dia nambaran’ i Jakoba tamin-dRahely fa havan-drainy sy zana-dRebeka izy; dia nihazakazaka Rahely nanambara izany tamin-drainy.Select Genesis 29:12
13Ary rehefa ren’ i Labana ny filazany an’ i Jakoba, zanak’ anabaviny, dia nihazakazaka nitsena azy izy ka namihina azy sy nanoroka azy ary nitondra azy ho any an-tranony. Dia nambaran’ i Jakoba tamin’ i Labana izany rehetra izany.Select Genesis 29:13
14Ary hoy Labana taminy: Taolako sy nofoko tokoa ianao. Ary rehefa nitoetra tao aminy andro iray volana Jakoba,Select Genesis 29:14
15dia hoy Labana taminy: Moa na dia rahalahiko aza ianao, dia hanompo ahy maina va? Lazao amiko izay ho karamanao.Select Genesis 29:15
16Ary Labana nanan-janaka roa vavy: Lea no anaran’ ny zokiny, ary Rahely no anaran’ ny zandriny.Select Genesis 29:16
17Ary Lea nalemy maso; fa Rahely bikàna sady tsara tarehy.Select Genesis 29:17
18Ary Jakoba tia an-dRahely ka nanao hoe: Hanompo anao fito taona aho hahazoako an-dRahely, zanakao faravavy.Select Genesis 29:18
19Ary hoy Labana: Aleoko homena anao izy, toy izay homena lehilahy hafa; tomoera eto amiko.Select Genesis 29:19
20Dia nanompo an’ i Labana fito taona Jakoba hahazoany an-dRahely; ary toa andro vitsy foana teo imasony izany noho ny fitiavany azy.Select Genesis 29:20
21Ary hoy Jakoba tamin’ i Labana: Aiza ny vadiko, mba hanambadiako azy? fa efa tapitra ny fetr’ androko.Select Genesis 29:21
22Ary nampamory ny tompon-tany rehetra Labana ka nanao fanasana.Select Genesis 29:22
23Kanjo nony hariva dia naka an’ i Lea zananivavy izy ka nitondra azy ho any amin’ i Jakoba; dia nanambady azy Jakoba.Select Genesis 29:23
24Ary nomen’ i Labana an’ i Lea zananivavy Zilpa ankizivaviny hanompo azy.Select Genesis 29:24
25Ary nony efa maraina ny andro, indro fa Lea izy; dia hoy Jakoba tamin’ i Labana: Ahoana izao nataonao tamiko izao? Moa tsy Rahely va no nanompoako anao? Ka nahoana no nofitahinao aho?Select Genesis 29:25
26Dia hoy Labana: Tsy fanao atỳ amin’ ny taninay ny mamoaka ny zandriny alohan’ ny zokiny.Select Genesis 29:26
27Tanteraho ny herinandron’ ity anankiray ity, dia homenay anao koa ny anankiray noho ny fanompoana izay mbola hanompoanao ahy fito taona indray.Select Genesis 29:27
28Dia nataon’ i Jakoba izany, ka notanterahiny ny herinandrony; dia nomen’ i Labana azy koa Rahely zananivavy ho vadiny.Select Genesis 29:28
29Ary nomen’ i Labana an-dRahely zananivavy kosa Bila ankizivaviny hanompo azy.Select Genesis 29:29
30Dia novadin’ i Jakoba koa Rahely; ary izy no tiany mihoatra noho Lea; dia nanompo an’ i Labana fito taona indray izy.Select Genesis 29:30
31Ary rehefa hitan’ i Jehovah fa nankahalaina Lea, dia nampanan’ anaka azy Izy; fa momba kosa Rahely.Select Genesis 29:31
32Dia nanan’ anaka Lea ka niteraka zazalahy, ary ny anarany dia nataony hoe Robena; fa hoy izy: Efa nitsinjo ny fahoriako Jehovah, fa ankehitriny dia ho tian’ ny vadiko aho.Select Genesis 29:32
33Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Satria ren’ i Jehovah fa efa nankalahaina aho, dia nomeny ahy koa ity; dia nataony hoe Simeona ny anarany.Select Genesis 29:33
34Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny izao dia hikambana amiko ny vadiko, fa efa niteraka zazalahy telo ho azy aho; izany no nanaovana ny anarany hoe Levy.Select Genesis 29:34
35Dia nanan’ anaka indray izy ka niteraka zazalahy; ary hoy izy: Ankehitriny dia hidera an’ i Jehovah aho; izany no nanaovany ny anarany hoe Joda; dia nitsaha-jaza izy.Select Genesis 29:35
Malagasy, Baiboly Malagasy (1865) (MG1865). Public domain. Text from the CrossWire Bible Society module. About this translation